FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 1 p. 5-6
  • Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Nanao An’ireo Toko sy Andininy ao Amin’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Ahoana no Handraisanao Soa avy Amin’ny Baiboly?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 1 p. 5-6
Vehivavy mampiasa fitaovana fikarohana rehefa mamaky Baiboly

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?

Ahoana no Hahatonga An’ilay Izy Hahafinaritra?

Mankaleo sa mahaliana anao ny mamaky Baiboly? Miankina amin’ny fomba amakianao azy izany. Ahoana àry no hahatonga an’ilay izy hahafinaritra sy hahaliana? Ireto misy soso-kevitra:

Mifidiana fandikan-teny marina tsara sy maoderina. Azo inoana fa tsy hahafinaritra anao ny mamaky Baiboly feno teny sarotra sy tranainy, izay tsy azonao akory. Mifidiana àry fandikan-teny mora azo sy manohina ny fo ary marina tsara.a

Mampiasà fitaovana elektronika. Efa misy amin’ny endrika elektronika koa izao ny Baiboly. Azonao vakina ao amin’ny Internet ny Baiboly sasany, na azonao adika amin’ny ordinatera, tablette, na telefaonina. Misy amin’ireny Baiboly ireny ahafahanao mijery haingana an’izay andinin-teny mifandray amin’ilay andininy vakinao, na ahafahanao mampitaha fandikan-teny maromaro. Afaka mihaino Baiboly noraisim-peo koa ianao, raha izay no tianao. Maro no tia mihaino azy io rehefa mandeha fitateram-bahoaka, manao raharaha, na manao zavatra hafa ahafahany mihaino an’ilay izy. Maninona raha andramana ny iray amin’ireo?

Mampiasà fitaovana fikarohana. Tena handray soa ianao raha mampiasa azy ireny rehefa mamaky Baiboly. Ny sarintany ao amin’izy ireny, ohatra, hanampy anao hahita hoe aiza no misy an’ireo toerana resahin’ny andininy vakinao, ka ho azonao an-tsaina ny zava-nitranga. Hanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly koa ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ato amin’ity gazety ity, sy ilay fizarana hoe “Fampianaran’ny Baiboly” ao amin’ny tranonkala jw.org/mg.

Ovaovao ny fomba amakianao azy. Tsy dia tianao ve ny mamaky misesy an’ireo boky ao amin’ny Baiboly? Izay boky mahaliana anao àry vakina voalohany. Azonao atao ny mifidy an’izay misy tantaran’olona, raha tianao ho fantatra ny momba an’ireo olo-malaza resahin’ny Baiboly. Misy santionany amin’izany ao amin’ilay efajoro hoe “Fakafakao ny Baiboly ka Fantaro ny Olona Resahina Ao.” Azonao asesy araka ny foto-kevitra koa ny boky vakinao, na araka ny fotoana nisehoan’ilay tantara. Mba andramo ange ny iray amin’ireo e!

a Maro no mahita hoe marina tsara sady mora azo Ny Soratra Masina Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary misy amin’ny teny 130 mahery. Azo alaina ao amin’ny tranonkala jw.org/mg izy io, na ao amin’ny programa JW Library. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah anaterana Baiboly koa anefa ianao, raha tianao.

FAKAFAKAO NY BAIBOLY KA FANTARO NY OLONA RESAHINA AO

Vehivavy sasany nanam-pinoana

Abigaila

1 Samoela toko 25

Estera

Estera toko 2-5, 7-9

Hana

1 Samoela toko 1-2

Maria

(Renin’​i Jesosy) Matio toko 1-2; Lioka toko 1-2; jereo koa Jaona 2:​1-​12; Asan’ny Apostoly 1:​12-​14; 2:​1-4

Rahaba

Josoa toko 2, 6; jereo koa Hebreo 11:​30, 31; Jakoba 2:​24-​26

Rebeka

Genesisy toko 24-​27

Saraha

Genesisy toko 17-​18, 20-⁠21, 23; jereo koa Hebreo 11:11; 1 Petera 3:​1-6

Lehilahy niavaka sasany

Abrahama

Genesisy toko 11-​24; jereo koa 25:​1-​11

Davida

1 Samoela toko 16-30; 2 Samoela toko 1-24; 1 Mpanjaka toko 1-2

Jesosy

Filazantsaran’​i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona

Mosesy

Eksodosy toko 2-20, 24, 32-34; Nomery toko 11-​17, 20, 21, 27, 31; Deoteronomia toko 34

Noa

Genesisy toko 5-9

Paoly

Asan’ny Apostoly toko 7-9, 13-28

Petera

Matio toko 4, 10, 14, 16-​17, 26; Asan’ny Apostoly toko 1-5, 8-12

FITAOVANA FIKAROHANA NAVOAKAN’​NY VAVOLOMBELON’​I JEHOVAH

  • JW.ORG​—Tranonkala azo anaovana fikarohana. Hita ao, ohatra, ilay hoe “Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly.” Atoro ao koa ny fomba akana an’​ilay programa JW Library

  • ‘Jereo Ilay Tany Soa’​—Bokikely misy sarintany sy sarin’​ireo toerana resahin’​ny Baiboly

  • Fandalinana ny Soratra Masina​—Rakipahalalana momba ny Baiboly, ary misy boky roa. Hazavaina ao ireo olona, toerana, ary teny hita ao amin’​ny Baiboly

  • “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’​Andriamanitra Sady Mahasoa”​—Boky mamintina ny boky tsirairay ao amin’​ny Baiboly. Hazavainy koa hoe oviana, taiza, ary nahoana no nosoratana izy ireny

  • Ny Baiboly—Tenin’​Andriamanitra sa Tenin’​olona?​—Boky kely velarana, ary ahitana porofo marim-pototra hoe tena avy amin’​Andriamanitra ny Baiboly

  • Inona no Voalaza ao Amin’​ny Baiboly?​—Bokikely 32 pejy, ary mamintina ny loha hevitry ny Baiboly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara