FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 2 p. 3-4
  • Fanomezana Tsy Manan-tsahala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana Tsy Manan-tsahala
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Inona no Fanomezana Tsara Indrindra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mahakasika Anao ny Hafatra Notorin’i Jesosy Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 2 p. 3-4
Lehilahy zokiolona manome fandrangitana pensilihazo miendrika sambo ho an’ny ankizilahikely iray

MATOAN-DAHATSORATRA | HORAISINAO VE ILAY FANOMEZANA SAROBIDY NOMEN’ANDRIAMANITRA?

Fanomezana Tsy Manan-tsahala

MISY fandrangitana pensilihazo miendrika sambo eny an-tanan’i Jordan. Toa tsy dia miavaka ilay izy, nefa tena sarobidy aminy. Hoy izy: “Nisy an’izay Dadabe Russell izay naman’ny fianakavianay. Izy no nanome an’ahy an’ity tamin’izaho mbola kely.” Rehefa maty i Russell, dia ren’i Jordan fa nanampy be an’ny dadabeny sy ny ray aman-dreniny izy io tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Hoy indray i Jordan: “Vao mainka sarobidy tamiko ity fanomezana kely ity, rehefa fantatro ny nataony.”

Mety tsy hisy vidiny na zara raha hisy vidiny amin’ny olona sasany ny fanomezana iray. Mety ho sarobidy be amin’ilay olona nomena azy anefa ilay izy, toy ny hita tamin’ny tantaran’i Jordan. Miresaka fanomezana iray tsy manan-tsahala ny Baiboly. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Fanomezana hahazoana fiainana mandrakizay. Aiza indray no hisy hoatr’izany? “Sarobidy” amin’ny tena Kristianina izy io, na dia mety tsy ho zava-dehibe amin’ny sasany aza. (1 Petera 1:18, 19; Salamo 49:8) Fa nahoana Andriamanitra no naniraka ny Zanany ho faty ho an’izao tontolo izao?

Hoy ny apostoly Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.” (Romanina 5:12) Ninia tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany. Lasa mpanota àry izy sy ny taranany ary voaheloka ho faty.

“Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Tiany hafahana amin’ny fahafatesana ny olona, ka nirahiny tetỳ an-tany i Jesosy Kristy Zanany mba hanome ny ainy lavorary ho sorona. Ho afaka hiaina mandrakizay izay maneho finoana an’ilay sorona na “vidim-panavotana.”​—Romanina 3:24.

Hoy i Paoly momba ny fitahiana rehetra omen’Andriamanitra ny mpanompony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy: “Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana tsy hay lazaina!” (2 Korintianina 9:15) Tsy manam-paharoa tokoa ny vidim-panavotana, ka tsy misy teny mahalaza azy. Inona no tsy itovizany amin’ny fanomezana tsara rehetra nomen’Andriamanitra ny olona?a Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka azy io ianao? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka ny valiny omen’ny Baiboly.

a “Nahafoy ny ainy ho antsika” i Jesosy. (1 Jaona 3:16) Anisan’ny fikasan’Andriamanitra anefa ny hanome ny vidim-panavotana, ka izay nataony no tena resahina ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara