KOVETA, KOVETABE
Tsy resahin’ny Baiboly ny bikabikan’ny koveta fahiny. Fantatra anefa hoe vita tamin’ny tanimanga, hazo na metaly izy ireny. Anisan’ny kojakoja tao an-trano ny koveta sasany, toy ireo nomena an’i Davida sy ny olony rehefa nandositra an’i Absaloma izy ireo. (2Sa 17:27-29) Ny teny hebreo hoe saf no ilazana ny koveta toy izany, sy ny koveta nasian’ny Israelita ny ran’ny biby natao sorona tamin’ny Paska tany Ejipta (Ek 12:22), ary ny koveta tao amin’ny tempoly nentin’i Nebokadnezara nankany Babylona. (Je 52:19) Azo adika koa hoe “vilia baolina” io teny hebreo io. Naminany àry i Jehovah hoe: “Hataoko izay hahatonga an’i Jerosalema ho toy ny vilia baolina [saf] hampivembena ny firenena rehetra manodidina azy.” (Za 12:1, 2) Ny teny grika hoe nipter kosa no ilazana ny “koveta” nampiasain’i Jesosy, tamin’izy nanasa ny tongotry ny mpianany.—Jn 13:5.
Tao amin’ny toerana masina. Nampiasa koveta koa ireo nanao fanompoana masina tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Anisan’ireo fitaovana nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy ho an’ny tranolay masina ny kovetabe iray. Varahina izy io, nasiana tongony varahina, ary natao teo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara. Nofenoina rano izy io ka nanasa tanana sy tongotra teo ny mpisoronabe sy ny mpisorona hafa, rehefa hiditra tao amin’ilay tranolay na hanompo teo anoloan’ny alitara. (Ek 30:17-21; 31:9; 40:30, 31) “Ny fitaratr’ireo vehivavy [“fitaratra varahin’ny vehivavy”, Prot.] izay nanao ny fanompoana voalamina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana” no nanaovana an’io koveta io, izay antsoin’ny Baiboly sasany hoe “tavy” (Prot.; Kat.; JM).—Ek 38:8.
Tsy misy toromarika momba ny fomba itondrana ny kovetan’ny tranolay masina, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Nampian’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina tranainy) toy izao anefa ny Nomery 4:14: “Ary horakofany lamba volomparasy ny koveta sy ny tongotr’izy io ka hataony eo ambony rakotra hoditra manga, ary hatsofony ny bao filanjana azy.”
Ny teny hebreo hoe kiyôhr (na kiyôr) no ilazana ny kovetaben’ny tranolay masina (Ek 35:16), sy ireo koveta folo nataon’i Solomona ho an’ny tempoly. Tao amin’ireo no nanasana an’izay nampiasaina tamin’ny fanatitra dorana.—2Ta 4:6, 14.
I Hirama no nanao an’ireo koveta (tavin-drano, Prot.) varahina folo ireo. Nahazaka rano “efapolo bata” na 880 L teo ho eo ny koveta tsirairay. Midika izany fa mety ho 1,8 m ny savaivon’ilay koveta, raha hoatran’ny vilany saba ny bikany. Ho hafa kosa ny refin’ny savaivony raha lehibe kokoa ny vatany ary teritery ny vavany. Milaza fotsiny anefa ny Baiboly hoe “efatra hakiho ny koveta tsirairay”, fa tsy lazainy ny bikabikany. Natao teo ambony kalesy nisy kodiarana efatra ny koveta tsirairay, ary nisy haingony sy sary sokitra ny kalesy tsirairay. Kalesy dimy no napetraka teo ankavanan’ny trano, ary dimy teo ankavia.—1Mp 7:27-39.
Koveta boribory makadiry nantsoina hoe ranomasina varahina ilay ‘napetraka teo ankavanana, teo atsimoatsinanan’ny’ trano. Teo ambonin’ny omby varahina 12 io fitoeran-drano ho an’ny mpisorona io, ary nasiana haingony. Nirefy 10 hakiho (4,5 m) ny savaivony ary 5 hakiho (2,2 m) ny haavony.—2Ta 4:2-6, 10.
Vilia baolina. Vita tamin’ny tanimanga, hazo, na metaly ny vilia baolina, hoatran’ny fitaovana hafa resahin’ny Soratra Masina ihany. Ny teny hebreo hoe mizrak no ilazana ny vilia baolina metaly nampiasaina rehefa nanao sorona. (Ek 27:3; No 4:14; 7:13; 1Mp 7:50; 2Ta 4:8) Anisan’ny vilia baolina lehibe fasiana sakafo ny tsallahat (“vilia”; Oh 26:15) sy sefel (“vilia baolina lehibe”; Mpts 5:25). Nadika hoe “vilia baolina” (Za 4:2) ny hoe gollah, nefa nadika koa hoe “niendrika vilia baolina” sy hoe “boribory” mba hilazana ny lohan’ireo andry nanoloana ny tempolin’i Solomona. (1Mp 7:41) Trybliôn no teny grika ilazana ny vilia baolina fihinanana somary lalin’aty (Mt 26:23), ary fiale no ilazana matetika ny ‘vilia’ fanolorana fanatitra zava-pisotro.—Ap 16:2-17.