FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hevi-diso 1: Tsy Mety Maty ny Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Novambra
    • Hevi-diso 1: Tsy Mety Maty ny Fanahy

      Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

      Milaza Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy, 1988), Boky Faha-11, pejy 25, fa lasa neken’ireo filozofa kristianina voalohany ny finoan’ny Grika hoe vao miforona ao an-kibo ny olona dia manana fanahy tsy mety maty.

      Inona no lazain’ny Baiboly?

      “Miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.”—Salamo 146:4, Fandikan-teny Protestanta.

      Milaza koa ny Baiboly fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. Lazainy fa tsy afaka mitia na mankahala izy ireo, ary “tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita” na Fasana. (Mpitoriteny 9:5, 6, 10, Prot.) Maty tanteraka àry isika rehefa maty. Toy ny afon-dabozia ny aintsika. Tsy mandeha na aiza na aiza ilay afo rehefa maty, fa tsy misy intsony fotsiny.

      Ny finoana hoe tsy mety maty ny fanahy no nampipoitra an’ireto fanontaniana ireto: Mankaiza ny fanahin’ireo maty? Inona no mitranga amin’ny ratsy fanahy rehefa maty izy ireo? Nanjary nanaiky hevi-diso hafa ireo milaza azy ho Kristianina, rehefa nino hoe tsy mety maty ny fanahy. Tsy inona izany fa ny afobe.

      Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Genesisy 3:19; Mpitoriteny 3:19, 20; Matio 10:28

      NY MARINA:

      Tsy misy intsony ny olona rehefa maty

  • Hevi-diso 2: Ampijalina any Amin’ny Afobe ny Ratsy Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Novambra
    • Hevi-diso 2: Ampijalina any Amin’ny Afobe ny Ratsy Fanahy

      Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

      “Amin’ireo filozofa grika rehetra, dia i Platon no tena nahatonga olona maro hino ny Afobe.”—Tantaran’ny Afobe (frantsay), nataon’i Georges Minois, pejy 50.

      “Nihevitra ireo Kristianina nianatra filozofia grika, fa tokony hampifanarahana amin’izy io ny fomba anazavany ny finoany. Nanomboka nanao izany izy ireo teo antenatenan’ny taonjato faharoa ... Ny fampianaran’i Platon no hitan’izy ireo fa nety tsara mba hanaovana izany.”—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1988), Boky Faha-25, pejy 890.

      Hoy ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy), fanontana 1994, pejy 270: “Ampianarin’ny Eglizy fa tena misy ny afobe sady maharitra mandrakizay. Rehefa maty ny olona nanao fahotana mahafaty, dia midina any avy hatrany ny fanahiny, ka ampijalina mandrakizay ao amin’ny ‘afo tsy mety maty.’ ” “Ny afobe dia sazy lehibe isarahana mandrakizay amin’Andriamanitra.”—Katesizin’ny Fiangonana Katôlika, nofintinina, Edisiôna Md Paoly, Boky Faha-3, pejy 43.

      Inona no lazain’ny Baiboly?

      “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ... fa tsy misy asa na fahalalana, na fahaizana, na fahendrena any amin’ny seoly izay halehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10, Fandikan-teny Katolika.

      Adikan’ny Baiboly sasany hoe “afobe” ilay teny hebreo hoe seoly, izay manondro ny “fonenan’ny maty.” Manao ahoana anefa ny maty, araka io andininy io? Mijalijaly any amin’ny seoly ve izy ireo, mba hanonerana ny fahotany? Tsia, satria “tsy mahalala na inona na inona” izy ireo. Izany no antony niangavian’i Joba an’Andriamanitra mba ‘hanafina azy any amin’ny fonenan’ny maty’, rehefa nijaly mafy noho ny aretina izy. (Joba 14:13, Kat.) Ho niangavy toy izany ve izy raha toerana fampijaliana mandrakizay ny fonenan’ny maty, na seoly? Ny fasana misy ny maty rehetra àry ny seoly, na afobe. Tsy afaka manao na inona na inona intsony ny maty rehefa any.

      Tsy hitanao hoe mitombina sy mifanaraka kokoa amin’ny Baiboly ve izany? Na dia ratsy toy inona aza ny heloka vitan’ny olona iray, dia hampijaly azy mandrakizay ve ilay Andriamanitra fitiavana? (1 Jaona 4:8) Raha diso àry ny fampianarana momba ny afobe, ahoana kosa ny momba ny lanitra?

      Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Salamo 146:3, 4; Asan’ny Apostoly 2:25-27; Romanina 6:7, 23

      NY MARINA:

      Tsy manasazy ny olona any amin’ny afobe Andriamanitra

  • Hevi-diso 3: Mankany An-danitra Daholo ny Tsara Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Novambra
    • Hevi-diso 3: Mankany An-danitra Daholo ny Tsara Fanahy

      Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

      Nihanalaza ireo Rain’ny Eglizy rehefa maty ny apostolin’i Jesosy, tany am-piandohan’ny taonjato faharoa. Milaza ny Rakipahalalana Katolika Vaovao fa izao no tena nampianarin’izy ireo: “Mahazo fiainan-tsambatra any an-danitra avy hatrany ny fanahin’ireo maty, rehefa avy nandalo fanadiovana.”—anglisy (2003), Boky Faha-6, pejy 687.

      Inona no lazain’ny Baiboly?

      “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5.

      Marina fa nampanantena an’ireo mpianany i Jesosy hoe “hanomana toerana” ho azy ireo any an-danitra izy. Tsy nilaza anefa izy fa ho any daholo ny olo-marina. (Jaona 3:13; 14:2, 3) Nivavaka koa izy mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ‘etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’ (Matio 6:9, 10) Misy toerana roa samy hafa àry azon’ny olo-marina antenaina. Hisy vitsivitsy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, fa hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny ankamaroany.—Apokalypsy 5:10.

      Rehefa nandeha ny fotoana, dia niova ny fiheveran’ny fiangonana ny anjara asany eto an-tany. Inona no vokany? ‘Tsy niandry ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra intsony ny fiangonana, fa naka tsikelikely ny toeran’izy io kosa’, hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao. Nanomboka nanamafy ny fahefany àry ny fiangonana, ka nanao politika. Tsy noraharahainy ny tenin’i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 15:19; 17:14-16; 18:36) Noho ny fitaoman’i Constantin Mpanjaka Romanina, dia nampandeferin’ny fiangonana ny zavatra sasany ninoany, anisan’izany ny momba an’Andriamanitra.

      Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Salamo 37:10, 11, 29; Jaona 17:3; 2 Timoty 2:11, 12

      NY MARINA:

      Hiaina mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ireo tsara fanahy, fa tsy ho any an-danitra

      Fianakaviana sambatra ao amin’ny Paradisa

  • Hevi-diso 4: Telo Izay Iray Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Novambra
    • Hevi-diso 4: Telo Izay Iray Andriamanitra

      Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

      ‘Hoatran’ny hoe fampianarana nipoitra tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 àry ny hoe Andriamanitra tokana olona telo. Marina ihany anefa izany. Efa tamin’ny faran’ny taonjato faha-4 vao voafaritra tsara sy tena neken’ny Kristianina ary lasa foto-pinoany ny hoe “Andriamanitra tokana olona telo.” ’—Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-14, pejy 299.

      ‘Natao tamin’ny 20 Mey 325 ilay Konsily tany Nicée. I Constantin mihitsy no nitarika ny fivoriana sy ny adihevitra. Izy koa no nanolotra an’ilay hevi-dehibe hoe “mitovy amin’ny Ray” [ny Zanaka]. Io no namaritana ny fifandraisan’i Kristy amin’Andriamanitra, tao amin’ilay fanekem-pinoana navoakan’ilay konsily. Tsy nanaiky an’ilay hevitra ny ankamaroan’ireo eveka, saingy noho ny tahotra ny mpanjaka, dia nanao sonia izy rehetra, afa-tsy ny roa monja.’—Rakipahalalana Britannica (anglisy, 1970), Boky Faha-6, pejy 386.

      Inona no lazain’ny Baiboly?

      “Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jeso nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 7:55, 56, Kat.

      Inona no asehon’io fahitana io? Feno ny fanahin’Andriamanitra i Etiena, na Stefana, ka nahita an’i Jesosy “nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra.” Rehefa niakatra tany an-danitra àry i Jesosy, dia tsy hoe lasa Andriamanitra izy. Tsy voalaza eo mihitsy koa hoe nisy olona fahatelo teo anilan’Andriamanitra. Nitady andinin-teny manaporofo hoe telo izay iray Andriamanitra, i Marie-Émile Boismard, pretra katolika. Niaiky toy izao anefa izy tao amin’ilay bokiny hoe Ny Niandohan’ny Fivavahana Kristianina sy ny Foto-pinoana (frantsay): “Tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao ilay hoe tokana olona telo Andriamanitra.”

      Nokendrena hampitsahatra ilay disadisa teo anivon’ny Eglizy tamin’ny taonjato fahefatra, ilay foto-pinoana naroson’i Constantin. Nampipoitra izao adihevitra izao anefa izy io: “Renin’Andriamanitra” ve i Maria, ilay niteraka an’i Jesosy?

      Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Matio 26:39; Jaona 14:28; 1 Korintianina 15:27, 28; Kolosianina 1:15, 16

      NY MARINA:

      Fampianarana nipoitra tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 ny hoe telo izay iray Andriamanitra

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara