FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 1/5 p. 3
  • Fa Nankaiza Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Nankaiza Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2006
  • Mihorohoro ny Ankizy
    Mifohaza!—2006
  • Nahoana no Be dia Be ny Loza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 1/5 p. 3

Fa Nankaiza Andriamanitra?

11 Septambra 2001: Nidona teo amin’ny iray amin’ireo tranobe kambana, izay Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena tany New York, ny fiaramanidina iray, tamin’ny 8.46 maraina. Izany no fanombohan’ny fanafihana nisesisesy nataon’ny mpampihorohoro, tamin’io andro io. Olona 3 000 teo ho eo no maty nandritra ny adiny roa latsaka taorian’izay.

26 Desambra 2004

Nisy horohoron-tany nahery vaika tany amin’ny Oseana Indianina. Niteraka onjan-dranomasina goavana namely tany 11 izy io, anisan’izany i Afrika izay any amin’ny 5 000 kilaometatra niala avy teo amin’ny foibeny. Olona 150 000 no maty na tsy hita popòka tao anatin’ny iray andro, ary iray tapitrisa mahery no tsy nanan-trano.

1 Aogositra 2009: Nandeha karazana môtô eny ambony rano niaraka tamin’ny zanany 5 taona ny lehilahy iray 42 taona, ary nifatratra tany amin’ny seranan-tsambo. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Velona ihany ilay zanany, saingy maty ny ampitson’iny. Hoy ny iray tamin’ny havany: “Nanantena izahay fa hisy fahagagana ka ho velona ihany [ilay zaza].”

Rehefa mandre momba ny fanafihan’ny mpampihorohoro na hetraketraky ny natiora ianao, na nisy loza nihatra taminao na ny havanao, mieritreritra ve ianao hoe: ‘Hitan’Andriamanitra ve izao zava-mitranga izao? Nahafoy antsika ve izy?’ Ho hitantsika fa manome valiny mampahery momba izany ny Baiboly.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Dieter Telemans/Panos Pictures

PRAKASH SINGH/AFP/Getty Images

© Dieter Telemans/Panos Pictures

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara