FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/2 p. 16-17
  • Momba ny Vavaka Henoin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Momba ny Vavaka Henoin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra?
  • Inona no tokony hangatahintsika?
  • Tokony hivavaka ho an’ny hafa ve isika?
  • Nahoana isika no tokony haharitra amin’ny vavaka?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/2 p. 16-17

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Vavaka Henoin’Andriamanitra

Matetika i Jesosy no nitady toerana nitokana mba hivavahana, ary nasainy nanao toy izany koa ny mpanara-dia azy. Hoy ny Baiboly: “Nivavaka tao amin’ny toerana iray i Jesosy, indray mandeha. Koa rehefa nitsahatra izy, dia hoy ny mpianany anankiray: ‘Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay’ ... Hoy izy tamin’ireo: ‘Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao.” ’ ” (Lioka 5:16; 11:1, 2) Nasehon’i Jesosy àry fa tokony havantana amin’i Jehovah Rainy ny vavaka. Izy ihany mantsy no Mpamorona antsika sady “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra?

Tsy tian’Andriamanitra ny vavaka atao tsianjery sy averimberina. Hoy i Jesosy: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.’ (Matio 6:7) Tokony ho avy ao am-po ny resaka ataontsika amin’ilay Raintsika any an-danitra. Rehefa niresaka tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy, indray mandeha, dia nasongadiny fa ny vavaka nataon’ny mpanota iray tena te hiova no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny lehilahy iray nitandrina be ny fombafombam-pivavahana nefa niavonavona. (Lioka 18:10-14) Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra àry ny vavaka ataontsika, dia tokony hanetry tena isika ka hiezaka hanaraka izay lazainy. Na i Jesosy aza nilaza hoe: “Araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany ... Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:28, 29) Nivavaka izy hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.”—Lioka 22:42.

Inona no tokony hangatahintsika?

Notevatevaina ny anaran’Andriamanitra, ka nilaza i Jesosy hoe: “Mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!’ ” (Matio 6:9, 10) Tokony hangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, satria io fitondrana io no hampiasainy hanatanterahana ny sitrapony any an-danitra sy etỳ an-tany. Nilaza i Jesosy fa afaka mangataka ‘ny hanina ilaintsika anio’ isika. Azontsika resahina amin’i Jehovah koa ny momba ny asa, trano, fitafiana, fahasalamana, ary ny zavatra hafa. Ankoatra izany, dia nilaza i Jesosy fa tokony hangataka famelan-keloka isika.—Lioka 11:3, 4.

Tokony hivavaka ho an’ny hafa ve isika?

Nanao izany i Jesosy. Hoy ny Baiboly: “Nisy zaza nentina teo aminy mba hametrahany tanana sy hanaovany vavaka.” (Matio 19:13) Hoy izy tamin’ny apostoly Petera: ‘Efa nitalaho ho anao aho mba tsy ho levona ny finoanao.’ (Lioka 22:32) Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hivavaka ho an’ny hafa, eny fa na dia ireo manenjika sy manivaiva azy ireo aza.—Matio 5:44; Lioka 6:28.

Nahoana isika no tokony haharitra amin’ny vavaka?

Nanokana fotoana hivavahana i Jesosy ary nampirisika ny mpanara-dia azy “hivavaka foana, ka tsy hitsahatra.” (Lioka 18:1) Manasa antsika tsy hitsahatra hiresaka aminy momba izay mampanahy antsika i Jehovah, satria tiany hatoky azy isika. Hoy i Jesosy: “Mangataha foana dia homena ianareo.” Tsy midika akory izany hoe tsy vonona hamaly ny vavak’ireo tia sy manaja azy toy ny Ray i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!”—Lioka 11:5-13.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 17.a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara