FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 1/10 p. 6-7
  • 3 Vavaka Manao Ahoana no Henoin’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3 Vavaka Manao Ahoana no Henoin’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 1/10 p. 6-7

3 Vavaka Manao Ahoana no Henoin’Andriamanitra?

MARO ny fivavahana manantitrantitra ny paozy tokony hatao na ny teny holazaina, na ny fombafomba arahina rehefa mivavaka. Zava-dehibe kokoa noho izany anefa no asain’ny Baiboly ifantohantsika.

Resahin’ny Baiboly fa nivavaka tany amin’ny toerana samihafa ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, ary samy hafa ny paozin’izy ireo tamin’izany. Nisy nivavaka anakampo ary nisy niteny mafy, arakaraka ny toe-javatra nisy azy. Nisy koa niandrandra ny lanitra, ary nisy niankohoka. Tsy nampiasa sary na sapile na boky izy ireo, fa nivavaka avy amin’ny fony, tamin’ny fomba fiteniny. Nahoana anefa no nohenoin’Andriamanitra ny vavak’izy ireo?

Araka ny hitantsika teo aloha, dia i Jehovah ihany no nivavahan’izy ireo. Misy zava-dehibe hafa koa anefa. Hoy ny 1 Jaona 5:14: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra àry ny vavaka ataontsika. Inona no dikan’izany?

Mila mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika, mba hahafahantsika mivavaka mifanaraka amin’ny sitrapony. Tena ilaina àry ny mianatra Baiboly. Midika ve izany fa tsy hihaino antsika Andriamanitra raha tsy lasa manam-pahaizana momba ny Baiboly isika? Tsia. Tian’Andriamanitra hamantatra ny sitrapony fotsiny isika, ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany. (Matio 7:21-23) Tokony hivavaka mifanaraka amin’ny zavatra ianarantsika àry isika.

Hanam-pinoana bebe kokoa isika rehefa mahafantatra momba an’i Jehovah sy ny sitrapony. Hoy koa i Jesosy: “Ho azonareo izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, rehefa manam-pinoana ianareo.” (Matio 21:22) Tsy midika hoe minomino foana anefa ny hoe mino. Midika kosa izy io hoe mino fa tena misy ny zavatra iray, na dia tsy hita maso aza, satria misy porofo mazava tsara manamarina izany. (Hebreo 11:1) Misy porofo maro be ao amin’ny Baiboly mampiseho, fa na dia tsy hita maso aza i Jehovah dia tena misy, azo itokisana, ary vonona hamaly ny vavak’ireo mino azy. Afaka mangataka foana amin’i Jehovah koa isika, mba hampitombo ny finoantsika, ary faly izy hanome an’izay ilaintsika.—Lioka 17:5; Jakoba 1:17.

Hoy koa i Jesosy momba ny vavaka: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Amin’ny alalan’i Jesosy no ahafahantsika mifandray amin’i Jehovah Raintsika. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy àry i Jesosy hoe tokony hatao amin’ny anarany ny vavaka. (Jaona 14:13; 15:16) Tsy midika akory izany hoe tokony hivavaka amin’i Jesosy isika. Midika kosa izany hoe mivavaka amin’ny anaran’i Jesosy isika, ka mitadidy fa noho i Jesosy no ahafahantsika mifandray amin’ilay Raintsika masina sy lavorary.

Nilaza koa anefa ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Tsy ireo zavatra vao avy nodinihintsika teo no tian’izy ireo ho fantatra, fa ny hoe: ‘Inona no tokony horesahina ao amin’ny vavaka?’

[Teny notsongaina, pejy 6]

Henoin’Andriamanitra ny vavaka mifanaraka amin’ny sitrapony sy atao amim-pinoana ary atao amin’ny anaran’i Jesosy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara