FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fampisaraha-nono”
  • Fampisaraha-nono

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampisaraha-nono
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Isaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Reny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ely, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fampisaraha-nono”

FAMPISARAHA-NONO

Sarahi-nono ny zaza rehefa zarina tsy hinono intsony fa hihinana sakafo. Mazàna no nampinono nandritra ny fotoana elaela ny reny fahiny, raha tsy hoe tsy ampy nono angaha izy, na maty tampoka ka nanjary nilaina ny vehivavy mpampinono. (Ek 2:5-10) Fiovana be teo amin’ny fiainan’ny ankizikely ny fotoana nampisaraha-nono azy. (Is 11:8; 28:9) Fotoana nahafaly io, ary nisy nanao fanasambe mihitsy aza tamin’izany. Nanao izany, ohatra, i Abrahama rehefa nosarahi-nono i Isaka.​—Ge 21:8.

Nampinono ela kokoa ny reny tamin’izany, fa tsy toy ny reny ankehitriny any amin’ny tany maro. Efa lehibebe i Samoela rehefa nosarahi-nono, matoa azo najanona tamin’i Ely Mpisoronabe sy afaka nanompo tao amin’ny tranolay masina. (1Sa 1:24-28) Tsy maintsy ho efa telo taona na mihoatra izy, satria telo taona ny Levita vao nosoratana tao amin’ny tetirazana. (2Ta 31:16) Hoy i Raphael Patai momba ny ankizy arabo: “Nisy ankizy ninono hatramin’izy folo taona.” (Ny Fianakaviana sy ny Fitiavana ary ny Baiboly, Londres, 1960, p. 175) Dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izy nosarahi-nono.​—Jereo ISAKA.

Mety hoe tsy te hinono intsony ny zaza efa nosarahi-nono. Mbola mahatsiaro ho voaro sy afa-po ihany anefa izy, rehefa eny amin-dreniny. “Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny”, koa i Davida, ka efa nampitony sy nifehy ny faniriany. “Toy ny fanirian’ny zaza efa nisara-nono” ny faniriana tao anatiny. Inona no tiany holazaina? Toa efa nampitony sy nifehy ny faniriany ary nahatsiaro ho afa-po izy, satria tsy te ho ambony fa nanetry tena, sy tsy nirehareha, ary tsy nikatsaka ny ambony loatra. Nampirisihiny hanao toy izany koa ny Israely, ka hanetry tena sy ‘hiandry an’i Jehovah hatramin’ny fotoana tsy voafetra.’​—Sl 131:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara