VONOAN’OLONA
Midika hoe manala aina ny teny tany am-boalohany nadika hoe “mamono olona” na “mahafaty.” Ny teny manodidina na ny andininy hafa no ahafantarana raha niniana natao ilay izy, na tsy nahazoan-dalana, na tsy ara-dalàna. Ratsah ny teny hebreo nadika hoe “mamono olona” ao amin’ilay didy hoe: “Aza mamono olona.” (Ek 20:13) Zavatra iniana atao sy tsy ara-dalàna ilay izy eo. Nahazo alalana hamono kosa ilay mpamaly ra resahin’ny Nomery 35:27. Tsara hotadidina àry fa na eo aza ilay didy hoe “Aza mamono olona”, dia nanome alalana ny hamonoana olona, toy ny mpanao heloka bevava, ny Lalàn’i Mosesy indraindray.
Tany am-boalohany. Efa nisy namono olona raha vao niandoha kelikely ny tantaran’olombelona. Azo lazaina hoe namono olona i Adama lehilahy voalohany, satria tsy nankatò ka namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranany. (Ro 5:12; 6:23) Ny Devoly kosa no ninia nandrisika an’i Eva vadin’i Adama hanota. Lasa mpamono olona àry izy raha vao nanendrikendrika an’Andriamanitra.—Ge 3:13; Jn 8:44.
Namono an’i Abela rahalahiny, izay olo-marina, i Kaina lahimatoan’i Adama, latsaka ny 130 taona taorian’izay, noho izy nankahala sy nialona azy. Io no vonoan’olona voalohany nampiasana herisetra. (Ge 4:1-8, 25; 5:3) Voaozona ho mpirenireny sy ho mpandositra eny ambonin’ny tany àry i Kaina. (Ge 4:11, 12) Efa taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa Andriamanitra vao nanome alalana ny hamonoana an’izay nahafaty olona.—Ge 9:6.
Teo ambanin’ny Lalàna. Nomena ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita taonjato maro tatỳ aoriana, ary misy didy maromaro momba ny vonoan’olona izy io. Navahany ny hoe ninia namono olona sy ny nahafaty olona tsy nahy. Tsy azo lazaina ho nahafaty olona tsy nahy ny olona iray raha 1) efa nankahala an’ilay olona matiny (De 19:11, 12; ampit. Js 20:5), 2) niafina mba hamely azy (No 35:20, 21), na 3) namely azy tamin’ny fitaovana mandratra sy mahafaty (No 35 16-18). Nosazina izay nikapoka ny mpanompony ka nahafaty azy. (Ek 21:20) Nomelohina ho faty izay ninia namono olona, ary tsy nekena ny vidim-panavotana nomeny. Ireo nahafaty olona tsy nahy kosa afaka nandositra nankany amin’ny tanàna fialokalofana raha tsy te ho faty.—Ek 21:12, 13; No 35:30, 31; Js 20:2, 3; jereo TANÀNA FIALOKALOFANA.
Toy ny hoe ninia namono ihany izay ninia nanao zavatra nahafaty olona tsy mivantana na ninia nanao zavatra nety ho nahafaty olona. Raha efa zatra nanoto, ohatra, ny omby iray ka nahafaty olona, dia mety ho novonoina ny tompony satria tsy niraharaha fampitandremana ka tsy niambina an’ilay omby. Mety ho nanapa-kevitra anefa ny mpitsara hoe nekena ny vidim-panavotana nomeny, tamin’ny toe-javatra sasany. (Ek 21:29, 30) Novonoina ho faty koa izay nitetika ny hahafaty olon-kafa ka nijoro ho vavolombelona mandainga.—De 19:18-21.
Nahazo niaro tena ny Israelita, kanefa voafetra ny zon’izay niaro ny fananany. Meloka ho nandatsa-dra, ohatra, ny Israelita nahafaty mpangalatra tratrany namaky ny tranony tamin’ny antoandro. Tsy nomelohina ho faty mantsy ny mpangalatra, sady hita ny tarehiny ka azo notorina izy. Raha tamin’ny alina kosa no nisy nitsofoka tao an-trano, dia tsy hita tsara hoe inona no nataony na inona no tiany hatao. Tsy meloka àry izay nahafaty azy.—Ek 22:2, 3.
Ny Devoly no mpamono olona voalohany, ka azo lazaina hoe ‘zanany’ ireo nitady hamono an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. (Jn 8:44) Nandravaka ny fasan’ny olo-marina ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, ary nilaza fa tsy ho niombon-keloka tamin’ireo namono ny mpaminany. Te hamono an’ilay Zanak’Andriamanitra anefa izy ireo.—Mt 23:29-32; ampit. Mt 21:33-45; 22:2-7; As 3:14, 15; 7:51, 52.
Mitovy amin’ny hoe mamono olona ny mankahala. Avy ao am-po ny faniriana hamono olona. (Mt 15:19; Mr 7:21; ampit. Ro 1:28-32.) Mpamono olona àry izay mankahala ny rahalahiny. (1Jn 3:15) Toy ny hoe mamono olona koa, hoy i Kristy Jesosy, izay mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny, manevateva azy, na manivaiva azy hoe: “Ilay adala tsisy fotony ity!” (Mt 5:21, 22) satria mety hamono azy mihitsy. Manampy antsika izany hahazo ny tian’ny Jakoba 5:6 holazaina amin’ilay hoe: “Melohinareo sy vonoinareo ho faty ny olo-marina.” Nankahala sy nampijaly an’ireo tena Kristianina ny mpanankarena ratsy fanahy sasany, ary nisy aza novonoiny mihitsy. Toy ny hoe namono an’i Kristy Jesosy anefa ireo mpanankarena ireo, satria hoatran’ny hoe atao aminy ihany izay atao amin’ny rahalahiny. Mety ho izany àry no tian’i Jakoba holazaina amin’ilay hoe “vonoinareo ho faty ny olo-marina.”—Ampit. Jk 2:1-11; Mt 25:40, 45; As 3:14, 15.
Mety henjehina sy hovonoina ho faty noho ny fahamarinana ny mpianatr’i Kristy, kanefa tsy tokony hijaly satria hoe namono olona na nanao heloka bevava hafa.—Mt 10:16, 17, 28; 1Pe 4:12-16; Ap 21:8; 22:15.