FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/10 p. 3
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 12/10 p. 3

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Desambra 2010. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 1 Novambra ka hatramin’ny 27 Desambra 2010 izy io.

1. Inona no ianarantsika avy amin’ny fiderana nataon’ireo Levita mpihira, ao amin’ny 1 Tantara 16:34? [w02 15/1 p. 11, feh. 6-7]

2. Inona no toetran’i Davida tokony hotahafintsika, rehefa jerena izay nataony tamin’izy tsy navela nanorina ny tempoly? (1 Tan. 22:8) [w06 1/11 p. 18, feh. 2; w06 15/7 p. 19, feh. 2]

3. Inona no tian’i Davida Mpanjaka ho tsapan’i Solomona zanany, momba an’Andriamanitra? (1 Tan. 28:9) [w08 15/10 p. 7, feh. 18]

4. Nahoana no nety tsara ny nametrahana an’ilay ranomasina varahina teo ambonin’ny sarin’omby? (2 Tan. 4:2-4) [w05 1/12 p. 19, feh. 3; w98 15/6 p. 16, feh. 17]

5. Ireo takela-bato roa ihany ve no tao anatin’ilay vata misy ny fifanekena, sa nisy zavatra hafa koa tao? (2 Tan. 5:10) [w06 15/1 p. 31]

6. Inona no tian’i Solomona holazaina rehefa nangataka an’i Jehovah izy mba hihaino ny fangatahan’ireo ‘mivavaka manandrify an’ilay toerana’? (2 Tan. 6:21, 32, 33) [w05 1/12 p. 19, feh. 9]

7. Inona no dikan’ilay fitenenana hoe “fifaneken-tsira”? (2 Tan. 13:5, fanamarihana ambany pejy) [w05 1/12 p. 20, feh. 2]

8. Ahoana no azo ampiharana an’ilay toro lalana ao amin’ny 2 Tantara 17:9, 10, rehefa manompo? [w09 15/6 p. 12, feh. 7]

9. Ahoana no hampiharan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ny 2 Tantara 20:17? [w03 1/6 p. 21-22, feh. 14-17]

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny fireharehan’i Ozia Mpanjaka? (2 Tan. 26:15-21) [w05 15/10 p. 25; w99 1/12 p. 26, feh. 1-2]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara