Manasongadina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny Kalandrie 2011
Ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana no loha hevitry ny Kalandrie 2011. Ahitana sarina fianakaviana fahiny sy ankehitriny ao amin’izy io. Ao ny maro anaka, ary ao ny mitaiza irery. Ao koa ny mpivady tsy manan-janaka sy ny mpitovo.
Samy nanana ny olana natrehiny ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny aseho ao. Afaka niatrika izany anefa izy, satria tena tia ny lalàn’i Jehovah. (Sal. 1:2, 3) Diniho ny sary tsirairay. Asongadina ao fa zava-dehibe ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, na maro na vitsy ny ao an-trano, ary na manompo an’i Jehovah daholo na tsia. Isaky ny inona ianareo no manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Misy toerana natao hanoratana izany ao. Efa nofenoinao ve izy io?