FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w17 Novambra p. 18-19
  • “Hovalian-tsoa ny Olona Malala-tanana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hovalian-tsoa ny Olona Malala-tanana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • “Asa Goavana” no Miandry Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Tahafo i Jehovah ka Miezaha ho Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nameno ny Tsy Ampy ny Ambim-bavan’izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
w17 Novambra p. 18-19
Hana mitondra an’i Samoela kely any amin’ny tranolay masina

“Hovalian-tsoa ny Olona Malala-tanana”

EFA hatry ny ela ny fanaovana sorona no anisan’ny ampahany lehibe amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanao sorona biby, ohatra, ny Israelita. Ny Kristianina indray manao “sorona fiderana”, ary efa nampahalaza azy ireo hatry ny ela izany. Misy sorona hafa mampifaly an’Andriamanitra koa anefa. (Heb. 13:15, 16) Mahafaly ny manao an’ireny sorona ireny sady ahazoana valisoa. Diniho ange ireto ohatra ireto e!

Tena te hanana zanakalahy i Hana, mpanompon’i Jehovah tsy nivadika. Tsy nety nanan-janaka anefa izy. Nivoady tamin’i Jehovah àry izy hoe raha miteraka lahy kely izy, dia homeny an’i Jehovah ilay zaza mba hanompo azy “mandritra ny androm-piainany.” (1 Sam. 1:10, 11) Bevohoka izy tatỳ aoriana ary niteraka lahy kely. Nataony hoe Samoela ny anarany. Rehefa nisara-nono ilay zaza, dia notanterahin’i Hana ny voadiny. Nateriny tany amin’ny tranolay masina i Samoela mba hanompo an’i Jehovah. Namaly soa an’i Hana i Jehovah satria nafoiny ho azy ny zanany na dia tena tiany aza. Mbola niteraka dimy izy, ary i Samoela indray lasa mpaminany sy mpanoratra Baiboly.—1 Sam. 2:21.

Afaka manahaka an’i Hana sy Samoela koa ny Kristianina ankehitriny, ka manokana ny fiainany hanompoana ny Mpamorona. Nampanantena i Jesosy hoe hahazo valisoa be dia be isika noho izay rehetra afointsika mba hanompoana an’i Jehovah.—Mar. 10:28-30.

Nanao sorona hanampiana ny hafa i Dorkasy, vehivavy kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nalaza ho mpanao “asa soa” sy ‘niantra ny mahantra’ izy. Narary anefa izy dia maty, ka nalahelo be ny fiangonana. Henon’ny mpianatr’i Jesosy hoe tao amin’ilay tanàna nisy an-dry zareo i Petera, ka niangaviany ho tonga avy hatrany. Faly be ry zareo avy eo satria natsangan’i Petera tamin’ny maty i Dorkasy. Io no fananganana amin’ny maty voalohany resahin’ny Baiboly hoe nataon’ny apostoly. (Asa. 9:36-41) Tsy nanadino ny sorona nataon’i Dorkasy Andriamanitra. (Heb. 6:10) Nosoratana ao amin’ny Baiboly izay nataony, amin’izay isika miezaka ny halala-tanana toa azy.

Modely ho antsika koa ny apostoly Paoly, satria tena tia niahy olona sady nahafoy fotoana hanampiana azy ireo. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tany Korinto: “Raha ny amiko, dia ho faly tokoa aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo.” (2 Kor. 12:15) Hitan’i Paoly tamin’ny zavatra niainany fa afa-po sady ankasitrahan’i Jehovah ary omeny valisoa ny olona mahafoy tena ho an’ny hafa.—Asa. 20:24, 35.

Faly àry i Jehovah rehefa mahafoy fotoana sy hery isika mba hanaovana ny asan’ilay Fanjakana sy hanampiana ny mpiray finoana amintsika. Afaka manome fanomezana an-tsitrapo koa anefa isika mba hanohanana an’io asa io. Ampiasaina mba hanitarana ny asa fitoriana maneran-tany ireny fanomezana ireny. Tafiditra amin’izany ny fanampiana ny misionera sy ny mpanompo manontolo andro manokana hafa. Ireny fanomezana ireny koa no ahafahana manomana sy mandika boky sy gazety ary video, manampy tra-boina, ary manorina Efitrano Fanjakana. Matokia fa “hovalian-tsoa ny olona malala-tanana.” Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika rehefa omentsika azy ny zava-tsarobidy ananantsika.—Ohab. 3:9; 11:25.

Fomba Azo Anaovana Fanomezana Ho An’ny Asa Maneran-tany

Maro ny olona ‘manokana vola’ hatao fanomezana, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. (1 Kor. 16:2) Arotsak’izy ireo ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany” izany. Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azon’ny tsirairay alefa mivantana koa anefa ny fanomezana an-tsitrapo, ka alefa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Ireto avy ny karazana fanomezana azonao alefa mivantana:

FANOMEZANA TSY MISY FEPETRAa

  • Vola avy ao amin’ny kaonty amin’ny banky, ary alefa amin’ny alalan’ny Internet na amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola. Azo atao amin’ny alalan’ny jw.org na amin’ny alalan’ny tranonkala hafa efa voafidy koa izany, any amin’ny sampana sasany.

  • Lelavola, firavaka, na zava-tsarobidy hafa. Asio taratasy milaza hoe fanomezana tsy misy fepetra miaraka amin’ilay izy.

FANOMEZANA VOLA MISY FEPETRA

  • Azonao atao ny manome vola misy fepetra. Afaka mametraka fepetra ianao, ohatra hoe haverina aminao ilay vola rehefa mangataka izany ianao.

  • Asio taratasy milaza hoe fanomezana misy fepetra miaraka amin’ilay izy.

FANOMEZANA HAFA

Misy fomba tsotra koa azo anaovana fanomezana. Afaka manokana ampahany amin’ny zaridainanao na amin’ny taninao ianao, na mifidy biby vitsivitsy amin’ireo biby ompianao, na mifidy hazo fihinam-boa vitsivitsy eo amin’ny sahanao. Atokano foana izay vokatra azo amin’ilay tany, na biby, na hazo fihinam-boa, ka amidio. Izay vola azo dia arotsahy ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.” Mbola misy fomba hafa koa anefa ireto:

Fanomezana isam-bolana: Hoy ny Baiboly: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra.” (Ohab. 3:9) Misy olona sasany manokana ampahany amin’ny karamany isam-bolana, mba harotsaka ao amin’ny boatin’ny fiangonana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

Fiantohana sy vola fisotroan-dronono: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na avy amin’ny fisotroan-dronono.

Kaonty any amin’ny banky: Azo atao ny mifanaraka amin’ny banky hoe ny FI.MPI.BA.MA. no haka ny vola ao amin’ny kaontinao, rehefa maty ianao. Tokony hatao mifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny banky izany.

Trano sy tany: Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana misy fepetra koa anefa izany, ohatra hoe mbola ho fanananao ilay izy izao, na mbola tianao hipetrahana, fa rehefa maty ianao vao lasan’ny FI.MPI.BA.MA. ilay izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., nefa tokony hisy didim-pananana ara-dalàna hatao mba hampanan-kery an’ilay izy. Misy koa mahazo tombony amin’ny taniny na ny fananany hafa ankininy amin’ny olona na orinasa, ary tiany ny hizara ilay tombony amin’ny FI.MPI.BA.MA. Tokony hosoratany mazava tsara ao amin’ny fifanarahana ifanaovany amin’ilay olona na orinasa izany. Mety hihena ny hetra aloanao, rehefa manasoa fikambanana ara-pivavahana ianao.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe “Hanao Fanomezana ho An’ny Asanay Maneran-tany”, eo amin’ny farany ambany amin’ny pejy rehetra. Azonao atao koa ny manoratra na miantso any amin’ny biraon’ny sampana.

a Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara