FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w24 Novambra p. 32
  • Mitadiava Toerana Mety Tsara Ianarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitadiava Toerana Mety Tsara Ianarana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?
    Manontany ny Tanora
  • F’angaha Tsy Maintsy Idikidirana Foana ny Fiainako E?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Inona no Hataoko mba Tsy Hidikiditra Be Amin’ny Fiainako ry Zareo?
    Manontany ny Tanora
  • Diso ve Aho Raha mba Te Hanana ny Fiainako Manokana?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
w24 Novambra p. 32

MBA ANDRAMO IZAO

Mitadiava Toerana Mety Tsara Ianarana

Te handray soa kokoa ve ianao rehefa mianatra samirery? Mety hanampy anao hifantoka kokoa ireto soso-kevitra ireto:

  • Mifidiana toerana mety. Raha azo atao dia mitadiava toerana milamina sy mazava tsara. Afaka mampiasa seza sy latabatra ianao, na mitady toerana mampahazo aina anao any ivelany.

  • Mitadiava toerana mitokana. Nisafidy ny hivavaka “vao maraina” tany “amin’ny toerana mitokana” i Jesosy. (Mar. 1:35) Raha tsy mahita toerana mitokana ianao, dia azonao ampahafantarina ny ao an-tranonareo hoe rahoviana ianao no hianatra. Iangavio ry zareo mba tsy hanelingelina anao amin’io fotoana io.

  • Miezaha hifantoka foana. Esory izay manelingelina. Vonoy ny fanairana, na ataovy tsy afaka mandray antso sy hafatra (mode avion) ny tablette na telefaonina ampiasainao rehefa mianatra ianao. Raha misy zavatra tsaroanao tampoka hoe mila ataonao, dia soraty ilay izy amin’izay tsy hadinonao. Raha sarotra aminao ny mifantoka, dia mandehandehana kely aloha na ahetsiketseho kely ny vatanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara