FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 15/12 p. 4-5
  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 15/12 p. 4-5
Olona mandrotsaka fanomezana

Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome

NOMEN’NY Mpamorona fanomezana sarobidy ny olombelona satria nataony afaka misafidy. Tena tahiny izay mahafoy tena ka mifidy ny hanohana ny fivavahana marina sy izay manamasina ny anarany ary mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Tsy tiany raha mankatò azy noho ny tahotra na noho ny adidy fotsiny isika. Tena tiany kosa raha manompo azy an-tsitrapo isika, satria tena tia azy sy mankasitraka lalina azy.

Nasain’i Jehovah nanorina toeram-pivavahana, ohatra, ny Israelita, rehefa tany an-tany efitr’i Sinay. Hoy i Jehovah: “Mitondrà fanomezana ho an’i Jehovah avy ao aminareo. Aoka hitondra izany ho fanomezana ho an’i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony.” (Eks. 35:5) Afaka nanome izay azony nomena ny tsirairay. Azo nampiasaina tsara mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ilay fanomezana an-tsitrapo, na inona izany na inona ary na betsaka ilay izy na kely. Ahoana no nataon’ny Israelita?

Nanao fanomezana “izay rehetra natosiky ny fony” sy “izay rehetra noterem-panahy”, na lahy na vavy. Nanome izay vokatry ny fony izy ireo mba hanohanana ny asan’i Jehovah, ka nitondra firavaka misy paingotra, kavina, peratra, volamena, volafotsy, varahina, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon’osy, hoditr’ondry nolokoana mena, hoditra faoky, hazo akasia, vatosoa, menaka balsama, ary menaka. “Ampy tsara ny akora ho an’ny asa rehetra hatao” tamin’ny farany, ary “nihoatra aza.”—Eks. 35:21-24, 27-29; 36:7.

Tsy ny fanomezana nentin’ireo nanohana ny fivavahana marina anefa no tena nahafaly an’i Jehovah, fa ilay izy ireo tia nanome. Natosiky ny fony koa izy ireo ka nahafoy fotoana sy hery. ‘Nanao kofehy ny vehivavy rehetra izay nanan-talenta sy natosiky ny fony’, anisan’izany ny kofehy vita “tamin’ny volon’osy.” Nomen’i Jehovah “fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany” koa i Bezalila. Nomeny ny fahaizana nilaina mba hamitana ny asa rehetra nasainy natao izy sy Oholiaba.—Eks. 35:25, 26, 30-35.

Rehefa nasain’i Jehovah nitondra fanomezana ny Israelita, dia natoky tanteraka izy fa hanohana ny fivavahana marina ‘ny olona rehetra natosiky ny fony.’ Tena nitahy an’ireo olona tia nanome ireo i Jehovah, ka nomeny tari-dalana izy ireo ary faly be. Nasehon’i Jehovah tamin’izany fa afaka matoky tanteraka ny vahoakany hoe hotahiny izy ireo rehefa tia manome, ka hanana ny fahaizana sy ny zavatra hafa ilaina mba hanatanterahana ny sitrapony. (Sal. 34:9) Azo antoka fa hotahin’i Jehovah koa ianao rehefa tia manome ka tsy mitsitsy tena amin’ny fanompoana azy.

FOMBA FIDIN’NY OLONA SASANY ANAOVANA FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro ny olona ‘manokana vola’ hatao fanomezana, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, ary mandrotsaka izany ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” (1 Kor. 16:2) Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Ireto avy ny karazana fanomezana azonao alefa mivantana:

FANOMEZANA TSY MISY FEPETRA

  • Vola avy ao amin’ny kaonty amin’ny banky ary alefa amin’ny alalan’ny Internet na amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola. Azo atao amin’ny alalan’ny jw.org na amin’ny alalan’ny tranonkala hafa efa voafidy koa izany, any amin’ny sampana sasany.

  • Lelavola, firavaka, na zava-tsarobidy hafa. Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana tsy misy fepetra ilay izy. Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

  • Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra, ohatra, ianao hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao.

  • Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana misy fepetra ilay izy.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa. Amidio foana izany, ka izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

Fanomezana isam-bolana: Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” (Ohab. 3:9) Misy olona sasany manokana ampahany amin’ny karamany isam-bolana, mba harotsaka ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any amin’ny banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny kaonty any amin’ny banky, na ny kaonty misy ny fisotroan-dronono. Azo atao koa anefa ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny volanao ao amin’ilay kaonty, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky ireo rehetra ireo.

Trano sy tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany, ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao no lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna atao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na ny fananany hafa ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA. Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa anefa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manorata na miantsoa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara