FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 3 p. 16
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manana anarana ve Andriamanitra?
  • Tsy mety ve ny manonona ny anaran’Andriamanitra?
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
  • Nahoana Ianao no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Iza no Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 3 p. 16
Anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny

Anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny

Inona No Lazain’ny Baiboly?

Manana anarana ve Andriamanitra?

MISY MILAZA FA tsy manana anarana izy. Ny hafa indray miteny hoe Andriamanitra na Tompo no anarany. Ny sasany kosa mihevitra fa manana anarana be dia be izy. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Marina fa manana anaram-boninahitra be dia be Andriamanitra. Nilaza anefa izy fa iray ihany ny anarany.—Eksodosy 3:15.

  • Tsy hoe saro-pantarina akory Andriamanitra. Tiany hahafantatra azy isika.—Asan’ny Apostoly 17:27.

  • Mila mahafantatra ny anaran’Andriamanitra aloha ianao raha te ho lasa namany.—Jakoba 4:8.

Tsy mety ve ny manonona ny anaran’Andriamanitra?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Eksodosy 20:7) Ny manao tsinontsinona ny anaran’Andriamanitra ihany no tsy mety, izany hoe ny manao zavatra manala baraka sy tsy manaja ny anarany.—Jeremia 29:9.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Nahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy sady nampiasa azy io.—Jaona 17:25, 26.

  • Tian’Andriamanitra hampiasa ny anarany isika rehefa mivavaka.—Salamo 105:1.

  • Ataon’ny fahavalon’Andriamanitra izay hahatonga ny olona hanadino ny anaran’Andriamanitra. —Jeremia 23:27.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 1 ao amin’ity boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara