FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/5 p. 18-21
  • Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao zavatra haingana ireo Vavolombelona
  • Nody ventiny ny rano nantsakaina
  • Inona no mbola hitranga any Rosia?
  • Gadraina Noho ny Finoany: Rosia
    Gadraina Noho ny Finoany
  • Fiverenana Nitsidika An’i Rosia
    Mifohaza!—1995
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia
    Mifohaza!—1997
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Rosia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/5 p. 18-21

Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana

HO AN’NY MPONIN’I ROSIA: Rehefa hivoaka ity lahatsoratra ity, dia olona am-polony tapitrisa, any amin’ny tany maherin’ny 230, no hahafantatra fa rarana tsy amin’antony tsy hanaraka izay fivavahana tiany ny olona any Rosia. Ny Tilikambo Fiambenana no gazety adika amin’ny fiteny maro indrindra sy miely patrana indrindra eran-tany. Hivoaka amin’ny fiteny 188 ity lahatsoratra ity, ary 40 tapitrisa mahery no hatao pirinty. Mety tsy ho tian’ny manam-pahefana sasany raha fantatry ny firenena maro izay manjo ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Ho tanteraka anefa ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy zavatra tsara afina izay tsy haharihary, na zava-miafina izay tsy ho fantatra.”—LIOKA 12:2.

NILAZA ny roa amin’ny fitsarana tampony any Rosia, tamin’ny Desambra 2009 sy Janoary 2010, fa mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toa miverina indray ny taloha. Vavolombelona an’arivony no nampangaina ho fahavalon’ny firenena, tamin’ny fotoana nitondran’ny Sovietika an’i Rosia. Natao sesitany izy ireo, natao am-ponja, ary nampanaovina asa an-terivozona tany amin’ny toby. Rehefa rava anefa io fitondrana io, dia nafahana madiodio ny Vavolombelon’i Jehovah. Namerina tamin’ny laoniny ny lazan’izy ireo ny fitondrana vaovao.a Toa misy mitady hanendrikendrika azy ireo indray anefa izao.

Tsy nomen’ny manam-pahefana fahalalahana ara-pivavahana intsony ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny voalohandohan’ny taona 2009. Tamin’ny Febroary fotsiny, dia fanadihadiana 500 mahery no nataon’ny mpampanoa lalàna eran’i Rosia, mba hahitana raha tena nandika lalàna tokoa ireo Vavolombelona. Nanao bemidina tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy tranon’olona nivorian’izy ireo tamim-pilaminana ny polisy, nandritra ireo volana vitsivitsy taorian’izay. Nalain’ny polisy ny boky sy ny fananan’izy ireo. Noroahin’ny fanjakana koa ireo mpisolovava vahiny izay nanampy azy ireo, ary tsy navela hiditra tany Rosia intsony.

Notazonin’ny mpiasan’ny doanina ny boky sy gazety ara-baiboly tonga tamin’ny sambo, tany amin’ny sisin-tany akaikin’i Saint-Pétersbourg, tamin’ny 5 Oktobra 2009. Tany Alemaina no natao pirinty ireo boky ireo, ary natao ho an’ireo fiangonana maro be any Rosia. Ireo mpiasan’ny doanina, mpiandraikitra ny entana mampidi-doza aondrana an-tsokosoko, no nasaina nijery an’ireo boky ireo. Nisy taratasy avy tamin’ny manam-pahefana mantsy nilaza fa “mety hisy zavatra natao mba hampiady fivavahana” tao.

Nihamafy ny fanenjehana tsy ela taorian’izay. Nilaza mantsy ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia sy ny Repoblikan’i Altaï (anisan’i Rosia), fa mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana ny boky sasany ampiasain’ny Vavolombelona, anisan’izany ity gazety vakinao ity. Nampakatra fitsarana ambony ny Vavolombelon’i Jehovah, ary firenena maro no nanohana, saingy tsy nampiova na inona na inona izany. Mbola mihatra io didim-pitsarana io any Rosia, ka voarara ny manafatra na mizara an’ireo boky sy gazety ara-baiboly.

Ahoana àry no nataon’ny Vavolombelona tamin’izany fanosoram-potaka sy fandrarana ny asan’izy ireo izany? Ary inona no ho vokatr’io didim-pitsarana io eo amin’ny fahalalahana ara-pivavahana ananan’ny Rosianina rehetra?

Mampirisika ny Olona Hikomy ve Ireto Boky Ireto?

Fonona boky

Ireto no anisan’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah nolazain’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia fa boky mampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana:

  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly c (sary ambony)

  • Manatòna An’i Jehovah

  • Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay)

  • Mitady An’Andriamanitra ny Olombelonad (frantsay)

  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, Boky 1e

  • Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?f

Mampirisika ny olona hanaja an’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly, ireo boky ireo. Mampirisika ny mpamaky koa izy ireo, mba hahay hisaina tsara sy handinika akaiky ny fampianarana sy ny filozofia ampianarina azy ireo. Tokony ho rarana ve ny boky toy izany, araka ny hevitrao?

c Azonao vakina ao amin’ny www.watchtower.org ireo boky ireo, izay misy amin’ny fiteny maro.

d Azonao vakina ao amin’ny www.watchtower.org ireo boky ireo, izay misy amin’ny fiteny maro.

e Azonao vakina ao amin’ny www.watchtower.org ireo boky ireo, izay misy amin’ny fiteny maro.

f Azonao vakina ao amin’ny www.watchtower.org ireo boky ireo, izay misy amin’ny fiteny maro.

Porofo fa Tsy Nanan-tsiny Izy Ireo

Tamin’ny taona 1990 no nafahana ny farany tamin’ireo Vavolombelona nigadra, tamin’ny andron’ny Sovietika. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no faly, satria niverina tamin’ny laoniny ny lazan’izy ireo. Nahazo taratasy avy tamin’ny fanjakana mantsy izy ireo, nilaza fa tsy “fahavalon’ny firenena” izy ireo fa olona tsy nanan-tsiny niharan’ny tsy rariny. Ireny taratasy ireny no porofo fa tsy nanan-tsiny izy ireo.

Nanao zavatra haingana ireo Vavolombelona

Vladimir Litvin

Nalefa sesitany tany Krasnoyarskiy Kray i Vladimir Litvin (81 taona), tamin’izy 14 taona. Izy no nitarika ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy, rehefa nizara an’ilay taratasy mivalona izy ireo ny zoma vao maraina nanaovana an’ilay ezaka

Nizara taratasy mivalona manokana niisa 12 tapitrisa ireo Vavolombelona 160 000 eo ho eo eran’i Rosia, tamin’ny zoma 26 Febroary 2010. Izao no lohatenin’izy io: Hiverina Indray ve ny Fampahoriana? Fanontaniana ho An’ny Mponin’i Rosia. Vavolombelona an-jatony tany Ousolie-Sibirskoïe, any Siberia, ohatra, no nifanao fotoana teny an-dalana tamin’ny 5.30 maraina. Anisan’ireo natao sesitany tany Siberia tamin’ny 1951 ny sasany tamin’izy ireo, ary noho ny finoany no anton’izany. Niaritra hatsiaka 40 degre ambanin’ny zero izy ireo, mba hizarana an’ireo taratasy mivalona 20 000, anjaran’izy ireo.

Nikolai Yasinski

Nazoto nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana i Nikolai Yasinski (73 taona). Hoy izy: “Marina tokoa ve fa hanenjika antsika indray ry zareo, ary hesorin’izy ireo indray ny zontsika hanompo an’i Jehovah?”

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tany Moscou, renivohitr’i Rosia, ireo Vavolombelona, mba hilazana fa hanao ezaka manokana izy ireo mandritra ny telo andro. Anisan’ny nasaina hiteny tamin’izany Atoa Lev Levinson, manam-pahaizana avy ao amin’ny Fikambanana Miaro ny Zon’olombelona. Notantarainy fohifohy ny fanenjehana sy fampijaliana tsy amin’antony an’ireo Vavolombelona tany Alemaina Nazia sy tany amin’ny Firaisana Sovietika. Noresahiny fa nafahan’ny fanjakana madiodio izy ireo tatỳ aoriana. Hoy koa izy: “Namoaka didy ny Filoha Yeltsin fa tokony hafahana madiodio ireo fivavahana rehetra nenjehina nandritra ny fitondrana sovietika. Tokony haverina amin’izy ireo koa ny zava-drehetra nafoiny. Tsy nanana fananana manokana ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ny laza tsara nananany no naverina tamin’izy ireo.”

Atahorana ho very indray anefa izao izany laza tsarany izany. Nilaza Atoa Levinson fa “nanenina noho ny nataony io tany io, kanefa mbola ao amin’io tany io ihany izy ireo no enjehina be tsy amin’antony.”

Nody ventiny ny rano nantsakaina

Nisy vokany ve ilay ezaka manokana? Hoy Atoa Levinson: “Tamin’izaho hankatỳ, dia nahita olona teny ambony lamasinina aho, nipetraka sy namaky an’ilay bokikely nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah eran’ny Rosia androany. ... Nipetraka sy namaky azy io ny olona, ary namaky azy io tsara.”b Diniho, ohatra, ireto fitantarana ireto:

Nisy vehivavy zokiolona iray mipetraka any amin’ny faritra be Silamo any afovoan’i Rosia. Nandray an’ilay taratasy mivalona izy ary nanontany hoe inona no resahin’izy io. Rehefa nolazaina taminy fa miresaka momba ny zon’olombelona sy ny fahalalahana any Rosia ilay izy, dia hoy izy: “Mba nisy nijery ihany nony farany ny momba an’izany. Lasa hoatran’ny tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika indray mantsy izao ny eto Rosia raha ny amin’io resaka io. Misaotra betsaka. Mety mihitsy ny ataonareo!”

Hoy ny vehivavy iray any Tcheliabinsk, rehefa nomena an’ilay taratasy mivalona: “Efa nahazo iray tamin’ity aho sady efa novakiko ilay izy. Momba anareo zato isan-jato aho. Tsy mahita fivavahana hafa mahavita miaro ny finoany toy ny ataonareo aho, sady milamina tsara ny fomba anaovanareo an’izany. Tiako ny fomba fitafinareo. Mahay mandanjalanja foana koa ianareo. Hita mihitsy hoe tena atokisanareo fa marina ny zavatra inoanareo. Mino aho fa momba anareo Andriamanitra.”

Nilaza ny lehilahy iray any Saint-Pétersbourg fa efa nahazo an’ilay taratasy mivalona izy. Nanontaniana àry izy raha tiany izay novakiny tao na tsia. Hoy izy: “Tiako ka! Narikoditra aho rehefa namaky an’ilay izy. Nitomany mihitsy aza aho. Nampijalina koa mantsy ny bebeko [tamin’ny andron’ny Sovietika], ary be dia be ny zavatra notantarainy tamiko momba an’ireo niara-nogadraina taminy. Maro no mpanao heloka bevava, nefa nisy koa olona tsy nanan-tsiny nogadraina noho ny finoany. Tokony ho fantatry ny olon-drehetra izay nitranga, ka mety mihitsy izao ataonareo izao.”

Ilay Hafatra Mafonja

Taratasy mivalona manokana amin’ny teny rosianina

Tsy mpikomy na mitaona olona hikomy amin’ny fanjakana akory ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny asehon’ilay taratasy mivalona hoe Hiverina Indray ve ny Fampahoriana? Fanontaniana ho An’ny Mponin’i Rosia. Aharihariny ao fa tena mitovy amin’ny fomba nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fitondrana sovietika, ny ezaka natao vao haingana mba hanaratsiana ny asan’izy ireo. Asainy hijery ny www.jw-russia.org, amin’ny teny rosianina, koa ny mpamaky, satria misy fanazavana bebe kokoa momba ny tantara sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ao. Averin’ilay taratasy mivalona koa ny lahatenin’i Dmitri Medvedev, filoha rosianina, nalaina video ao amin’ny Internet, tamin’ny fankalazana ny Andro Fahatsiarovana An’ireo Niharan’ny Fampijaliana Ara-politika.g Tena vitsy an’isa ireo Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika, tamin’izany. Anisan’ireo nampijalin’ny fitondrana mafy dia mafy anefa izy ireo tamin’izany.

g Jereo ilay efajoro hoe “Fahatsiarovana An’ireo Nampijalina.”

Inona no mbola hitranga any Rosia?

Stepan sy Yelena Levitsky

Stepan Levitsky (85 taona) sy Yelena vadiny. Nigadra folo taona i Stepan, satria nahitana Tilikambo Fiambenana iray tany aminy

Sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny fahalalahana kely nananan’izy ireo nandritra ireo 20 taona lasa. Fantatr’izy ireo tsara koa anefa fa mora esorina izany. Tsy fantatra raha hisy fotoan-tsarotra hisian’ny fampijaliana toy ny taloha indray any Rosia, matoa nendrikendrehina izy ireo vao haingana. Ho hita eo ihany izany rehefa mandeha ny fotoana.

Tena tapa-kevitra anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah fa hitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly momba ny fiadanana sy fanantenana, na inon-kidona na inon-kihatra. Izao no voalaza ao amin’ilay taratasy mivalona momba izany: “Tsy hahomby mihitsy ny fampijaliana. Hiresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly, foana izahay, ary hahay handanjalanja sy haneho fanajana rehefa manao izany. (1 Petera 3:15) Tsy nahasakana anay ny fampihorohoroana tamin’ny andron’ny Nazia. Tsy nahasakana anay koa ny andro manjombona nandritra ny fampijaliana teto amin’ny tanintsika, ary tsy hijanona mihitsy izahay fa hitory foana.—Asan’ny Apostoly 4:18-20.”

Fahatsiarovana An’ireo Nampijalina

Izao no nolazain’ny Filoha Dmitri Medvedev, vao haingana, tamin’ny andro iray nahatsiarovan’ny Rosianina an’ireo nampijalina nandritra ny fitondrana sovietika:

“Androany no Andro Fahatsiarovana An’ireo Niharan’ny Fampijaliana Ara-politika. ... Tsy ho takatsika mihitsy ny horohoro nanerana ny firenena ... Naripaka daholo ny sarangan’olona rehetra. ... Nampangaina ny mpivavaka sasany. [Natao izao ho fahatsiarovana] an’ireo olona an-tapitrisany izay simba ny fiainany. Ho an’ireo olona novonoina nefa tsy notsaraina akory na nosoratana ny momba azy. Ho an’ireo natao sesitany sy nalefa tany amin’ny toby fitanana, ireo tsy navela hanan-jo, satria hono, ‘tsy mety’ ny asany na ‘hafa ny fiaviany.’ Nolazaina fa ‘fahavalon’ny firenena’ sy ‘mpiray tsikombakomba’ ny fianakavian’izy ireo manontolo. Saintsaino ange e! An-tapitrisany no maty noho ny tahotra sy ny fiampangana diso. Nesorina taminy ny zony rehetra, eny fa na dia ny zony halevina aza. Nofafana tsotra izao teo amin’ny tantara ny anaran’izy ireo, nandritra ny taona maro.

“Tsy azo alan-tsiny ny fampijaliana.”

a Jereo ny efajoro hoe “Porofo fa Tsy Nanan-tsiny Izy Ireo.”

b Nanomboka nizara an’ilay taratasy mivalona ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Moscou, ora vitsivitsy talohan’ilay valandresaka ho an’ny mpanao gazety.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara