FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/1 p. 30-31
  • Aza Manaiky ho Voafitaky ny Anjely Ratsy Toetra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Manaiky ho Voafitaky ny Anjely Ratsy Toetra!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Noravana i Sodoma sy Gomora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanasitrana Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Nanohitra Fakam-panahy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/1 p. 30-31

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Aza Manaiky ho Voafitaky ny Anjely Ratsy Toetra!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY GENESISY 6:1-6; ASAN’NY APOSTOLY 19:11-20.

Hoatran’ny ahoana ny paozipaozin’ny Nefilima, araka ny hevitrao?

․․․․․

Nanao ahoana ireo lehilahy tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:13-16, rehefa nampijalin’ny demonia? Nety hoe natahotra ve ry zareo, sa ahoana?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manaova fikarohana ao amin’izay boky ara-baiboly anananao, ka fantaro bebe kokoa ny momba ny Nefilima. Nahoana, ohatra, izy ireo no nahery setra?

․․․․․

Nahoana no lazaina fa “nandao ny fonenana sahaza azy” ny demonia? (Vakio ny Joda 6.) Ary nahoana no tsy mety sady vetaveta mihitsy aza izany hoe anjely manambady olombelona izany?

․․․․․

Inona tamin’ilay tantara novakinao teo no manaporofo fa tena vetaveta sy mahery setra be ny demonia?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY HOE...

Inona no zavatra nataon’ny demonia, ka manaporofo fa ratsy saina sy tia tena ry zareo?

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Mbola mitarika anao hanao zava-dratsy ny anjely, na dia tsy afaka miova ho olona intsony aza. Inona ny tetika ampiasainy, araka ny hevitrao?

․․․․․

Be dia be ny fialam-boly mahatonga ny olona ho tia zava-dratsy sy ho ratsy saina toy ny demonia. Inona avy izany?

․․․․․

Inona no hataonao mba tsy ho voafitaky ny demonia mihitsy ianao? (Vakio indray ny Asan’ny Apostoly 19:18, 19.)

․․․․․

4 INONA NO TENA NAHALIANA ANAO TAMIN’IREO TANTARA IREO, ARY NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara