FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 15/3 p. 14-18
  • Efa Nanokan-tena Ianao ka Mandehana Araka ny Fanahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Nanokan-tena Ianao ka Mandehana Araka ny Fanahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny atao hoe ‘mandeha araka ny fanahy’
  • Izay tokony hatao mba hitarihan’ny fanahy antsika
  • Miantehera amin’ny fanahin’Andriamanitra
  • ‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny fomba ahafahan’ny fanahin’Andriamanitra hisy heriny eo aminao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 15/3 p. 14-18

Efa Nanokan-tena Ianao ka Mandehana Araka ny Fanahy

“Mandehana hatrany araka ny fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.”—GAL. 5:16.

1. Inona avy ireo karazana batisa natao tamin’ny Pentekosta?

NATAO batisa tamin’ny fanahy masina ireo mpanara-dia an’i Jesosy, tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nahazo fanomezana mahagaga avy tamin’ny fanahy. Afaka niteny tamin’ny fiteny samihafa izy ireo. (1 Kor. 12:4-10) Inona no vokatr’io fanomezana io sy ilay lahateny nataon’ny apostoly Petera? ‘Voatsindrona ny fon’ny’ maro. Nanaraka ny fampirisihan’i Petera izy ireo ka nibebaka ary natao batisa. Hoy ny Baiboly: “Natao batisa izay olona nandray tsara ny tenin’i Petera, ka niampy olona tokony ho telo arivo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.” (Asa. 2:22, 36-41) Natao batisa anaty rano, tamin’ny anaran’ny Ray sy tamin’ny anaran’ny Zanaka ary tamin’ny anaran’ny fanahy masina izy ireo, araka ny nolazain’i Jesosy.—Mat. 28:19.

2, 3. a) Hazavao ny tsy mampitovy ny batisa amin’ny fanahy masina sy ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina. b) Nahoana no tokony hatao batisa anaty rano izay rehetra te ho Kristianina?

2 Samy hafa ve ny batisa amin’ny fanahy masina sy ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina? Eny. Ateraka indray mba ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra ireo atao batisa amin’ny fanahy masina. (Jaona 3:3) Voahosotra mba ho mpanjaka sy mpisorona lefitra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, ary anisan’ny vatan’i Kristy an’ohatra. (1 Kor. 12:13; Gal. 3:27; Apok. 20:6) Nanao batisa tamin’ny fanahy masina àry i Jehovah, tamin’ny Pentekosta sy taorian’izay, rehefa nifidy olona hiara-manjaka amin’i Kristy. (Rom. 8:15-17) Ahoana kosa ny amin’ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina, toy izay ataon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, isaky ny fivoriambe?

3 Atao batisa anaty rano ny tena Kristianina mba hampisehoana fa nanokan-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra. Atao an’io batisa io ireo voantso ho any an-danitra. Tsy maintsy atao batisa anaty rano koa ireo olona an-tapitrisany velona ankehitriny ary manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Tsy maintsy atao batisa anaty rano amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina isika mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, na inona na inona fanantenantsika. Tokony ‘handeha hatrany araka ny fanahy’ àry ny Kristianina rehetra vita batisa. (Vakio ny Galatianina 5:16.) Mandeha araka ny fanahy ve ianao ka miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenanao?

Ny atao hoe ‘mandeha araka ny fanahy’

4. Inona no atao hoe ‘mandeha araka ny fanahy’?

4 ‘Mandeha araka ny fanahy’ ny olona iray raha mamela ny fanahy masina hiasa eo aminy, ary mamela azy io hanan-kery eo amin’ny fiainany. Midika izany fa manaiky hotarihin’ny fanahy amin’izay ataony isan’andro izy. Asehon’ny Galatianina toko faha-5 fa tsy mitovy ny olona tarihin’ny fanahy sy ny olona tarihin’ny fanirian’ny nofo.—Vakio ny Galatianina 5:17, 18.

5. Tsy hanao inona ianao raha tarihin’ny fanahy?

5 Raha tarihin’ny fanahy masina ianao dia hiezaka tsy hanao ny asan’ny nofo, anisan’izany ny “fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana.” (Gal. 5:19-21) Toy ny hoe ‘ny fanahy no amonoanao ny fanaon’ny nofo.’ (Rom. 8:5, 13) Hanampy anao hifantoka amin’ny zavatry ny fanahy sy hanaiky hotarihin’ny fanahy izany, fa tsy hofehezin’ny fanirian’ny nofo.

6. Inona no ilaina mba hananana ny vokatry ny fanahy? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Ho tsara toetra ianao, ka hanana “ny vokatry ny fanahy”, raha miasa eo aminao ny fanahy masina. (Gal. 5:22, 23) Mila ezaka anefa izany. Aoka hatao hoe misy mpamboly miasa tany. Mila masoandro sy rano izy raha te hahazo vokatra. Azo oharina amin’ny masoandro ny fanahy masina. Mila azy io isika raha te hanana ny vokatry ny fanahy. Inona anefa no vokatra ho azon’ilay mpamboly raha tsy miasa mafy izy? (Ohab. 10:4) Raha karakarainao tsara koa ny fonao, izay azo oharina amin’ilay tany, dia ho tsara sy betsaka ny vokatra ho azonao, izay tsy inona fa ny vokatry ny fanahy. Mieritrereta àry hoe: ‘Miara-miasa amin’ny fanahy masina ve aho ka avelako hamokatra eo amiko izy io?’

7. Nahoana no tena ilaina ny mianatra sy misaintsaina raha te hanana ny vokatry ny fanahy masina?

7 Mila manondraka ny mpamboly raha te hahazo vokatra tsara. Ilainao koa ny ranon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, raha te hanana ny vokatry ny fanahy ianao. Omena amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina izany rano izany ankehitriny. (Isaia 55:1) Mety ho efa nilaza tamin’ny olona maro ianao fa avy amin’ny fanahy masina ny Soratra Masina. (2 Tim. 3:16) Manome fanazavana tena ilaina momba ny rano madion’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mat. 24:45-47) Tsy maintsy mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra àry ianao raha te hotarihin’ny fanahy. Manahaka an’ireo mpaminany ianao raha manao izany. ‘Namotopototra tsara sy nanao fikarohana lalina’ an’ireo fanazavana nananany izy ireo. Mariho fa na ny anjely aza te handinika ny fahamarinana momba an’ilay Taranaka nampanantenaina sy ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra.—Vakio ny 1 Petera 1:10-12.

Izay tokony hatao mba hitarihan’ny fanahy antsika

8. Nahoana ianao no tena mila mangataka ny fanahin’i Jehovah?

8 Tsy ampy ny mianatra sy misaintsaina ny Soratra Masina. Mila mangataka ny fanampiana sy tari-dalan’i Jehovah foana koa ianao. “Afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” izy. (Efes. 3:20; Lioka 11:13) Ahoana anefa no havalinao raha misy manontany hoe: “Nahoana aho no mbola mila mangataka amin’Andriamanitra foana, nefa efa ‘fantany izay ilaiko raha mbola tsy mangataka aminy akory aza aho’?” (Mat. 6:8) Asehonao fa miantehitra amin’i Jehovah ianao, rehefa mangataka ny fanahy masina. Raha misy olona tonga hangataka fanampiana aminao, ohatra, dia hanao izay azonao atao ianao, satria matoky anao izy matoa mangataka fanampiana aminao. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 3:27.) Faly koa i Jehovah rehefa mangataka ny fanahiny ianao, ary tena homeny anao izany.—Ohab. 15:8.

9. Nahoana no hanampy anao hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra ireo fivoriana?

9 Fantatsika koa fa manampy antsika hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra ny fivoriana sy fivoriambe. Tena ilaina ny miezaka mba hanatrika azy ireny sy hifantoka tsara. Hanampy antsika hahatakatra “ny zava-dalin’Andriamanitra” izany. (1 Kor. 2:10) Mahasoa koa ny manome valin-teny tsy tapaka. Eritrereto ireo fivoriana natrehinao tato anatin’ny iray volana. Impiry ianao no te hanambara ny finoanao ka nanangan-tanana mba hanome valin-teny? Mbola misy tokony hiezahanao ve amin’io lafiny io? Jereo àry izay azonao atao mandritra ireo herinandro ho avy. Ho hitan’i Jehovah ny fahavononanao hamaly teny ka homeny ny fanahiny ianao. Hanampy anao handray soa avy amin’ny fivoriana izany.

10. Hasaintsika hanao inona ny hafa raha mandeha araka ny fanahy isika?

10 Hamaly an’ity fanasana ity isika raha mandeha araka ny fanahy: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Manasa antsika hisotro amin’ny ranon’aina ny fanahy ka mampiasa ny ampakarina, izany hoe ireo voahosotry ny fanahy. Tapa-kevitra ny hilaza hoe “Avia!” koa ve ianao rehefa avy nanaiky an’io fanasana io? Voninahitra tokoa ny mandray anjara amin’io asa mamonjy aina io!

11, 12. Inona no anjara asan’ny fanahy masina eo amin’ny asa fitoriana?

11 Ny fanahy masina no mitarika an’io asa tena lehibe io ankehitriny. Tantarain’ny Baiboly izay nataon’ny fanahy mba hitarihana ny misionera ho any amin’ny faritany vaovao, tamin’ny taonjato voalohany. “Tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritr’i Azia” sy tany Bitynia ny apostoly Paoly sy ireo niaraka taminy. Tsy fantatsika hoe ahoana marina no nanakanan’ny fanahy azy ireo. Mazava anefa fa notarihin’ny fanahy ry Paoly mba ho any Eoropa, izay faritany midadasika. Hitan’i Paoly tamin’ny fahitana ny lehilahy makedonianina iray nitady fanampiana.—Asa. 16:6-10.

12 Mitarika ny asa fitoriana maneran-tany koa ny fanahin’i Jehovah ankehitriny. Tsy misy fahitana mahagaga intsony izao, nefa mbola mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hitarihana an’ireo voahosotra. Mandrisika an’ireo rahalahy sy anabavy hanao izay vitany amin’ny fitoriana sy fampianarana koa ny fanahy. Azo inoana fa mandray anjara amin’io asa lehibe sy mahafinaritra io ianao. Afaka mahita fifaliana bebe kokoa amin’izy io ve ianao?

13. Ahoana no ampisehoanao fa manaiky hotarihin’ny fanahy ianao? Hazavao amin’ny ohatra.

13 Manaiky hotarihin’ny fanahy ianao rehefa mampihatra ny torohevitra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Diniho, ohatra, izay nataon’i Mihoko, tovovavy any Japon. Mpisava lalana vaovao izy ka tsapany hoe tsy hainy ny nanao fiverenana mitsidika sy nanao izay hahaliana ny olona. Tamin’izay no nisy soso-kevitra momba ny fanaovana fiverenana mitsidika, tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Nivoaka avy eo ilay bokikely hoe Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany? Tena nety ho an’ny faritany japoney izy io. Nampiharin’i Mihoko ireo soso-kevitra momba ny fampiasana an’ilay bokikely, indrindra fa ny fomba fanaovana fiverenana mitsidika fohy. Tsy ela izy dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ireo olona nety tsy ho nanaiky hianatra. Hoy izy: “Be loatra ny fampianarana Baiboly notarihiko. Nahatratra 12 izany indray mandeha. Tsy maintsy nasaiko niandry aloha ny sasany.” Hahita vokatra be tokoa ianao raha mandeha araka ny fanahy sy mampihatra ny torohevitra ho an’ny vahoakan’i Jehovah.

Miantehera amin’ny fanahin’Andriamanitra

14, 15. a) Ahoana no ahafahan’ny olombelona tsy lavorary miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenany? b) Ahoana no ahitanao ny namana tsara indrindra?

14 Misy fanompoana tokony hataonao satria mpanompo voatendry ianao. (Rom. 10:14) Mety hihevitra ianao hoe tsy tena ampy fahaizana hanao izany. Andriamanitra anefa no mahatonga anao ho ampy fahaizana, toy ny ataony amin’ireo voahosotra. (Vakio ny 2 Korintianina 3:5.) Ho afaka hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenanao ianao raha miezaka mafy sy miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra.

15 Tsy mora amin’ny olombelona tsy lavorary ny miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra lavorary. Mety ‘hanevateva anao’, ohatra, ny namanao taloha satria very hevitra izy noho ianao niova. (1 Pet. 4:4) Tadidio anefa fa efa nahazo namana vaovao ianao. I Jehovah sy Jesosy Kristy no namana tsara indrindra. (Vakio ny Jakoba 2:21-23.) Tena ilainao koa ny mahalala an’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonanao, izay anisan’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Pet. 2:17; Ohab. 17:17) Mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hanampiana anao hanana namana handrisika anao hanao ny tsara.

16. Ahoana no ahafahanao ho ‘finaritra amin’ny fahalemena’, toa an’i Paoly?

16 Mety ho mbola sarotra aminao ny miatrika ny olana isan’andro na dia mana-namana vonon-kanampy aza ianao eo anivon’ny fiangonana. Mety hahatsiaro ho very ianao indraindray, noho ireo olana tsy misy farany zakainao. Amin’izay indrindra ianao no tokony hangataka fanahy masina amin’i Jehovah. Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (Vakio ny 2 Korintianina 4:7-10; 12:10.) Fantatr’i Paoly fa afaka manampy foana ny fanahin’Andriamanitra, na inona na inona fahalementsika. Afaka mampahery anao àry ny hery ampiasain’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro ho malemy ianao ka mila fanampiana. Nilaza i Paoly fa afaka ny ho ‘finaritra amin’ny fahalemena’ izy. Tsapany fa niasa taminy ny fanahy masina rehefa nalemy izy. Afaka ny ho toa azy koa ianao.—Rom. 15:13.

17. Ahoana no anampian’ny fanahy masina anao mba hanatratra ny tanjonao?

17 Mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba hiainana mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika. Eritrereto hoe kapitenin-tsambo ianao, ary ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay no tanjonao. Toy ny rivotra manosika an’ilay sambo ho tonga soa aman-tsara any amin’izay alehany ny fanahy masina. Tsy ho tianao ny havezivezin’ny fanahin’ny tontolon’i Satana. (1 Kor. 2:12) Mila mitady an’ilay rivotra tena mety àry ianao ary manaiky hoentiny. Tsy inona izany fa ny fanahy masina. Hanosika anao ho any amin’ny lalana tokony halehanao izy io, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana tarihin’ny fanahy.

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary nahoana?

18 Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah angamba ianao ary efa mifanerasera amin’izy ireo, nefa mbola tsy nanokan-tena sy natao batisa. Diniho àry hoe inona no mampisalasala anao. Ekenao sy ankasitrahanao ve ny anjara asan’ny fanahy masina eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah ankehitriny? Ataovy àry ireo dingana tokony hataonao. Hitahy anao tokoa i Jehovah ary hanome anao ny fanahiny masina. Raha vita batisa kosa ianao, na efa ela na vao haingana, dia azo antoka fa efa hitanao ny fiasan’ny fanahy masina. Hitanao sy tsapanao fa mampahery anao amin’ny alalan’ny fanahiny Andriamanitra. Afaka ny hitohy mandrakizay izany. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny handeha hatrany araka ny fanahy masina!

Tadidinao Ve?

• Inona no dikan’ny hoe ‘mandeha araka ny fanahy’?

• Inona no hanampy anao ‘handeha hatrany araka ny fanahy’?

• Inona no hanampy anao hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenanao?

[Sary, pejy 15]

Ilana ezaka ny fikarakarana ny tanin’ny fonao

[Sary, pejy 16, 17]

Tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara