FAHARI-PO
Ilazana toetran’olona miaritra zavatra mahasosotra na tsy rariny, nefa manantena foana hoe mbola hihatsara ny fifandraisana na dia simba aza teo aloha. Manana tanjona àry ny olona mahari-po: Mitsinjo an’izay hahasoa an’ilay nampisy olana izy. Tsy manala tsiny ny ratsy anefa ny hoe mahari-po. Tsy ilaina intsony ny mahari-po rehefa tratra ilay tanjona, na rehefa tsy miova ny toe-javatra ka tsy misy antony tokony hiaretana intsony. Mety hitondra soa na sazy ho an’ilay olona nahasosotra na nanao ratsy àry ny fahari-po, amin’ny farany. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy matiantoka mihitsy ilay nahari-po.
Ilay teny hebreo nadika hoe “tsy mora tezitra” (“mahari-po” ao amin’ny Baiboly sasany) dia midika ara-bakiteny hoe “halavan’ny vavorona [eo mantsy no ahitana hoe misafoaka ny olona iray].” (Ek 34:6; No 14:18; jereo FAHATEZERANA.) Midika ara-bakiteny hoe “fahalavan-tsaina” ny teny grika hoe makrôtymia (fahari-po). (Ro 2:4) Samy midika hoe maharitra, mandefitra ary tsy mora tezitra ireo teny hebreo sy grika ireo. Midika hoe “mandefitra, mizaka, mamela hisy, milefitra, ary mihafy” ilay teny malagasy hoe mahari-po. Ny olona mahari-po dia tsy hoe miaritra fijaliana sy olana fotsiny na mijaly elaela fotsiny, fa minia miaritra koa.
Asehon’ny Soratra Masina fa toetra tena tian’Andriamanitra ny fahari-po, ary hadalana ny tsy fananana azy io, sady miteraka olana. Toa tsy manana hazondamosina ny olona mahari-po. Tena mahay manavaka anefa izy, raha ny marina. “Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka, fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.” (Oh 14:29) Aleo olona mahari-po toy izay olona matanjaka, ary misy vokany tsara kokoa ny fahari-po. “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.”—Oh 16:32.
Mora tafihin’izao karazana eritreri-dratsy rehetra izao ny olona tsy mahari-po, satria mora tezitra sy tsy mahafehy tena. Mora manao zavatra tsy mety koa izy. “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Oh 25:28) “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” (Oh 29:11) Nampirisika an’izay tsy mahari-po àry ny olon-kendry iray hoe: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.”—Mpto 7:9.
Mahari-po i Jehovah. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy tao Horeba, rehefa avy nasehony azy ny sombin’ny voninahiny: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina.” (Ek 34:5-7) Tsy mora tezitra tokoa i Jehovah, ary niresaka imbetsaka momba izany i Mosesy, Davida, Nahoma, ary olon-kafa.—No 14:18; Ne 9:17; Sl 86:15; 103:8; Jl 2:13; Jo 4:2; Na 1:3.
Mifanaraka foana amin’ny fanehoan’i Jehovah an’ireo toetrany lehibe hafa (fitiavana, fanaovana ny rariny, fahendrena, ary hery) ny fanehoany fahari-po. (1Jn 4:8; De 32:4; Oh 2:6; Sl 62:11; Is 40:26, 29) Manao ny rariny, ohatra, izy ary noho ny anarany no tena anaovany izany. Tsy maintsy asandratra ho ambony noho ny anarana hafa rehetra eo amin’izao rehetra izao mantsy io anarana io, ary tena ilaina izany mba hahasoa ny zavaboariny rehetra. Mahari-po àry izy satria tokony hasandratra ny anarany. Hoy ny apostoly Paoly: “Ahoana raha toa Andriamanitra ka nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana, na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza izy? Ahoana raha nanao izany izy mba hampahafantarany ny harenan’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny hafa firenena koa?” (Ro 9:22-24) Noho izy mahari-po, dia maka olona avy amin’ireo firenena Andriamanitra mba hitondra ny anarany, ary misandratra eo amin’izao rehetra izao Izy noho ireo olona ireo.—As 15:14; 1Ko 3:9, 16, 17; 2Ko 6:16.
Efa hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona Andriamanitra no naneho fahari-po. Nikomy taminy mantsy ny mpivady voalohany ka nandika ny lalàny. Tena afaka nandringana azy ireo avy hatrany izy, nefa tsy nanao izany fa nahari-po kosa noho ny fitiavany. Nitsinjo an’ireo ho taranak’i Adama sy Eva koa izy, satria tena mila ny fahari-pony izy ireo (tsy ho voavonjy mantsy ny maro aminy raha tsy manam-paharetana Andriamanitra [2Pe 3:15]). Ny fisandratan’ny voninahiny amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina anefa no tena notsinjoviny. (Ge 3:15; Jn 3:16; Ga 3:16) Tsy tamin’izay ihany Andriamanitra no nahari-po, fa fantany koa hoe tsy maintsy hiaritra ny tsy fahalavorarian’ny olombelona mandritra ny an’arivony taona izy, ary hahari-po amin’ny tontolo iray handrafy azy, ka tsy hanasazy azy io avy hatrany. (Jk 4:4) Tsy azon’ny olona sasany hoe nahoana Andriamanitra no mahari-po, ary misy aza manararaotra izany hanaovan-dratsy. Manome tsiny an’Andriamanitra hoe ela loatra koa ny olona. Maneho faharetana noho ny fitiavany anefa Izy, raha ny marina.—Ro 2:4; 2Pe 3:9.
Ny fomba nitondran’Andriamanitra ny firenen’Israely no tena ahitana hoe mahari-po izy. (Ro 10:21) Imbetsaka izy no namela heloka azy ireo rehefa nanota izy ireo ka voasazy ary nibebaka. Novonoin’izy ireo ny mpaminany, ary novonoiny koa ny Zanak’Andriamanitra, tatỳ aoriana. Notoherin’izy ireo ny fitorian’i Jesosy sy ny apostoliny. Tsy very maina anefa ny fahari-pon’Andriamanitra, satria nisy Jiosy sisa tavela tsy nivadika taminy. (Is 6:8-13; Ro 9:27-29; 11:5) Nomen’Andriamanitra ny fanahiny masina ny sasany tamin’izy ireo mba hanoratra ny Teniny. (Ro 3:1, 2) Nahariharin’ilay Lalàna nomeny azy ireo fa mpanota ny olona rehetra, ka mila mpanavotra. Nasehon’ilay Lalàna koa hoe iza Ilay hanome ny ainy ho vidim-panavotana sy hasandratra ho Mpanjaka. (Ga 3:19, 24) Naseho an’ohatra koa ilay Fanjakan’i Kristy sy ny fisoronana hataony. (Kl 2:16, 17; He 10:1) Naseho antsika koa ireo ohatra tokony sy tsy tokony hotahafina. (1Ko 10:11; He 6:12; Jk 5:10) Ilain’ny olombelona izany rehetra izany mba hahazoany fiainana mandrakizay.—Ro 15:4; 2Ti 3:16, 17.
Tsy hahari-po mandrakizay i Jehovah. Mahari-po Andriamanitra, raha mbola mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahendreny izany. Matoa ilaina ny fahari-po rehefa misy zavatra mahasosotra na tsy rariny, dia mba ho afaka hiova sy hanitsy ny diany ireo nanao ratsy. Tsy manao ny rariny sy ny hitsiny intsony i Jehovah raha mbola mahari-po ihany, nefa efa miharihary fa tsy antenaina hiova intsony ireo nanao ratsy. Manao zavatra amim-pahendrena kosa izy amin’izay fotoana izay mba hanesorana ny ratsy. Tapitra hatreo ny faharetany.
Izany, ohatra, no nitranga talohan’ny Safodrano. Tafahoatra ny ratsy nataon’ny olona, ka hoy Andriamanitra: “Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny olona aho, satria nofo ihany izy. Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.” (Ge 6:3) Nohararaotin’ny Israely koa ny fahari-pon’i Jehovah, tatỳ aoriana. Hoy i Isaia: “Nikomy anefa izy ireo, ka nanao izay hampalahelo ny fanahiny masina. Koa nanjary fahavalon’izy ireo izy ka niady taminy.”—Is 63:10; ampit. As 7:51.
Iangaviana àry ny Kristianina mba ‘tsy hanadino ny zava-kendren’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra’, rehefa avy nanaiky azy io. (2Ko 6:1) Nilazana koa izy ireo hoe: “Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra” (Ef 4:30), sy hoe: “Aza mamono ny afon’ny fanahy.” (1Te 5:19) Raha tsy manaraka izany izy ireo, dia hanota amin’ny fanahy masina sy hanevateva azy io, ka haniratsira azy io mihitsy. Fandringanana àry sisa no miandry azy ireo, fa tsy misy famelan-keloka intsony.—Mt 12:31, 32; He 6:4-6; 10:26-31.
Jesosy Kristy. Nasehon’i Jesosy ny atao hoe fahari-po tamin’izy tetỳ an-tany. Hoy i Isaia mpaminany momba azy: “Voageja mafy sy nanaiky hampahorina izy, nefa tsy niloa-bava akory. Nentina toy ny ondry hovonoina izy, ary tsy niloa-bava toy ny ondrivavy izay nanjary moana teo anoloan’ny mpanety azy.” (Is 53:7) Nizaka ny fahalemen’ny apostoliny izy, ary niaritra rehefa niteny ratsy sy tsy nanaja azy ny fahavalo nasiaka sy ratsy toetra. Tsy namaly faty anefa izy, na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony. (Ro 15:3) Nanariny kosa aza ny apostoly Petera, satria tsy nisaina tsara ka nanapaka ny sofin’i Malko. Hoy izy taminy: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao ... Sa heverinao fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao ankehitriny izao ihany aho dia handefasany anjely maro be mihoatra noho ny andian-tafika roa ambin’ny folo? Raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?”—Mt 26:51-54; Jn 18:10, 11.
Nahoana ny Kristianina no tokony hiezaka hahari-po?
Hitantsika teo fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fahari-po. Vokatry ny fanahiny izy io. (Ga 5:22) Natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ny olona, ka azo lazaina hoe efa mahari-po ary mbola afaka mampitombo izany rehefa mankatò ny Tenin’Andriamanitra sy manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina. (Ge 1:26, 27) Ampirisihina àry ny Kristianina hiezaka hampitombo an’io toetra io, sy haneho azy io. (Kl 3:12) Toetra mampiavaka ny tena mpanompon’Andriamanitra izy io. (2Ko 6:4-6) Ampirisihin’i Paoly izy ireo mba “hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1Te 5:14) Nilaza izy fa tena mila mahari-po izy ireo mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tsy tena mahari-po ny olona raha sady mimenomenona no be taraina. Tokony “haneho fahari-po amim-pifaliana” kosa ny Kristianina.—Kl 1:9-12.
Mahafaly ny maneho fahari-po, sady ahazoana valisoa lehibe hafa. Novalian-tsoa ny fahari-pon’i Jehovah satria nomem-boninahitra ny anarany. Voaporofo koa fa marina i Jehovah, satria hita fa diso ilay fiampangana hoe tsy manana zo hitondra izy sady tsy mahay mitondra. (Ge 3:1-5; Jb 1:7-11; 2:3-5) Ahoana raha naringany i Adama sy Eva ary Satana raha vao nikomy? Mety ho nisy nihevitra hoe nanana ny marina i Satana, raha izany. Mahari-po anefa i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaporofo zavatra maro rehefa iharam-pitsapana. Afaka manaporofo, ohatra, izy ireo hoe tiany ny fomba fitondran’i Jehovah, ary maniry hanompo azy izy ireo satria tsara toetra Izy. Afaka manaporofo koa izy ireo hoe aleony manaiky ny fitondran’i Jehovah toy izay hahaleo tena tanteraka. Miaiky mantsy izy ireo fa ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra.—Sl 84:10.
Nahazo valisoa tena tsara koa i Jesosy Kristy, satria nahari-po ary nankatò an’Andriamanitra. Nasandratry ny Rainy ho amin’ny toerana ambony izy ka lasa mpanjaka, ary nomena “anarana ambony noho ny hafa rehetra.” (Fi 2:5-11) Nahazo valisoa hafa koa izy, satria nahazo ‘vady’, izay tsy iza fa ireo rahalahiny voahosotra oharina amin’ny “ampakarina.” Antsoina hoe Jerosalema Vaovao ilay ‘ampakariny’, ary aseho ho toy ny tanàna. Misoratra eo amin’ireo vato fototr’io tanàna io ny anaran’izy 12 lahy apostolin’ny Zanak’ondry.—2Ko 11:2; Ap 21:2, 9, 10, 14.
Mahazo valisoa maro koa izay rehetra miezaka hahari-po bebe kokoa, sady maneho izany foana mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra. (He 6:11-15) Mahatsiaro ho afa-po izy ireo satria manahaka ny toetran’Andriamanitra sy manao ny sitrapony ary mahazo sitraka aminy. Hisy vokany koa ny fahari-pon’izy ireo rehefa manampy olona hahalala an’Andriamanitra sy hahazo fiainana mandrakizay izy ireo.—1Ti 4:16.