FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lamba Rongony”
  • Lamba Rongony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lamba Rongony
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lamba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • B5 Ny Tranolay Masina sy ny Mpisoronabe
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Inona ny Karazan-damba Fahiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Peta-kofehy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lamba Rongony”

LAMBA RONGONY

Lamba notenomina tamin’ny kofehy rongony. (Ek 25:4; Mpts 15:14) Lamba rongony na volonondry ny ankamaroan’ny akanjon’ny Hebreo. (Le 13:47; Oh 31:13, 22; Ho 2:5, 9) Tsy azo niara-notenomina hanaovana akanjo ho an’ny Israelita tsy mpisorona anefa ny kofehy volonondry sy rongony, araka ny Lalàna. (De 22:11) Nanaovana fehikibo (Je 13:1) sy lain-tsambo (Ezk 27:7), ohatra, ny lamba rongony. Nanenona lamba rongony ny Israelita, nefa nanafatra avy tany Ejipta koa.​—Oh 7:16.

Isan-karazany ny lamba rongony matoa nisy “lamba rongony tena tsara” sy “ravin-damba tena tsara.” (Ezk 16:10; 27:16) Nitafy lamba rongony tena tsara ny mpanankarena, mpanjaka, ary manam-pahefana. (Ge 41:42; 1Ta 15:27; Es 8:15; Lk 16:19) Nofonosin’i Josefa, lehilahy mpanankarena avy any Arimatia, tao anaty lamba rongony tena tsara sy madio ny fatin’i Jesosy.​—Mt 27:57-59.

Ny kofehy rongony tena tsara nataon’ny vehivavy israelita no nanamboarana ireo lamba folo nanaovana ny tranolay, ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra, ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana, ny fefy lamban’ny tokotany, ary ny lamba fanakonana ho an’ny vavahadiny. (Ek 35:25; 36:8, 35, 37; 38:16, 18) Kofehy rongony miolana tsara koa no nanaovana ny fehikibo, efoda, ary saron-tratran’ny mpisoronabe. (Ek 39:2, 3, 5, 8) Natao tamin’ny rongony tena tsara koa ny akanjon’ny mpisorona. (Ek 39:27-29) Toa lamba rongony noravahana peta-kofehy vita tamin’ny volonondry nolokoana sy volamena no nanaovana ny ridao sy ny fitafiana nampiasaina tao amin’ny toerana masina.​—Ek 35:35; 38:23.

Heviny an’ohatra. Toy ny vehivavy mitafy lamba rongony tena tsara sy lamba volomparasy ary lamba mena midorehitra i Babylona Lehibe mpanankarem-be. (Ap 18:16) ‘Ny asa marina ataon’ny olona masina’ kosa ilay lamba rongony tena tsara anaovan’ny ampakarin’i Kristy. Manao akanjo vita amin’ny lamba rongony fotsy sy madio ary tena tsara koa ny tafiky ny lanitra, satria manao ady ara-drariny.​—Ap 19:8, 11, 14; jereo koa Da 10:5; Ap 15:6; RONGONY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara