FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hagay, Bokin’i”
  • Hagay, Bokin’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hagay, Bokin’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hagay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Izaho no Momba Anareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Aoka ny Rehetra Hankalaza An’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hagay, Bokin’i”

HAGAY, BOKIN’I

Iray amin’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo. Hafatra efatra avy amin’i Jehovah izy io, ary nampirisika an’ireo Jiosy avy natao sesitany tany Babylona mba hamita ny tempolin’i Jerosalema, izay naorina indray. Misy faminaniana koa ao milaza fa hofenoina voninahitra ny tranon’i Jehovah ary haongana ny fanjakan’olombelona.​—Hg 2:6, 7, 21, 22.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. I Hagay mpaminany no nanoratra an’ilay boky sy nampita ny hafatra tsirairay ao. (Hg 1:1; 2:1, 10, 20; jereo HAGAY.) Tsy hita ao amin’ny ankamaroan’ireo lisitra fahiny misy ny Soratra Masina ny anaran’ilay boky. Miresaka momba an’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo anefa izy ireo, ka azo inoana fa anisan’izany ny bokin’i Hagay mba ho feno 12 ilay isa. Neken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Hebreo koa ilay boky. Anisan’ny Soratra Masina tokoa izy io matoa naverina ao amin’ny Hebreo 12:26 ny voalazan’ny Hagay 2:6.​—Ampit. Hg 2:21.

Fomba fanoratra. Tsotra sy mazava ny teny ao amin’ilay boky. Misy fanontaniana mampisaintsaina (Hg 1:4, 9; 2:3, 12, 13, 19), fananarana mafy, fampaherezana, ary faminaniana mahavelom-panantenana ao. Avy amin’Andriamanitra ny hafatra raketiny, satria miseho in-35 ny anarana hoe Jehovah ao amin’ireo andininy 38. Irak’i Jehovah tokoa i Hagay.​—1:13.

Daty sy zava-nitranga. Nambaran’i Hagay tao Jerosalema nandritra ny efa-bolana teo ho eo ny hafatra efatra nosoratany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Hystaspe (Persianina) (520 T.K.). Toa vita tamin’ny 520 T.K. ny fanoratana an’ilay boky. (Hg 1:1; 2:1, 10, 20) Nitovy ny zava-kendren’i Hagay sy Zakaria, izay naminany tamin’ny fotoana nitovy.​—Ezr 5:1, 2; 6:14.

Mitondra soa maharitra. Mampitombo ny finoana an’i Jehovah ny bokin’i Hagay, ary tena ilain’ny mpanompony izany. Resahin’izy io fa momba ny vahoakany Andriamanitra (Hg 1:13; 2:4, 5), ka tokony hataon’izy ireo loha laharana ny fanompoana azy. (Hg 1:2-8; Mt 6:33) Hazavain’izy io koa fa tsy mahafaly an’i Jehovah ny fanarahana fombafomba fotsiny eo amin’ny fanompoana azy (Hg 2:10-17; Is 29:13, 14; Mt 15:7-9), fa izay manao ny sitrapony sy tsy mivadika aminy no hotahina. (Hg 2:18, 19; ampit. Oh 10:22.) Mbola ho tanteraka ny Hagay 2:6 rehefa lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, araka ny Hebreo 12:26-29.

[Efajoro, pejy 1061]

HEVITRA MISONGADINA: HAGAY

Hafatra efatra nandrisika ny Jiosy hanorina indray ny tempolin’i Jehovah

Nosoratana tany Jerosalema, 17 taona taorian’ny nodian’ny Jiosy avy tany an-tsesitany, satria mbola tsy vita foana ny tempoly

Hafatra ho an’ireo nipetraka tao amin’ny trano nopetahana takela-kazo tsara tarehy, nefa rava ny tranon’i Jehovah (1:1-15)

Nisy nihevitra fa mbola tsy tonga ny fotoana hanorenana ny tempoly; nohazavain’i Jehovah fa izany no antony tsy nitahiany azy ireo, ka lasa kely ny vokatra niakatra sy ny karaman’ny mpiasa

Nihaino torohevitra i Zerobabela sy Josoa ary ny vahoaka sisa; homba azy ireo i Jehovah raha aorin’izy ireo indray ny tempoly; natomboka ny fanorenana

Hofenoin’i Jehovah voninahitra ny tranony (2:1-9)

Toy ny tsinontsinona no fahitan’ny zokiolona an’ilay tempoly naorina indray, raha oharina amin’ny tempolin’i Solomona tamin’ny voninahiny taloha

Nampirisihin’i Jehovah i Zerobabela sy Josoa ary ny vahoaka sisa mba hahery sy tsy ho kivy ary hanohy an’ilay asa, satria ho lehibe kokoa ny voninahitr’ilay tempoly naorina indray raha oharina amin’ilay taloha

Naloto teo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka sy izay nataony, satria tsy naorin’izy ireo ny tempoly (2:10-19)

Namaly ny mpisorona hoe haloto izay mikasika zava-maloto, fa tsy ho masina kosa izay mikasika zava-masina

Nampaherezin’i Jehovah ny vahoaka hoe handrotsaka fitahiana izy raha vao apetraka ny fototry ny tempoly, ka hitombo ny vokatra hiakatra

Nilazana i Zerobabela fa hohozongozonin’i Jehovah ny lanitra sy ny tany (2:20-23)

Hifamely ny fahavalo rehefa hohozongozonin’i Jehovah ny lanitra sy ny tany ary haongany ny seza fiandrianan’ireo fanjakana; tsy hisy hahasakana ny fanorenana ny tempoly

Hataon’i Jehovah toy ny peratra fanombohan-kase i Zerobabela: Azo antoka fa tsy hiala amin’ny toerany izy na inona na inona hitranga

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara