FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Imahitsy”
  • Imahitsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Imahitsy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Teny An-dalana ho any Damaskosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Efesosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Imahitsy”

IMAHITSY

Lalana tany Damaskosy, any Syria. (As 9:10, 11; SARY, Boky Faha-2, p. 748) Tamin’ny andron’ny Romanina, dia lalambe tokotokony ho 1,5 km izy io, ary namakivaky an’ilay tanàna avy tany atsinanana nankany andrefana. Tena lalambe izy io satria 26 m teo hoe eo ny sakany: Teo afovoany ny lalana natao ho an’ny kalesy, ary 15 m teo ho eo ny sakan’izy io, ary teo amin’ny andininy roa ny lala-mitafo ho an’ny mpandeha an-tongotra. Mbola antsoin’ny Arabo hoe Darb al-Mostakim (Imahitsy) ihany izy io. Tsy tena mahitsy be intsony anefa izy io. Miankandrefana izy io raha vao miala eo amin’ny Vavahady Atsinanana. Teo amin’io lalana fahiny io no nisy ny tranon’ilay lehilahy natao hoe Jodasy. Nijanona tao kelikely i Saoly avy any Tarsosy, rehefa avy niseho taminy i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Niseho tamin’i Ananiasy mpianany koa i Jesosy, ary naniraka azy ho any amin’ilay trano teo amin’ilay “lalana atao hoe Imahitsy” mba hanasitrana ny mason’i Saoly.​—As 9:3-12, 17-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara