FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 15/12 p. 11-15
  • Asehoy fa Mandroso Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asehoy fa Mandroso Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no ahitana fa mandroso isika?
  • Modely eo amin’ny teny
  • Tsara sy madio fitondran-tena
  • Tena ilaina ny fitiavana sy ny finoana
  • Miezaha mafy mba hiseho ny fandrosoanao
  • Ry Tanora, Asehoy fa Mandroso Ianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Aoka Hiharihary ny Fandrosoanao
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 15/12 p. 11-15

Asehoy fa Mandroso Ianao

“Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.”—1 TIM. 4:15.

1, 2. Inona no fantatsika momba an’i Timoty tamin’izy mbola kely, sy tamin’izy 20 taona teo ho eo?

TANY amin’ilay faritany romanina atao hoe Galatia, na Torkia ankehitriny, i Timoty no nipetraka. Nisy fiangonana kristianina vitsivitsy tany, am-polony taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Lasa Kristianina i Timoty sy ny reniny ary ny renibeny, tamin’i Timoty mbola kely, ary narisika teo anivon’ny fiangonana izy ireo. (2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Azo antoka fa nahafinaritra an’i Timoty ny niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny fiangonany. Niova tampoka anefa izany.

2 Nitsidika fanindroany an’ilay faritra nisy azy ireo ny apostoly Paoly tamin’izay, ary 20 taona teo ho eo angamba i Timoty. Voamarik’i Paoly nandritra ny fitsidihany tany Lystra, fa “tsara laza teo amin’ireo rahalahy” i Timoty. (Asa. 16:2) Hita hoe matotra izy na dia mbola tanora aza. Notarihin’ny fanahy masina àry i Paoly sy ireo anti-panahy teo an-toerana, ka nametra-tanana taminy mba hanokanana azy hanao asa manokana teo anivon’ny fiangonana.—1 Tim. 4:14; 2 Tim. 1:6.

3. Inona no fanompoana manokana nampanaovina an’i Timoty?

3 Nasain’i Paoly hiara-dia taminy i Timoty. (Asa. 16:3) Azo inoana fa faly sy nientanentana erỳ i Timoty! Niara-dia tamin’i Paoly na tamin’ny rahalahy hafa izy nandritra ny taona maro, ary namita an’izay iraka nampanaovin’ireo apostoly sy ireo anti-panahy azy. Niara-nitety faritany i Paoly sy Timoty, ary tena nampahery an’ireo rahalahy ny fitsidihan’izy ireo. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5.) Nanjary fantatry ny Kristianina maro àry i Timoty noho izy nandroso tsara. Rehefa avy niara-niasa folo taona teo ho eo izy mianaka, dia hoy i Paoly tamin’ny Filipianina: ‘Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra [amin’i Timoty], izay tena hikarakara ny momba anareo. Fantatrareo fa efa nanaporofo izy hoe mendrika ny tenany. Tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy mantsy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.’—Fil. 2:20-22.

4. a) Inona no andraikitra mavesatra nankinina tamin’i Timoty? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka, noho ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 4:15?

4 Nanankinan’i Paoly andraikitra mavesatra i Timoty tamin’izay, dia ny hanendry anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Tim. 3:1; 5:22) Porofo izany fa lasa mpiandraikitra mendri-pitokisana i Timoty. Nampirisihin’i Paoly koa anefa izy mba ‘hampiseho amin’ny rehetra ny fandrosoany.’ (1 Tim. 4:15) Fa nahoana? Moa ve tsy efa nasehony hoe tena nandroso tsara izy? Inona àry no tian’i Paoly holazaina, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’izany?

Ahoana no ahitana fa mandroso isika?

5, 6. Inona no nitranga tao amin’ny fiangonan’i Efesosy, ary ahoana no nahafahan’i Timoty niaro azy io?

5 Andeha hodinihintsika ny teny manodidina ny 1 Timoty 4:15. (Vakio ny 1 Timoty 4:11-16.) Nankany Makedonia i Paoly talohan’ny nanoratany ireo teny ireo, fa i Timoty kosa nasainy nijanona tany Efesosy. Fa nahoana? Satria nisy nampianatra hevi-diso tao amin’ilay fiangonana tany, ka niteraka fisaratsarahana. Nasaina niaro ny fahadiovan’ilay fiangonana àry i Timoty. Tamin’ny fomba ahoana? Nila nanome modely ho an’ny hafa izy.

6 Hoy i Paoly taminy: ‘Aoka ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.’ Hoy koa izy: “Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” (1 Tim. 4:12, 15) Ny toetran’i Timoty sy ny fitondran-tenany àry no nahitana ny fandrosoany, fa tsy ny fahefana nananany. Fandrosoana amin’izany lafiny izany koa no tokony hasehontsika tsirairay.

7. Inona no tokony hataon’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana?

7 Misy andraikitra samihafa eo anivon’ny fiangonana ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Timoty ihany. Ao, ohatra, ny andraikitry ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Ao koa ireo mpisava lalana, mpiandraikitra mpitety faritany, mpiasan’ny Betela, ary misionera. Mampianatra koa ny anti-panahy, toy ny rehefa eny amin’ny fivoriambe. Ny Kristianina rehetra anefa no afaka mampiseho ny fandrosoany, na lahy izy na vavy, na kely na lehibe. (Mat. 5:16) Na ny Kristianina manana andraikitra aza, dia tokony hampiseho ny fandrosoany amin’ny rehetra, toy ny nataon’i Timoty.

Modely eo amin’ny teny

8. Inona no lazain’i Jakoba fa mety ho vokatry ny tenintsika?

8 Tokony ho modely teo amin’ny teny i Timoty. Ahoana koa no ahitana fa mandroso isika amin’io lafiny io? Mampiharihary ny maha isika antsika ny teny lazaintsika. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Niaiky koa i Jakoba rahalahiny fa misy vokany eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny tenintsika. Hoy izy: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.”—Jak. 1:26.

9. Inona no tokony hataontsika mba ho modely eo amin’ny teny isika?

9 Ny teny ataontsika no ahitan’ny hafa eo anivon’ny fiangonana ny fandrosoana vitantsika. Miezaka mampahery sy mampionona àry ny Kristianina matotra, fa tsy manao teny mandratra na miteny ratsy, na miresaka zavatra mahakivy foana, na be fanakianana. (Ohab. 12:18; Efes. 4:29; 1 Tim. 6:3-5, 20) Tokony ho vonona foana koa isika hiresaka momba ny zavatra inoantsika sy hiaro ny fitsipiky ny Baiboly. Ho hita amin’izany fa mahafoy tena ho an’Andriamanitra isika. (Rom. 1:15, 16) Ho voamariky ny olona tso-po ny teny lazaintsika, ka mety hanahaka antsika izy ireo.—Fil. 4:8, 9.

Tsara sy madio fitondran-tena

10. Nahoana no tena ilaina ny finoana tsy mihatsaravelatsihy?

10 Tsy ampy ny manao teny mampahery, raha tiana ny ho modely ho an’ny hafa. Mpihatsaravelatsihy mantsy izay milaza zavatra tsara nefa tsy manao izany akory. Fantatr’i Paoly tsara ny fihatsarambelatsihin’ireo Fariseo sy ny voka-dratsin’izany, ka imbetsaka izy no nampitandrina an’i Timoty momba an’io toetra io. (1 Tim. 1:5; 4:1, 2) Tsy mpihatsaravelatsihy anefa i Timoty. Izao mantsy no nosoratan’i Paoly taminy: ‘Tsaroako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy anananao.’ (2 Tim. 1:5) Nila nasehon’i Timoty tamin’ny hafa ihany anefa fa Kristianina tsy nihatsaravelatsihy izy. Tokony ho modely teo amin’ny fitondran-tena àry izy.

11. Inona no nosoratan’i Paoly momba ny fitiavan-karena?

11 Nanome torohevitra maromaro momba ny fitondran-tena i Paoly ao amin’ireo taratasiny roa ho an’i Timoty. Notoroany hevitra izy, ohatra, mba tsy hikatsaka harena. Hoy i Paoly: ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ (1 Tim. 6:10) Porofon’ny tsy fahamatorana ny fitiavan-karena. Hita hoe matotra kosa ny Kristianina mianina amin’ny fiainana tsotra, ka afa-po rehefa “manan-kanina sy fitafiana ary fialofana.”—1 Tim. 6:6-8; Fil. 4:11-13.

12. Ahoana no ampisehoantsika eo amin’ny fiainantsika fa mandroso isika?

12 Nilaza koa i Paoly fa tokony “hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny vehivavy kristianina. (1 Tim. 2:9) Fakan-tahaka àry ny vehivavy iray, raha maotina sy mampiseho fahendrena ny fitafiany sy ny taovolony ary ny safidy hafa ataony eo amin’ny fiainany. (1 Tim. 3:11) Natao ho an’ny lehilahy koa io toro lalana io. Nampirisihin’i Paoly ireo mpiandraikitra mba ‘hahay handanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony, hisaina tsara, ho tia filaminana.’ (1 Tim. 3:2) Hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoantsika, rehefa maneho ireo toetra ireo isika eo amin’ny fiainana andavanandro.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa madio fitondran-tena isika?

13 Tokony hadio fitondran-tena koa i Timoty, ka ho modely ho an’ny hafa. Ny momba ny firaisana no tian’i Paoly hasongadina eto. Tsy tokony hisy tsininy ny fitondran-tenan’i Timoty, indrindra teo amin’ny fifandraisany tamin’ny vehivavy. Tokony hitondra an’ireo “vehivavy zokiolona toy ny reny” izy, ary “ny tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.” (1 Tim. 4:12; 5:2) Na dia afenina aza ny fitondran-tena ratsy, dia fantatr’Andriamanitra izany, ary tsy maintsy ho fantatr’olona koa amin’ny farany. Tsy takona afenina koa anefa ny asa tsara ataon’ny Kristianina. (1 Tim. 5:24, 25) Ny rehetra eo anivon’ny fiangonana àry no afaka mampiseho ny fandrosoany rehefa tsara sy madio fitondran-tena.

Tena ilaina ny fitiavana sy ny finoana

14. Inona avy no andinin-teny manasongadina fa ilaintsika ny mifankatia?

14 Anisan’ny mampiavaka ny tena Kristianina ny fitiavana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ahoana no anehoantsika an’izany? Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hifampizaka amim-pitiavana”, ‘ho tsara fanahy amin’ny namantsika avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka’, ary ho tia mandray vahiny. (Efes. 4:2, 32; Heb. 13:1, 2) Hoy koa ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.”—Rom. 12:10.

15. Nahoana no tena ilaina ny fitiavana, indrindra ho an’ny mpiandraikitra kristianina?

15 Mpiandraikitra sy mpampianatra nanao tsara ny asany i Timoty. Ho very maina anefa izany rehetra izany, raha nasiaka sy ratsy fanahy tamin’ny Kristianina hafa izy. (Vakio ny 1 Korintianina 13:1-3.) Tia ny rahalahiny sy nanao soa tamin’izy ireo kosa izy ary tia nandray vahiny, ka hita tamin’izany ny fandrosoany. Rariny àry raha nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty, fa tokony ho modely teo amin’ny fitiavana koa izy.

16. Nahoana no nila finoana matanjaka i Timoty?

16 Notsapaina ny finoan’i Timoty tamin’izy tao Efesosy. Nisy nampianatra zavatra nifanohitra tamin’ny fahamarinana mantsy tao. Nisy koa nampiely “tantara tsy marina” na nikaroka hevitra izay tsy nampandroso an’ilay fiangonana. (Vakio ny 1 Timoty 1:3, 4.) Nilaza i Paoly fa “olona mieboebo izy [ireny], ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalam-panontaniana sy adihevitra momba ny teny.” (1 Tim. 6:3, 4) Tokony ho nahaliana an’i Timoty ve ireny hevitra nitsofoka teo anivon’ny fiangonana ireny? Tsia! Nampirisika azy mantsy i Paoly mba ‘hiady ny ady tsaran’ny finoana’ sy hanalavitra “ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka.” (1 Tim. 6:12, 20, 21) Azo antoka fa narahin’i Timoty izany torohevitra izany.—1 Kor. 10:12.

17. Inona no mety hitsapa ny finoantsika?

17 Nilazana i Timoty fa “hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.” (1 Tim. 4:1) Mila manana finoana matanjaka toa an’i Timoty àry isika rehetra eo anivon’ny fiangonana, anisan’izany ireo manana andraikitra. Hiharihary ny fandrosoantsika ary ho modely eo amin’ny finoana isika, raha lavintsika avy hatrany ny hevitry ny mpivadi-pinoana.

Miezaha mafy mba hiseho ny fandrosoanao

18, 19. a) Ahoana no ampisehoanao amin’ny rehetra ny fandrosoanao? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Tsy miankina amin’ny taona na fahaizana na andraikitra tanana àry ny tena fandrosoan’ny Kristianina. Tsy voatery hoe mandroso koa izay efa nanompo an-taonany maro teo anivon’ny fiangonana. Izay mankatò an’i Jehovah kosa no tena mandroso. Tokony ho hita taratra eo amin’ny fomba fisainany sy ny fiteniny ary ny fitondran-tenany izany. (Rom. 16:19) Tokony hifankatia sy hiezaka hanana finoana matanjaka koa isika. Aoka àry isika hieritreritra tsara an’ireo tenin’i Paoly ho an’i Timoty, ary hifantoka tanteraka amin’izany mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoantsika.

19 Toetra iray ahitana ny fandrosoantsika sy ny fahamatorantsika koa ny fifaliana, izay anisan’ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22, 23) Horesahin’ny lahatsoratra manaraka izay tokony hataontsika raha tiantsika ny ho faly foana, na dia misy aza ny olana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no asehon’ny teny lazaintsika?

• Nahoana no mampiharihary ny fandrosoantsika ny fitondran-tenantsika tsara sy madio?

• Nahoana no tokony ho modely eo amin’ny fitiavana sy ny finoana ny Kristianina?

[Sary, pejy 11]

Hita hoe matotra i Timoty na dia mbola tanora aza

[Sary, pejy 13]

Miharihary ve ny fandrosoanao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara