MBA ANDRAMO IZAO
Azo Atao Fianarana Samirery sy Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana
Tsy rehefa any am-pivoriana na amin’ny fivoriambe ihany isika no manompo an’i Jehovah, fa rehefa irery sy miaraka amin’ny fianakaviantsika koa. Ireto misy hevitra vitsivitsy azo atao fianarana samirery sy Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana:
Omano ny fivorian’ny fiangonana, anisan’izany ny mianatra ny hira sy manampy ny mpianakavy rehetra hanomana valin-teny.
Mamakia tantara ao amin’ny Baiboly. Azonao atao sary avy eo ny zava-nitranga iray tamin’ilay izy, na soratana izay nianaranao tao.
Mandiniha vavaka iray ao amin’ny Baiboly, dia resadresaho hoe nahoana izy io no afaka manatsara ny vavaka ataonareo.
Mijere video navoakan’ny fandaminana, dia avy eo resaho amin’ny hafa ilay izy, na manorata fehintsoratra iray momba an’ilay izy.
Omano ny fanompoana. Azo atao angamba ny manao fanazaran-tena.
Diniho ny zavaboary, dia avy eo saintsaino na resadresaho hoe inona no nianaranao momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy.a
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah Ianao Raha Mandinika ny Zavaboariny”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2023.