FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w16 Novambra p. 19-20
  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
w16 Novambra p. 19-20
Davida Mpanjaka mampiseho ny planin’ny tempoly amin’ny lehilahy iray; rahalahy iray mijery planina hampiasaina amin’ny fanorenana

“Asa Goavana” no Miandry Antsika

NISY fivoriana lehibe natao tao Jerosalema. Efa antitra i Davida Mpanjaka tamin’izay. Novoriny ny andriana sy ny tandapa ary ny lehilahy mahery rehetra. Faly be ry zareo fa nisy vaovao mahafinaritra be nolazainy. Nasain’i Jehovah hanorina tempoly tsara tarehy hivavahana aminy i Solomona zanany. Efa nomen’i Jehovah an’i Davida ny planin’ilay trano, ary nomeny an’i Solomona ilay izy avy eo. Hoy i Davida: ‘Asa goavana no atao, satria tsy ho an’olombelona ilay lapa fa ho an’i Jehovah Andriamanitra.’​—1 Tan. 28:1, 2, 6, 11, 12; 29:1.

Nanontany i Davida taorian’izay hoe: “Iza no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah anio?” (1 Tan. 29:5) Raha teo ianao tamin’izay, dia inona no mety ho nataonao? Nanohana an’ilay asa ve ianao? Tsy nisalasala nanao an’izany ny Israelita. “Faly” izy ireo “nanao fanatitra an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah.”​—1 Tan. 29:9.

Nanorina tempoly hafa mbola lehibe lavitra noho ilay tempolin’i Solomona i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Tsy inona izany fa ny tempoly ara-panahy, izany hoe ny fandaharana nataony mba hanatonana sy hanompoana azy miorina amin’ny sorona nataon’i Jesosy. (Heb. 9:11, 12) Tian’i Jehovah hihavana aminy ny olona, ka irahiny hanampy azy ireny ho lasa mpianatr’i Jesosy isika. (Mat. 28:19, 20) An-tapitrisany àry isan-taona ny olona mianatra Baiboly ary an’aliny no atao batisa, ka lasa misy fiangonana vaovao an-jatony.

Lasa mitombo ny boky sy gazety mila atao pirinty, ary ny Efitrano Fanjakana mila aorina sy kojakojaina. Mihamaro koa ny toerana fanaovana fivoriambe ilaina. Tena miaiky àry isika fa asa goavana ny mampiely ny vaovao tsara, nefa koa mahafa-po.​—Mat. 24:14.

Tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika isika. Fantatsika koa fa tena maika ny asa fitoriana. “Vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah” àry isika. Tena faly isika ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananantsika.’ (Ohab. 3:9) Faly koa isika fa ampiasaina tsara mba hamitana an’ilay asa lehibe indrindra ny fanomezana ataontsika.

Fomba Fidin’ny Olona Sasany Anaovana Fanomezana Ho An’ny Asa Maneran-tany

Maro ny olona ‘manokana vola’ hatao fanomezana, ary mandrotsaka izany ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” (1 Kor. 16:2) Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Ireto avy ny karazana fanomezana azonao alefa mivantana:

FANOMEZANA TSY MISY FEPETRA

  • Vola avy ao amin’ny kaonty amin’ny banky, ary alefa amin’ny alalan’ny Internet na amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola na amin’ny alalan’ny finday. Azo atao amin’ny alalan’ny jw.org na amin’ny alalan’ny tranonkala hafa efa voafidy koa izany, any amin’ny sampana sasany.

  • Lelavola, firavaka, na zava-tsarobidy hafa. Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana tsy misy fepetra ilay izy. Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

  • Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra ianao, ohatra hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao.

  • Ampiaraho amin’ny taratasy milaza hoe fanomezana misy fepetra ilay izy.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa. Amidio foana izany, ka izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

Fanomezana isam-bolana: Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” (Ohab. 3:9) Misy olona sasany manokana ampahany amin’ny karamany isam-bolana, mba harotsaka ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any amin’ny banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny kaonty any amin’ny banky, na ny kaonty misy ny fisotroan-dronono. Azo atao koa anefa ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny volanao ao amin’ilay kaonty, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky ireo rehetra ireo.

Trano sy tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany, ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao vao lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna hatao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na ny fananany hafa ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA.

Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa anefa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia midira ao amin’ny jw.org/mg, dia jereo ilay hoe “Mandrotsaha Fanomezana ho An’ny Asanay Maneran-tany” eo amin’ny farany ambany amin’ny pejy fandraisana. Azonao atao koa ny manoratra na miantso any amin’ny biraon’ny sampana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara