FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lavaka Mangitsokitsoka”
  • Lavaka Mangitsokitsoka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lavaka Mangitsokitsoka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Torotoroina ny Lohan’ilay Menarana
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Abadona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Lakile
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lavaka Mangitsokitsoka”

LAVAKA MANGITSOKITSOKA

Avy amin’ny teny grika hoe abyssôs, midika hoe “faran’izay lalina” (Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao nataon’i Parkhurst, Londres, 1845, p. 2), na “tsy voarefy, tsy misy fetra” (Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, Oxford, 1968, p. 4). Abyssôs foana no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny teny hebreo hoe tehôhm (rano lalina).​—Ge 1:2; 7:11.

Miseho intsivy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe abyssôs ka impito ao amin’ny Apokalypsy. Avy tao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” ireo valala an’ohatra nobaikoin’i Abadona na Apolyona mpanjakany (antsoina hoe “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka”) (Ap 9:1-3, 11), sy ilay “bibidia” niady tamin’ireo ‘vavolombelona roa’ mpanompon’Andriamanitra sy namono azy ireo (Ap 11:3, 7). Hatsipy ao amin’io lavaka io i Satana, ary hogadraina ao arivo taona. (Ap 20:1-3) Efa nisy demonia niangavy an’i Jesosy mba tsy handefa azy ireo tao amin’io lavaka io.​—Lk 8:31.

Heviny ao amin’ny Baiboly. Tsy ny teny hebreo hoe sheʼôhl no nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe abyssôs. Tsy midika hoe Sheôl sy Haides, na ny fasana eto an-tany misy ny maty rehetra, àry io teny grika io, satria hatsipy ao ny anjely. (Jb 17:13-16; jereo HAIDES; SHEÔL.) Tsy ny “farihy afo” koa ny hoe abyssôs, satria hovahana avy ao amin’ilay lavaka mangitsokitsoka i Satana vao hatsipy ao amin’ny farihy afo. (Ap 20:1-3, 7-10) Nilaza koa i Paoly fa tany amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Kristy. (Ro 10:7) Tsy ny “farihy afo” àry ilay lavaka, sady tsy ny Tartara koa.​—Jereo TARTARA.

Hoy ny Romanina 10:6, 7: “Izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin’ny finoana: ‘Aza manao anakampo hoe: “Iza no hiakatra any an-danitra?”, izany hoe mba hampidina an’i Kristy, na hoe: “Iza no hidina any amin’ny lavaka mangitsokitsoka?”, izany hoe mba hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty.’” (Ampit. De 30:11-13.) Ny toerana nisy an’i Kristy Jesosy nandritra ny telo andro àry ilay “lavaka mangitsokitsoka” eo, ary avy tao izy no natsangan’ny Rainy tamin’ny maty. (Ampit. Sl 71:19, 20; Mt 12:40.) “Fonja” io lavaka io. (Ap 20:7) Toy ny tao am-ponja tokoa i Jesosy rehefa maty satria tsy afaka nanao na inona na inona.​—Ampit. As 2:24; 2Sa 22:5, 6; Jb 38:16, 17; Sl 9:13; 107:18; 116:3.

Izao no fanazavana ny fototeny midika hoe “tsy voarefy” ilazana an’ilay “lavaka mangitsokitsoka” resahin’ny Romanina 10:6, 7: “Tian’i Md. Paoly holazaina fa midadasika be io toerana io, ka tsy ho voatety mihitsy.” (Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Fitsipi-pitondran-tena, nataon’i Hastings, 1913, Boky I, p. 54) Nasongadin’i Paoly fa tsy afaka ny ho any “an-danitra” na ho any amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” ny rehetra, fa afaka ny ho olo-marina kosa raha mino. Mariho koa ny nampiasany ny teny hoe batôs ao amin’ny Romanina 11:33 hoe: “Lalina [batôs] tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Jereo koa 1Ko 2:10; Ef 3:18, 19.) Mifanaraka amin’ny Romanina 10:6, 7 àry, dia tsy misy afaka mankany amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” afa-tsy Andriamanitra sy ilay anjely manana “ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” (Ap 20:1) Midika koa hoe “toerana babangoana tsy hita fetra” ny hoe abyssôs.​—Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, p. 4.

Nadika hoe “lavaka be mangitsokitsoka” ny endriny milaza maro amin’ny teny hebreo hoe metsôhlah (na metsolah) (a.b.t.: ireo lavaka mangitsokitsoka; lalina) (Sl 88:6; ampit. Za 10:11), ary iray tarika amin’ny hoe tsolah, midika hoe “rano lalina.”​—Is 44:27.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara