FAHARATSIANA
Lazaina hoe ratsy na tsy mendrika ny zavatra tsy mifanaraka amin’izay lazain’Andriamanitra hoe tsara. Midika hoe ratsy ilay teny hebreo hoe rashaʽ sy ny teny iray tarika aminy (Ge 18:23; 2Sa 22:22; 2Ta 20:35; Jb 34:8; Sl 37:10; Is 26:10), ary koa ilay teny grika hoe pôneria. (Mt 22:18; Mr 7:22; Lk 11:39; As 3:26; Ro 1:29; 1Ko 5:8; Ef 6:12) Matetika ny pônerôs (iray tarika amin’ny hoe pôneria) no midika hoe ratsy toetra. (Lk 6:45) Azo ilazana zavatra hitan’ny maso hoe ratsy koa izy io, ohatra hoe “voa ratsy.” (Mt 7:17, 18) Ampiasaina hilazana zavatra mampanaintaina koa io teny io, ary nadika hoe ‘manonitra be’ (TV) sy “mampahory” (Prot.; DIEM) ary ‘mampijaly mafy’ (Kat.), ao amin’ny Apokalypsy 16:2.
Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?
Nanohitra ny fitsipika marin’Andriamanitra i Satana Devoly, izay nitarika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra, ka mety ny iantsoana azy hoe “ilay ratsy.” (Mt 6:13; 13:19, 38; 1Jn 2:13, 14; 5:19) Nikomy izy ka toy ny nilaza fa tsy manana zo hitondra Andriamanitra sady tsy mahay mitondra, izany hoe tsy araka ny rariny no itondrany ny zavaboariny ary tsy mitsinjo izay tena hahasoa azy ireo izy. Nikomy koa i Adama sy Eva ka nanjary nipoitra ny fanontaniana hoe: Hivadika amin’Andriamanitra ve ny zavaboary manan-tsaina hafa raha toa tsy ahazoany tombony ny mankatò an’Andriamanitra? Toa te hilaza i Satana hoe hivadika izy ireo, satria hoy izy momba an’i Joba, lehilahy tsy nivadika: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.”—Jb 2:4, 5; jereo FAHEFANA FARA TAMPONY.
Ilana fotoana ny andaminana an’izany rehetra izany. Navelan’i Jehovah Andriamanitra ho velona àry ny olon-dratsy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nisy olona afaka nanaporofo hoe diso ny fiampangan’i Satana. Nanompo an’i Jehovah mantsy izy ireo ary tsy nivadika mihitsy na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Afaka niala tamin’ny lalan-dratsiny ka nankatò an-tsitrapo ny lalàna marin’Andriamanitra koa izay nanao ratsy. (Is 55:7; Ezk 33:11) Matoa àry Andriamanitra mbola tsy nandringana ny ratsy fanahy dia mba hisian’ny fotoana hanaporofoan’ireo manana toe-po tsara fa tena tia sy mifikitra amin’i Jehovah izy ireo.—Ro 9:17-26.
Ataon’i Jehovah Andriamanitra koa izay hahatonga ny ratsy fanahy hanatanteraka tsy nahy ny fikasany. Marina fa manohitra an’Andriamanitra izy ireny. Azon’i Jehovah ferana ihany anefa izany mba hiarovana ny mpanompony tsy mivadika. Hainy koa ny mahatonga ny fanoheran’ireny ratsy fanahy ireny hanjary hampiharihary ny fahamarinany. (Ro 3:3-5, 23-26; 8:35-39; Sl 76:10) Hoy ny Ohabolana 16:4: “Nataon’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra, ary na ny ratsy fanahy aza nataony ho amin’ny andro ahitan-doza.”
Mampiseho tsara izany ny nataon’i Jehovah tamin’i Faraon’i Ejipta. Nasainy niteny tamin’io Farao io i Mosesy sy Arona mba hanafaka an’ireo Israelita. Tsy Andriamanitra no nahatonga an’i Farao ho ratsy toetra. Navelany ho velona kosa i Farao ary nataony izay hampiharihariana ny toetra ratsin’i Farao mba ho hita hoe mendrika ny ho faty izy. Nohazavain’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 9:16 ny antony nanaovany izany: “Izao no mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.”
Nisy loza folo nisesy namely an’i Ejipta, ary farany dia naringana tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny. Niharihary tamin’izay fa tena mahery i Jehovah. (Ek 7:14–12:30; Sl 78:43-51; 136:15) Mbola niresaka momba izany foana ireo firenena nanodidina na dia taona maro tatỳ aoriana aza, ka nambara eran-tany ny anaran’i Jehovah. (Js 2:10, 11; 1Sa 4:8) Nampiharihary ny heriny lehibe i Jehovah ho voninahitry ny anarany sy mba hanafahana ny vahoakany. Raha naringany avy hatrany anefa i Farao, dia tsy ho nibaribary izany.
Manome toky ny Soratra Masina fa ho foana ny faharatsiana, indray andro any. Horinganin’i Jehovah Mpamorona mantsy izay rehetra manohitra Azy, rehefa hitany fa tsy misy antony tokony hamelany ny faharatsiana hisy intsony.—2Pe 3:9-13; Ap 18:20-24; 19:11–20:3, 7-10.