FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 6-7
  • 1 | Aza Manavakavaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 | Aza Manavakavaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianaran’ny Baiboly:
  • Inona no dikan’izany?
  • Inona no azonao atao?
  • Titosy — ‘Mpiara-miasa ho Fanasoavana Anareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Nifototra tamin’ny asa sarotra iray i Titosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-56 — Titosy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Titosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 6-7
Lehilahy mainty hoditra mitazona sarina lehilahy iray fotsy hoditra mitsikitsiky, ary lehilahy fotsy hoditra mitazona sarina lehilahy iray mainty hoditra mitsikitsiky. Misy sarin’olona be dia be tezitra ao aoriana.

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

1 | Aza Manavakavaka

Fampianaran’ny Baiboly:

“Tsy manavakavaka Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”​—ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35, fanamarihana ambany pejy.

Inona no dikan’izany?

Tsy ny firenentsika, na ny fiaviantsika, na ny volon-koditsika, na ny kolontsaintsika no itsaran’i Jehovaha Andriamanitra antsika. Ny eritreritsika sy ny faniriantsika kosa no tena ifantohany. Marina mihitsy ilay hoe: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”​—1 Samoela 16:7.

Inona no azonao atao?

Tsy mahita ny any am-pon’ny olona isika. Afaka miezaka manahaka an’Andriamanitra anefa isika, dia tsy manavakavaka. Tadidio hoe samy manana ny maha izy azy ny tsirairay. Inona àry no azonao atao raha hitanao hoe mankahala ny hafa ianao, angamba noho ny fiaviany na ny fireneny? Mivavaha amin’Andriamanitra, dia angataho izy mba hanampy anao hanala an’izany fihetseham-po ratsy izany. (Salamo 139:23, 24) Matokia hoe hihaino sy hanampy anao i Jehovah, raha tena mangataka aminy ianao mba hampiany hahavita tsy hanavakavaka.​—1 Petera 3:12.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

“Oviana aho no mba niaraka tamin’olona fotsy hoditra ka tsy nila vaniny taminy? ... Lasa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany aho izao.”​—TITUS

Tantara Tena Nisy​—TITUS

Nandresy ny Fankahalana Izy

Titus.

Tsy rariny ny lalàna navoakan’ny fanjakana satria nanavakavaka, dia tezitra tamin’izany i Titus. Lasa niaraka tamina andian-jiolahy nankahala an’izany koa àry izy. Izao no nolazainy: “Tsy nahazo nankany amin’ny toerana sasany toy ny hotely sy ny bara ny mainty hoditra, nefa nankany izahay mba hila ady amin’olona fotsiny.” Niaiky i Titus hoe fankahalana no nahatonga azy hanao an’izany. Hoy koa izy: “Rehefa misy mifamaly amiko, na lahy na vavy, dia izaho foana no mikasi-tanana voalohany.”

Niova anefa i Titus rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy vokany be taminy izay novakiny tao amin’ny Baiboly. Tena nanohina ny fony ilay fampanantenana hoe ‘tsy hisy fahafatesana na alahelo na fitarainana na fanaintainana intsony’ eto an-tany amin’ny hoavy.​—Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mora tamin’i Titus ny nanala ny fankahalana tao am-pony tamin’ny voalohany. Izao no nolazainy: “Sarotra be tamiko ny nanova ny fomba fisainako sy ny fanaoko.” Nanampy azy anefa ny zavatra nianarany tao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35 hoe tsy manavakavaka Andriamanitra.

Inona no vokany? Izao no nolazain’i Titus: “Hitako fa mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah, na inona na inona firazanany na volon-kodiny, ka resy lahatra aho fa io no fivavahana marina. Nisy olona fotsy hoditra tao amin’ny fiangonana nanasa ahy hisakafo tany an-tranony, na tamin’izaho mbola tsy vita batisa aza. Toy ny hoe nanonofy aho! Oviana aho no mba niaraka tamin’olona fotsy hoditra ka tsy nila vaniny taminy? Mainka moa fa ny hoe hiara-hisakafo aminy any an-tranony! Lasa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany aho izao.”

Afaka mahita ny tantaran’i Titus ianao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2009, pejy 28-29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara