FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sekely”
  • Sekely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sekely
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Vola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mina, Farantsa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • B14-B Ny Vola sy ny Lanjany
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Gera, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sekely”

SEKELY

(sekèly).

Lanja (1Sa 17:5, 7; Ezk 4:10; Am 8:5) sady sandam-bola hebreo. Ny vatomizana sekely 45 misy soratra no nahafantarana fa 11,4 g ny sekely iray. Gera 20 ny sekely iray (No 3:47; 18:16), ary voaporofo fa sekely 50 ny mina iray. (Jereo MINA, FARANTSA.) Mitentina 2,20 dolara ny sekely volafotsy, ary 128,45 dolara ny sekely volamena, raha atao kajikajy.

Matetika no volafotsy na volamena ny sekely. (1Ta 21:25; Ne 5:15) Sekely volafotsy (na indraindray volamena) no natao vola ka nolanjaina rehefa nivarotra na nividy, tamin’ny mbola tsy nisy ny vola madinika. (Ge 23:15, 16; Js 7:21) Notombanana “araka ny sekelin’ny toerana masina” indraindray ny vidin’ny zavatra nentina tao amin’ny tranolay masina. (Ek 30:13; Le 5:15; 27:2-7, 25) Angamba satria tokony ho marina tsara ilay lanja, na tokony hifanaraka tamin’ny vatomizana nampiasaina tao amin’ny tranolay masina.

Heverina fa sekely volafotsy, izay vola fampiasa tamin’izany, ireo “farantsa volafotsy” resahin’ny Soratra Hebreo matetika. (Mpts 16:5; 1Mp 10:29; Ho 3:2) Manamafy izany ny Targoma sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (teny grika iray ihany no ilazany ny “farantsa volafotsy” ao amin’ny Ge 20:16 sy ny “sekely” ao amin’ny Ge 23:15, 16). Novidin’i Jeremia “sekely fito sy farantsa volafotsy folo” ny saha iray. (Je 32:9) Fomba ofisialy ilazana hoe sekely volafotsy 17 (Prot., DIEM, JM) angamba izy io, na mety hoe sekely volamena 7 sy sekely volafotsy 10.

Mety ho hafa noho ny sekely mahazatra ilay hoe sekely “tao an-dapa”, na angamba vatomizana fampiasa tao an-dapa.​—2Sa 14:26.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara