Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1996
TAMIN’NY alalan’i Isaia mpaminany, i Jehovah Andriamanitra dia niresaka tamin’ilay fandaminany mamin’ny fony, ka nanao hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:10, 13). Nanonona ireo teny ireo i Jesosy rehefa nanazava ilay asa nataon’ny Rainy tamin’ny fampiasana azy ho mpampianatra. (Jaona 6:45). Tao anatin’ny fe-potoana naharitra 1 960 taona mahery, dia nitohy io asa fampianarana io, ka nanomana andiany kely iray voaforon’ny olona avy amin’ny “fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” mba hiara-manompo an’i Kristy ao amin’ilay Fanjakany any an-danitra. (Apok. 5:9, 10; Lioka 12:32, NW ). Tsy voafetra ho an’ilay andiany kely anefa ilay fandaharam-pampianarana araka an’Andriamanitra.
I Jehovah koa dia nanome an’i Isaia fahitana vahoaka iray voaforon’ny olona sesehena avy amin’ny firenena rehetra — ireo izay mety ho zanak’Andriamanitra — izay miakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah mba hampianarina araka ny lalany. (Isaia 2:2-4). Mifanaraka amin’io fahitana io, i Jesosy dia nandidy an’ireo mpanara-dia azy mba ‘hanao mpianatra olona amin’ny firenena rehetra, hampianatra azy ireo hitandrina ny zavatra rehetra’ reny tamin-dRainy ka nampianariny azy ireo. (Matio 28:19, 20, NW ). Amin’izao andro izao, io asa fampianarana io dia mandroso amin’ny hafainganam-pandeha mahazendana.
Nandritra ny taom-panompoana lasa, dia nisy, tamin’ny antsalany, 4 950 344 nandray anjara isam-bolana tamin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso mikasika ny Fanjakan’i Jehovah. Ny tampon’isan’ireo mpandray anjara nandritra ny taona dia 5 199 895 tamin’ny fitambarany. Teo anivon’ireo dia nisy olona avy tamin’ny firazanana rehetra, saika avy tamin’ny firenena rehetra. Ny sasany amin’ireo mpitory ireo dia 80, 90, 100 taona mihitsy aza — anisan’izany ny rahalahy voahosotra mahatoky iray ao Pennsylvania, atỳ Etazonia, izay maherin’ny 102 taona ary nanao ny asan’ny mpisava lalana tao anatin’ireo 46 taona lasa. Misy tanora maro be koa, toy ilay ankizivavy 13 taona tany Alemaina, izay nihevitra ny sekoliny ho ny faritaniny manokana, sy ilay mpitory tanora tany Italia, izay nanao izay hahazoana antoka fa samy nahazo iray tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34 ny mpampianatra azy sy ny tsirairay tamin’ny iray kilasy taminy.
Ny tatitra momba iny taona iny dia mampiseho fa ilay fandaharam-pampianarana araka an’Andriamanitra, amin’izao fotoana izao, dia tarihina any amin’ny tany sy fitambara-nosy ary faritany 232. Ary tena be zavatra natao ireo izay nandray anjara tamin’io asa io. Nandritra ny taom-panompoana 1995, dia nanokana 1 150 353 444 ora ho an’ny fanompoana teny amin’ny saha izy ireo, nanao fiverenana mitsidika 421 827 907 ary, tamin’ny antsalany, dia nitarika fampianarana Baiboly 4 865 060 tany an-tokantrano. Maro tamin’ireo no nandray am-po ny fampianarana nomena azy; ho vokany, dia 338 491 no natao batisa ho mariky ny fanolorany tena ho an’i Jehovah. Avy tamin’ny fiaviana isan-karazany izy ireo. I Polonina dia mitatitra fa ‘tanora ny ankamaroan’ireo’ natao batisa. Ny biraon’i Albania dia milaza fa ny Vavolombelona iray izay masera katolika italianina taloha, dia nanampy ny vehivavy albaney iray izay tsy nino an’Andriamanitra no sady komonista nafana fo, mba ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah vita batisa. Izy mirahavavy ireo ankehitriny dia mitarika, amin’ny fitambarany, fampianarana Baiboly maherin’ny 50 amin’ny olon-kafa any Albania, ary mankafy fatratra ny fanaovana izany.
Nandritra ny taona maro, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia fitaovana nandaitra teo amin’ny fandaharam-pampianarana maneran-tany notarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny zavatra voalohany ifantohan’ireo gazety ireo dia ny Baiboly sy ireo zavatra mahatalanjona aharihariny ka misy ifandraisana amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Tena iraisam-pirenena marina ny fomba fijerin’ireo gazety ireo zavatra; mampitandrina ny mpamaky hahita ireo fisehoan-javatra lehibe maneran-tany izy ireo, ary koa ireo fomba ahafahan’ny olona, na aiza na aiza onenany, miatrika amim-pahombiazana ireo faneren’ny fiainana. Tamin’iny taona iny, dia gazety 456 995 181 no tena voapetraka tamin’ny olona liana. Tamin’ny 1 Septambra 1995, Ny Tilikambo Fiambenana dia natao pirinty tamin’ny fiteny 120; ny Mifohaza!, tamin’ny fiteny 75. Tany am-piandohan’ny volana Aprily, ny kongregasiona sasany dia nanome tosika manokana ho an’ny fizarana gazety tamin’ny fanaovana fandaharana ny amin’ny Andro Fizarana Gazety iray tena manokana. Ny kongregasiona iray tany Pirée, any Gresy, izay mamerina tatitra ny amin’ny mpitory 90 mazàna, dia nandamina fivoriana efatra ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha tamin’ilay andro tena manokan’izy ireo. Ho vokatry ny ezaka nifarimbonan’izy ireo, dia gazety 700 no voapetraka tamin’io andro iray io. Nandritra ny volana Aprily, ireo mpitory 538 namerina tatitra tany Albania dia nahapetraka gazety 56 049 — 104 isaky ny mpitory! Ny sampan’i Goatemala, i Silia, i Trinité ary i Fidji koa dia nitatitra fihetsika faran’izay tsara teo anoloan’ireo fandaharana ny amin’ny Andro Fizarana Gazety tena manokana toy izany.
Fampiasana vidéos mba hampianarana
Tato anatin’ireo taona faramparany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa koa vidéos ho fiasana fampianarana. Hatramin’izao, dia cassettes vidéo efa ho efatra tapitrisa amin’ny fiteny maherin’ny 30 no efa navoaka. Ireo vaovao navoaka tamin’iny taom-panompoana lasa iny dia nitondra ny lohateny hoe United by Divine Teaching (Tafaray Noho ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra) (miorina amin’ilay fitohitohizana fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1993-1994), To the Ends of the Earth (Hatrany Amin’ny Faran’ny Tany) (manasongadina ny Sekolin’i Gileada sy ny asa ataon’ireo misionera nahazo diplaoma tany), La Société du Monde Nouveau en action (manome topy maso ara-tantara momba ny fandaminana amin’ny andro ankehitriny, fony izy io mbola tokony ho ampahafolon’ny habeny amin’izao andro izao), ary ny toko telo voalohany amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay amin’ny Baikon’ny Moana amerikana.
Ankasitrahan’ny olona nahita fianarana ny vidéos voavoatra tsara. Azo ampiasaina koa izy ireo mba hampianarana ireo tsy mahay taratasy, ireo ankizy mbola tsy nianatra namaky teny, ny olona tsy afaka mifantoka ela, ary koa ireo izay marenina. Ny zatovovavy iray izay nahazo ny vidéo Tafaray Noho ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra ho fanomezana avy tamin’ny havana Vavolombelona iray, dia voatohin’izy io aoka izany, hany ka nangataka avy hatrany ny raikeliny izy mba hitondra azy tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Any Liban, ireo loholona dia miezaka hiaraka amin’ireo mpitory any amin’ireo fampianarana Baiboly mandroso rehetra tarihin’izy ireo any an-tokantrano, ary raha azo atao, dia mampiseho ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Faran’izay tsara ny vokatra azo.
Fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana maneran-tany
Ny iray tamin’ireo lafin-javatra niavaka tamin’ny fanaovana fanambarana nandritra ny taona 1995 dia nahakasika ny fizarana ny taratasy mivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34. Nampitomboina niandalana nandritra ny volana maro mialoha ny fiandrandrana azy io. Avy eo, tamin’ny alahady 23 Aprily, taorian’ny lahateny ampahibemaso hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”, dia navoaka ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana, ary nanomboka ny fiaraha-nizara azy tamin’ny fiteny 111. Nozaraina tamin’ny fiteny 25 hafa izy io taoriana kokoa tamin’ny taona. Tany amin’ny tany maro, dia nisy tampon’isa tratra teo amin’ny mpitory sy ny ora, nandritra ny fotoana natokana ho an’ny fizarana azy io.
Tapaka ny tongotry ny mpisava lalana iray tany Meksika ka natahotra izy sao tsy ho afaka hanao ny anjarany. Nahazo seza mikorisa anefa io anabavy io, nipetraka teo anoloan’ny tranony nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany ka hatramin’ny 11 ora isa-maraina, ary niantso an’ireo olona nandalo. Tao anatin’ny telo andro dia voapetrany daholo ireo taratasy mivalona tany aminy, ka nangataka hafa koa izy.
Tany Naples, any Italia, ireo rahalahy dia nanao ezaka manokana mba hizarana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana tamin’ireo mpianatra any an-tsekoly. Ny mpisava lalana manokana iray dia mitatitra fa avy hatrany dia fantatry ny talen’ny sekoly iray ho Vavolombelon’i Jehovah izy. Rehefa avy namaky ilay taratasy mivalona io ramatoa io, dia nanao hoe: ‘Tsy hitako izay maha-ratsy an’itỳ. Omeo 841 aminy aho. Samy tokony hanana iray ny mpianatro rehetra!’ Tatỳ aoriana, rehefa nirava avy nianatra ireo mpianatra, dia an-jatony maro tamin’izy ireo no nanana ilay taratasy mivalona teny an-tanany. Nitsidika ny sekoly iray notantanan’ny masera Bénédictines koa ireo Vavolombelona tao Naples. Gaga ilay “Mère Supérieure” namaky fa tena misy vahaolana maharitra ho an’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona. Nangataka 350 tamin’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana izy mba hozaraina tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra, ary tena nizara azy ireo tokoa izy, niharihary fa tamim-pahafinaretana be, tany amin’ny iray tamin’ireo sehatra fampisehoana tantaran’ny sekoly.
Samy hafa ny fihetsika teo anatrehan’ilay hafatra. Olona maro no tsy niraika, ny sasany tezitra, fa ny hafa kosa nandray tsara. Tany Alaska, ny bodista iray mpianatra tany amin’ny fianarana ambony, izay nandray tamim-pankasitrahana iray tamin’ilay taratasy mivalona, dia nanaiky hianatra Baiboly, ary teo izy tamin’ny tapany tamin’ny fivoriamben’ny distrika, roa volana tatỳ aoriana. Tany Aostralia, ny “Anglikanina nandao ny finoany” iray dia nanoratra fa “nitady ny fahamarinana — ny tena hevitry ny fiainana” izy. Voatosika mba hangataka fanazavana bebe kokoa izy. Ny mpivady iray izay notolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana teny amin’ny torapasik’i Bélize, dia nandray azy io tamin’ny farany rehefa notolorana iray indray izy ireo tao amin’ny trano kely iray tany amin’ny faritra lavitra be tany Alaska. Ny Vavolombelona iray tany Rwanda dia nandefa iray tamin’ny teny kinyarwanda, tany amin’ny rahavaviny tany Belzika, ary nampirisika azy mafy hitady ireo Vavolombelona. Nanao izany izy io; nizara io zavatra vita an-tsoratra io ihany koa izy ireo tany. Tamin’io herinandro io ihany izy dia nahazo ny fianarany Baiboly voalohany.
Ny ezaka nifarimbonan’ireo mpitory tany Cameroun dia nanosika ny mpitazana sasany hanontany hoe: “Fa misy inona? Nahoana ny Vavolombelona no mivoaka mitory be dia be toy izao?” Nisy nanatsoaka hevitra fa tsy maintsy ho efa akaiky ny Haramagedona. Ny mpisava lalana iray izay nizara ilay taratasy mivalona tao amin’ny vohitra katolika be iray tany, dia niverina herinandro tatỳ aoriana ary nahita antokon’olona niandry azy tamim-pahadodonana. Hoy izy ireo: “Izao dia fantatray ny fahasamihafana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Katolika.” Fampianarana Baiboly 13 no natomboka, ary nangataka ny hampanorenana Efitrano Fanjakana iray izy ireo.
Tany Danemark, ny ramatoa tanora iray dia nandray iray tamin’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana ary dia niditra tao an-trano. Kanefa, nanokatra avy hatrany indray ny varavarana izy, ka nanontany hoe: “Azonao porofoina avy ao amin’ny Baiboly ve izay voalaza ato amin’itỳ taratasy mivalona itỳ?” Nanao izany ilay mpitory, tamin’ny fampiasana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Avy eo, dia nanontany ilay ramatoa hoe: “Azonao aseho ahy avy ato amin’ny Baiboliko indray ve izany?” Nanao izany ilay Vavolombelona. Tamin’ny fitsidihana nanaraka, dia natao ny fandaharana ho amin’ny fianarana tsy tapaka.
Tany Etiopia, dia napetraka teo amin’ny tabilao fametahana filazana tany amin’ny oniversite ilay taratasy mivalona. Tany amin’ny République Dominicaine, dia nampandrenesina tamin’ny radio ny fizarana azy io. Teo anoloan’ny fizarana azy io tany Rosia, dia hoy ny iray tamin’ireo taratasy maro voaray: ‘Io taratasy mivalona io dia manoro hevitra ny hanombohana fianarana ny Baiboly mahomby. Manana olona be dia be izay maniry hianatra izahay, ary misy tanora maro eo amin’izy ireo.’ Nangataka fanampiana maika dia maika izy ireo.
Tao Afrika Atsimo, ny lehilahy zokiolona iray izay namaky ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana, dia niantso an-telefaonina ilay mpitory namela azy io, ka nihiaka hoe: “Nahita ny fahamarinana aho!” Tamin’io andro io ihany, izy dia nanao dia an-tongotra telo kilaometatra sy sasany hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary tsy nanapaka fivoriana mihitsy izy hatramin’izay.
Mpanompo manontolo andro be zotom-po
Eo amin’ny loha laharana amin’ny asa fanaovana fanambarana ny olona maro izay nandamina ny raharahany mba ho ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Amin’ny antsalany, dia 663 521 no nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana isam-bolana. Asa tsara dia tsara toy inona moa no nataon’izy ireo! Ny ampahany lehibe amin’izy ireo dia mpisava lalana maharitra, izay ny tanjony dia ny handany 90 ora isam-bolana eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha; maherin’ny 15 000 no mpisava lalana manokana, izay ny fandaharam-potoanany dia mahafaoka 140 ora anaovana fanambarana isam-bolana; maro hafa koa no mpisava lalana mpanampy, izay manokana 60 ora na mahery isam-bolana anambarana ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny taranak’olombelona. Afaka nandray anjara tamin’io fanompoana io ve ianao nandritra ny taona?
Anisan’ireo ao amin’ny fanompoana manontolo andro ny mpianakavin’ny Betela 16 468 maneran-tany. Amin’io isa io, dia 5 709 no manompo any amin’ny foibe maneran-tany; izy rehetra ireo dia mpikambana ao amin’ny Laharan’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana. Fanampin’izany, dia 4 374 no misahana fanendrena izay mitaky ny hanaovany dia avy eo amin’ny fivoriambe iray ho amin’ny iray hafa ao anatin’ny distrika iray nanendrena azy, na avy eo amin’ny kongregasiona iray ho amin’ny iray hafa ao anatin’ny fizaran-tany iray. Ny iray amin’ireo asa lehibe indrindran’ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra toy izany dia ny fandraisana ny fitarihana eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.
Ilay fivoriantsika lehibe indrindra
Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, nankalazaina taorian’ny filentehan’ny masoandro tamin’ny 14 Aprily, no ilay zava-nisongadina ara-panahy tamin’ny taona. Izy io dia nampifantoka ny saina tamin’ny fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy mba hamonjena izay rehetra haneho finoana. (Matio 26:26-30; Asa. 4:12). Naneran-tany, dia nisy 13 147 201 ny mpanatrika. Tany amin’ny toerana sasany, dia tena niavaka marina ny isan’ny nanatrika. Ny kongregasiona iray nisy mpitory tokony ho 150 tany Lilongwe, any Malawi, dia nitatitra fa 1 202 no nanatrika. Ireo mpitory 25 tany Uzhoor, any Rosia, dia nanana mpanatrika 247 tamin’ny Fahatsiarovana, ary ny kongregasiona iray nisy mpitory 103 tany Ashgabad, any Turkménistan, dia nilaza fa 1 053 no nanatrika. Tany Bénin, any Afrika Andrefana, ny kongregasiona iray nisy mpitory 45, dia nanana mpanatrika 901 tamin’io fisehoan-javatra lehibe io. Tany Buchanan, any Libéria, teo akaiky kelin’ny nanaovana ilay ady an-trano tamin’izay, ny kongregasiona nisy mpitory 50 dia nanana mpanatrika 705.
Ny mpisava lalana manokana roa tany Sivia, any Peroa, dia nanofa efitra iray ho amin’ny Fahatsiarovana ary nanasa olona tso-po sy mpivavaka, anisan’izany ireo tao amin’ireo biraom-panjakana teo an-toerana, mba hanatrika. Nientam-po ireo mpisava lalana nanana mpanatrika 93, ka rangahy nihaja ny ankamaroany. Ny Eglizy Katolika teo an-toerana dia nandamina ny hisian’ny filaharana ara-pivavahana tamin’io hariva io, nefa voatery nanafoana azy io, satria ireo lehilahy natao hibata ilay “olo-masina” dia tany amin’ny Fahatsiarovana, niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kivy ireo mpanohana ny eglizy ka nitora-bato ilay trano nivorian’ireo Vavolombelona.
Na dia ny fisehoan-javatra lehibe indrindra eo amin’ny kalandrie teokratika aza ny Fahatsiarovana, dia tsy izy io velively no hany fotoana iarahantsika mba hahazoana fampianarana araka an’Andriamanitra. Isan-kerinandro, isika dia miara-mivory mba hianatra ny Baiboly amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ny 1 Septambra 1995, io gazety io dia niara-nivoaka tamin’ny fiteny 100, zavatra izay anisan’ny miteraka ny firaisan-tsaina eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny 116 taona, Ny Tilikambo Fiambenana dia nampiasain’ny mpanompo mahatoky sy malina ho toy ny fomba lehibe indrindra nanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny mpanompon’i Jehovah. Ary fandaharam-pampianarana tondraka toy inona moa no nomen’izy io antsika tamin’iny taon-dasa iny! Miaraka amin’izany isika dia manana fivoriana efatra hafa isan-kerinandro. Isan-taona, dia manana fivoriamben’ny fizaran-tany sy andro fivoriambe manokana koa isika. Fanampin’izany, dia miandry amim-panantenana mafy ny fivoriamben’ny distrika fanao isan-taona isika.
Fivoriamben’ny distrika nanerana ny bolan-tany
Ny fitohitohizana Fivoriamben’ny Distrika hoe “Tahotra Araka An’Andriamanitra” izay nanomboka tamin’ny 1994, dia nitohy hatreo amin’ny tapany voalohany tamin’ny taom-panompoana 1995. Tany Zambia, ohatra, dia 49 tamin’ireo fivoriambe ireo no natao, ka 327 856 no tampon’isan’ny mpanatrika tamin’ny fitambarany. Lafo loatra ho an’ny fianakaviana maro anaka matetika ny fitateram-bahoaka ho amin’ny dia lavitra iray, koa naparitaka nanerana ilay tany manontolo ireo toerana nanaovana fivoriambe. Na dia izany aza, ny sasany tamin’ireo izay niankina tamin’ny ampondra na ny sarety dia mbola tsy maintsy nanao dia mandroso hatramin’ny valo andro, mba hahatongavana tany amin’ny fivoriambe. Maro no nandeha an-tongotra no sady niloloha entana; ny hafa nampiasa bisikilety; ny sasany nianika kamiao efa notambesaran’entana; nisy hafa koa nampiasa aotobisy, fiarandalamby na izay fitateram-bahoaka rehetra nisy. Ny ezaka nifarimbonan’izy ireo mba hanatrehana ireo fivoriamben’ny distrika dia fanehoam-pinoana niavaka.
Tamin’ny tapany farany tamin’ny taom-panompoana 1995, dia nanomboka ny fitohitohizana fivoriamben’ny distrika nanasongadina ny loha hevitra hoe “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”. Ny iray tamin’ireo rahalahy nanatrika tany Danemark dia nanao izao fanamarihana izao: “Izy iny dia nanome antsika fiangaviana feno fitiavana hafa indray koa mba hampifanaraka ny fiainantsika amin’ireo toromarika omen’i Jehovah sy mba hanana fiainana mendrika ny fahamarinana. Tsy mitsaha-mitombo ireo faneren’i Satana, nefa tsara ny nampahatsiahivana ireo antony maro ananantsika hitoerana ho falifaly na dia eo anatrehan’ny fisedrana na ny aretina aza. Nampihetsi-po toy inona moa ny nandre fanandraman-javatra manokana avy tamin’ny rahalahy sy anabavy! Taorian’ny fandaharan’iny fivoriambe iny isika dia vao mainka nahatsapa ny tombontsoantsika ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah.”
Ny birao any Rosia dia mitatitra fa tao amin’ny distrikan’i Volgograd, tokony ho 500 kilaometatra avy eo Tchétchénie, dia nofoanana tamin’ny fomba ofisialy ny fisehoan-javatra ampahibemaso lehibe rehetra, noho ilay ady tamin’io fotoana io. Ny Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” kosa anefa tsy nofoanana. Tamin’ny andro voalohany, dia polisy 50 na 60 no teo. Tamin’ny alahady, dia tsy nisy afa-tsy 10 na 15, ary ny ankamaroan’ireo dia naniry zavatra vita an-tsoratra sy fanazavana bebe kokoa avy tao amin’ny Baiboly.
Tany Soeda, dia fivoriamben’ny distrika folo no natao tao amin’ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe malalaka ao Strängnäs. Tsy nisy fivoriambe niraisam-pirenena nalamina hatao tamin’iny taona iny, nefa misy olona avy amin’ny firenena maro anisan’ny mponin’i Soeda. Ho vokany, teo amin’ireo 1 102 nanatrika ny fivoriambe tamin’ny teny anglisy, dia nisy olona nisolo tena firenena 60 fara fahakeliny.
Ny iray tamin’ireo zava-nisongadina tamin’ny fandaharana dia ny famoahana ilay boky vaovao hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, izay navoaka tamin’ny 1982, dia natonta tamin’ny fiteny 126. Hita ho fitaovana fampianarana sarobidy izy io tamin’ireo fiteny rehetra ireo. Kanefa, ireo mpanatrika ny fivoriamben’ny distrika dia nampiseho fahalianana lalina rehefa nosoritana ny fandaharana nohafainganina ho amin’ny fanaovana mpianatra, misy ifandraisana amin’ny boky Fahalalana. Takatr’izy ireo ny maha-amin’ny fotoana ilana azy an’io fandaharana io. Efa nekena sahady ny fandikana io boky vaovao io ho amin’ny fiteny 131; ny 86 amin’ireo, fanampin’ny fanontana amin’ny teny anglisy, dia, na efa navoaka, na efa vita pirinty, na efa vonona havoaka mandritra ireo Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” sisa tavela. Ny lehilahy iray tany Grande-Bretagne dia nitondra ny boky Fahalalana niaraka taminy tao am-pandriana. Tamin’ny valo maraina, ny ampitson’iny, izy dia nilaza tamin’ny vadiny fa naniry hianatra. Ny lehilahy iray hafa, tany Albania, dia namaky ilay boky hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ary noho ny fahatakarany ny maha-zava-dehibe izay noraketiny, dia nangataka ny hanana fianarana intelo isan-kerinandro izy. Io boky vaovao io dia toa ho fitaovana sarobidy amin’ny tapany farany amin’ny fandaharam-pampianarana araka an’Andriamanitra tanterahina alohan’ny hahatongavan’ny andro lehiben’i Jehovah.
Tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, i Jehovah dia nanambara efa ela be mialoha ny sakafo ara-panahy tondraka hananan’ny mpanompony, mifanohitra amin’ny vahoaka hafa. (Isaia 65:13, 14). Tena vahoaka voafahana tsara ara-panahy sady sambatra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah! Ary may izy ireo ny hizara ny sakafony ara-panahy tondraka, amin’ny hafa izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana.
Fanohizana manantitrantitra ny Baiboly mihitsy
Ny boky fianarantsika ny fampianarana araka an’Andriamanitra voalohany indrindra dia ny Baiboly mihitsy. Asa be dia be no efa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hizarana ny Baiboly. Tafiditra tamin’izany matetika ny fampiasana izay fandikan-teny rehetra nisy tamin’ny fiteny sasany. Kanefa, tamin’ny 1950, dia nanomboka ny fizarana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Io fandikan-teny faran’izay tsara io ankehitriny dia misy amin’ny fiteny 25. Amin’ny 13 amin’ireo (fanampin’ny teny anglisy braille sy ny teny portogay braille), dia ny Baiboly manontolo no efa natonta. Amin’ireo 12 hafa, dia ny Soratra Grika Kristiana no efa natao pirinty. Hatramin’izao fotoana anoratana izao, dia 84 400 000 amin’ireo no efa navoaka.
Taorian’ny 16 taona niasana mafy, dia vita ny fanontana finoà iray manontolo amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Tamin’ny famoahana azy io tamin’iny taona iny, dia nisy tehaka nirefodrefotra tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika enina tany Failandy. Fanampin’izany, rehefa ren’izy ireo fa nisy fanontana tamin’ny sora-baventy izy io, dia olona be taona maro no nandrotsa-dranomasom-pifaliana. Tamin’ny volana Aogositra, tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika tany Hong-Kong sy tany Taïwan, ireo Vavolombelona sinoa dia nientam-po koa nahazo tamin’ny fiteniny ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Nakambana tamin’ireo Soratra Hebreo tamin’ny teny sinoa mahazatra izy io. Fanontana roa hafa amin’ny teny afrikanina no efa vita ary ankehitriny dia miandry ny fanontana azy sy ny fanakambanana azy ho boky. Amin’izao fotoana izao, dia fandikana ny Baiboly amin’ny fiteny dimy hafa no eo am-panaovana azy koa.
Foibem-pampianaran’ny Watchtower, ao Patterson
Tamin’ny 1988, dia nanomboka ny asa teo amin’ny fanorenana ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower, eo amin’ny toerana mahafinaritra iray eo anivon’ny havoana sy lemaka rakotra ala ao Patterson, atỳ New York, 112 kilaometatra monja any avaratry ny Betelan’i Brooklyn. Rehefa vita ireo trano fonenana lehibe indrindra, dia hanome fonenana ho an’ny olona 1 200.
Tamin’ny lohataonan’ny 1995, dia trano ampy isa no efa vita, ka nahafahana nitarika ny kilasy faha-99 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tao amin’io toerana vaovao io. Nanomboka tamin’ny 17 Aprily ireo fotoam-pianarana an-dakilasy, tamin’ny lahateny iray momba ireo lafiny misongadina amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, nataon’i Albert Schroeder, izay mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Fampianaran’ny Fitambara-mpitantana, no sady nanompo tao amin’ny birao fiandraiketana an’i Gileada fony nanomboka ilay sekoly tamin’ny 1943.
Nandritra ireo herinandro taorian’ny nanombohan’ilay kilasy faha-99, dia sampan-draharaha maromaron’ny birao foiben’ny Fikambanana no nafindra tao amin’ireo trano ao Patterson. Nisy sasantsasany efa nafindra talohan’izay. Tamin’ny 1 Septambra, ny anisan’ireo efa tao Patterson dia ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ny Biraon’ny Famaliana Taratasy, ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny, ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary, ny Sampan-draharahan’ny Fakana Sary, ny Sampan’asan’ny Vidéos ary ny lafiny sasany amin’ny asa mifandray amin’ny sampan-draharahan’ny Lalàna sy ny Fitantanana Ara-teknika ary ny Braille.
Mandrisika ho amin’ny fandrosoana araka an’Andriamanitra ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana
Ny apostoly Paoly dia nampirisika an’i Timoty, mpiara-miasa taminy, mba hisaintsaina momba ny torohevitra ara-tsindrimandry nomena azy sy mba hampihatra azy io, mba hiharihary ny fandrosoany. Nampirisika azy mafy hitandrina hatrany ny fampianarany i Paoly. (1 Tim. 4:15, 16, NW ). Ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay anisan’ny fandaharam-pampianarana teokratika iraisam-pirenena, dia nanampy loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana maneran-tany mba hanao izany indrindra! Izy io dia nanantitrantitra fa ny hoe teokrasia, na hoe fanapahan’Andriamanitra, dia fitantanam-pitiavana, satria Andriamanitra dia fitiavana. — 1 Jaona 4:8.
Teto Etazonia fotsiny, dia kilasy 71 no natao nandritra ny taom-panompoana lasa, ka 136 480 no tontalin’isan’ireo rahalahy nanatrika (loholona 69 771, mpanampy amin’ny fanompoana 66 709). Nisy solontena 35 avy tatỳ amin’ny Betela sy mpiandraikitra mpitety faritany maherin’ny 500, nandray anjara tamin’ny fanomezana fampianarana ho an’ireo kilasy natao teto Etazonia. Tany Zambia, dia nisy fivoriana manokana iray ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany 76 notarihina talohan’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Taorian’izay, dia kilasy 57 tamin’ilay sekoly no notarihina nanerana an’i Zambia manontolo, ka loholona 6 418 sy mpanampy amin’ny fanompoana 4 349 no nanatrika tamin’ny fitambarany. Nandray soa koa ireo rahalahy tany Malawi, izay nisian’ny mpiandraikitra mpitety faritany 28 sy loholona 1 573 hafa ary mpanampy amin’ny fanompoana 1 424 tany nahazo fampianarana sarobidy. Nandritra ny taom-panompoana 1995, io sekoly io dia notarihina tany amin’ny ankamaroan’ireo tany manerana izao tontolo izao.
Tsy nisy toy izany ny fiandrandrana ilay sekoly, ary tsy diso fanantenana ireo an’arivony maro nanatrika. Ny fampianarana sy ny torohevitra rehetra nomena dia niorina tamin’ny Baiboly. Nanomboka tamin’ny fotoam-pianarana voalohany ka hatramin’ny farany, ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana dia naneho ny zotom-pon’ireo Beriana handray ilay fampianarana sy tari-dalana nomena tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”. — Matio 24:45-47, NW; Asa. 17:11.
Avy any amin’ny faritra rehetra maneran-tany, dia naharaisana fanehoam-pankasitrahana noho ilay sekoly. Hoy ireo rahalahy any Caraïbe: “Nanomboka tamin’ny vavaka fanokafana, dia niharihary fa tena miahy an’ireo ondriny i Jehovah, ary tiany isika mpiandry ondry lefitra mba hanome azy ireo ny fanohanana sy ny fampaherezana be indrindra amin’ny toe-tsain’ny fitiavana.” Avy tamin’ireo nosin’i Pasifika no nahatongavan’izao fanamarihana feno fahatsorana izao: “Nahatalanjona tsotra izao ny zavatra azonay avy tamin’ireo fanazavana efa fantatray. Na noheverinay fa fantatray!” Mpanompo maro voatendry vao haingana no nandray soa tamin’ilay izy. Ohatra, tao amin’ny toerana iray, dia voamarika fa 85 isan-jaton’ireo mpanampy amin’ny fanompoana teo no nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana voalohany. Eny, ny fianarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana dia fitahiana ho an’ny fandaminana iray manontolo, ary ireo soa tsara entiny dia tsy isalasalana fa hiteraka vokatra tsara tondraka.
Vokatra tsaran’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
Nandritra ny taona, dia mbola nisy kilasin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana koa natao. Io sekoly io, sy ny fianarany manokana maharitra valo herinandro, dia fitaran’ny Sekolin’i Gileada, izay ao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower, ao Patterson, atỳ New York, no misy azy ankehitriny. Betsaka kokoa noho ny tamin’ny taom-panompoana hafa rehetra ny mpianatra nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.
Tamin’ireo volana dimy voalohany tamin’ny 1995, ilay sekoly dia notokanana tany amin’ny République Centrafricaine, République Dominicaine, India, Nouvelle-Calédonie, Peroa, Portogaly ary Zaïre. Izany ankehitriny dia manome tontalin’isan’ny tany 34 efa nanaovana io sekoly io. Nandritra iny taom-panompoana lasa iny fotsiny, dia kilasy 79 no notarihina ary mpianatra 1 836 no nahazo diplaoma. Efitrano Fanaovana Fivoriambe sy toerana nisy biraon’ny sampana ary Efitrano Fanjakana no nanjary trano sahaza ho an’ireo kilasy.
Hoy ny mpampianatra iray momba ilay kilasy natao tany amin’ny République Dominicaine: “Antokon’olona nahafinaritra ireo mpianatra, (...) lehilahy tanora feno zotom-po sy fankasitrahana amim-pahatsorana, ary may ny hianatra. (...) Voamarika tamin’ny fitondran-tenany, ny fiteniny, ny fombany ary ny fitafiany izany. Tsy afaka ny tsy hahatsapa fankasitrahana an’i Jehovah sy ny mpanompo mahatoky ny tena noho ny fanomezany io fampianarana io ho an’ireny lehilahy tanora ireny.” Nihevitra ny mpianatra iray tao amin’ny kilasy voalohany tany Portogaly, tamin’ny voalohany, hoe tsy ho vita ny fandinihana ilay fanazavana rehetra. Kanefa, tatỳ aoriana dia nilaza izy fa nandray soa avy tamin’ny fianarana ny fomba fianatra sy fiasa, tsy araka ny nahazatra azy, fa araka ny natoron’ny mpanompo mahatoky sy malina.
Ireto teny manaraka ireto dia mampiavaka ny fankasitrahan’ireo mpianatra ny ezaka nataon’ireo mpampianatra. Hoy ny taratasy iray avy tamin’ny kilasy faha-19 teto Etazonia: “Fisaorana be dia be avy aminay noho ireo lehilahy araka ny fanahy izay nasainareo hampianatra anay. Ny fanandraman-javatra azony nandritra ny taona maro, ny faharetany, ny fahazotoany, ary ny fifikirany amim-pahatokiana amin’i Jehovah dia hisy vokany maharitra eo aminay. Tena fitahiana marina.” Ary hoy ny teny nanampin’ny kilasy faha-20: “Nataon’ireo mpampianatra tamin’ny fony ny fampianarany, hany ka nitombo ny fitiavanay ny Mpampianatra Lehibe anay sy ny fandaminany.” Tena azo lazaina marina, momba ireo mpianatra, fa ny mason’izy ireo dia ‘nanjary maso nahita ny Mpampianatra Lehibe azy’. — Isaia 30:20, NW.
Ankoatra ireo tany 34 nitarihana ilay sekoly, ireo nahazo diplaoman’io sekoly io dia manompo any amin’ny tany sy faritany 67 hafa. Notendrena ho any amin’ny ankamaroan’ireo faritany any Eoropa Atsinanana sy ireo tanin’i Iogoslavia taloha, ary koa any Malawi sy Mozambika, izay nandrarana ny asa nandritra ny taona maro, izy ireo. Mitondra vokatra maharitra ny fampianarana teokratika omena amin’ny alalan’io sekoly io.
Bokikely natao ho an’ny zavatra ilaina manokana
Tato anatin’ireo taona faramparany isika dia nampiasa bokikely isan-karazany ho toy ny fiasana ho fampianarana. Tamin’ireo fivoriamben’ny distrikantsika farany, isika dia naharay bokikely iray izay tonga tamin’ny nilana azy — Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana. Iraisam-pirenena kokoa noho ilay bokikely hoe Sekoly teo aloha io bokikely io. Tsy mamaly ireo fanontaniana ananan’ireo tanorantsika momba ny zavatra atao any an-tsekoly ilay bokikely vaovao, fa miantefa amin’ireo mpanabe indrindra indrindra kosa. Izy io dia nokendrena mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena tohanantsika, sy hahatakatra ny fomba fiheverantsika ny fampianarana, ary hahafantatra ilay fandaharam-pampianarana mahafaoka zavatra be sy mitohy andraisantsika Vavolombelon’i Jehovah soa. Tsy misy isalasalana fa maro amin’ireo tanorantsika no efa nitondra tamin’izy io tany amin’ireo mpampianatra azy sy mpanolo-tsain’ny sekoly misy azy.
Tany amin’ny fivoriambe tamin’ny teny sinoa teto New York, dia navoaka ny bokikely vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Fiadanana sy Fahasambarana Maharitra — Ny Fomba Hahitana Azy Ireo. Natao tamin’ny teny sinoa nentim-paharazana sy tamin’ny teny sinoa notsorina izy io. Io bokikely io dia nokendrena ho an’ny saha sinoa ary hozaraina be dia be any amin’izay rehetra hetezan’izany. Tsy ao anatin’ny fandaharana amin’izao fotoana izao aloha ny fandikana azy io amin’ny teny anglisy.
Misy bokikely hafa novolavolaina manokana sy nomanina tato anatin’ireo taona faramparany mba hanoherana ireo fanolanana mibaribary momba ny Vavolombelon’i Jehovah nataon’ny klerjy sy ny mpivadi-pinoana tany amin’ireo manam-pahefana sy ny fampitam-baovao. Ireo bokikely ireo dia naterina tany amin’ny manam-pahefam-panjakana sy tany amin’ireo ao amin’ny sehatry ny lalàna ary tany amin’ny mpiasa matihanina hafa any Hongria, République Tchèque, Aotrisy ary Bolgaria. Tany Gresy, dia tsy vitan’ny hoe naterina tany amin’ireo manam-pahefana fotsiny ireny fanazavana ireny, fa natao ho azon’ny besinimaro koa.
Tany Alemaina, dia ireo mpanohitra ara-pivavahana indrindra no nihetsiketsika fatratra tamin’ny fampiasana ny fampitam-baovao mba hitenenan-dratsy an’i Jehovah sy hanosoram-potaka ny vahoakany. (Ampitahao amin’ny Romana 2:24.) Noho ny faneken’ny Fitambara-mpitantana, dia natao ny bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Mpiara-monina Aminao. Iza moa Izy Ireo? Atao pirinty amin’ny teny alemanina izy io. Tamin’ny fizarana azy voalohany, dia nomena azy io izay rehetra nety ho hitan’ireo rahalahy teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha ka niharihary fa handray soa avy aminy. Io bokikely io koa dia tena nanampy an’ireo manam-pahefana, mpitsara, mpisolovava, mpampianatra ary ny olon-kafa izay teren’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana indrindra mba hanana fomba fijery tsy manorina momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona maro no velom-pankasitrahana mahafantatra ny zava-misy. Hoy ny tatitra nataon’ny rahalahy iray: “Rehefa nitsidika ny talen’ny sekoly misy ny zanakay vavy izahay, dia nangataka bokikely 20 fanampiny izy, mba hahafahan’izy ireo hiara-mandinika azy ireo tamin’ny fivoriany nanaraka.”
Andraisan-tsoa ny fihazonana fifandraisana amin’ireo manam-pahefam-panjakana mba hahafantaran’izy ireo antsika sy ny asa ataontsika. Nanao izany indrindra ireo rahalahintsika any Meksika. Nitoky tamin’i Jehovah mba hitarika ny diany izy ireo, ka namela zavatra vita an-tsoratra tamin’olona tany amin’ny sampan’asa maro samihafan’ny fitondram-panjakana. Nampiorina ny vokatra azo.
Fampianarana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpitsara ary mpiasan’ny sampan’asa ara-tsosialy
Rehefa nalamina tamin’ny 1988 ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly (SFH), izy io koa dia nokendrena mba hampianarana, raha ny marina, mba hitarihana fandaharam-pampianarana misy fahaizana manokana ambony. Voalohany aloha, dia loholona voafantina no nampiofanina mba hitsidika hopitaly tany amin’ireo tanàna lehibe indrindra, mba hiresahany tamin’ireo dokotera sy ny mpiasa tao amin’ny fitantanana, momba ny fitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba tsy misy fampidiran-dra. Nampianarina koa ireo loholona mba hanampy ny Vavolombelona hafa, rehefa miatrika tarehin-javatra ara-pitsaboana mihaika ny finoany, ireo. Manao izany izy ireo, na amin’ny fiaraha-manjohy hevitra amin’ireo dokotera momba ireo fomba hafa afaka ny handaitra, na amin’ny fanomezana fanazavana momba ny fomba fitsaboana sy fanafody maro samihafa, an’ilay Vavolombelona voakasika mba hahafahan’io handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fahalalana. Amin’izao fotoana izao, dia loholona voaofana 6 465 no mpikambana ao amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) maneran-tany.
Nisy fanazavana natolotr’ireo KMH ireo tany amin’ireo foibe fitsaboana lehibe indrindra maneran-tany. Ny ankamaroan’ireo dokotera sy mpiasan’ny hopitaly dia naneho fankasitrahana tamim-pahatsorana noho io ezaka hifampiresaka sy hiara-miasa io. Talohan’io, indraindray dia nisy fifandonana tsy nahafinaritra sasany. Dokotera maro no tsy nahafantatra momba ireo fomba fitsaboana rehetra hafa noho ny fampidiran-dra.
Mba hampahafantarana an’ireo mpitsabo izany fomba hafa izany sy mba hanohanana ireo zava-misy nomena tao amin’ireo fanazavana natolotra, ireo komity dia nanome fanazavana be dia be avy tao amin’ny boky momba ny fahasalamana mba hampisehoana izay efa nataon’ny dokotera mahay tamim-pahombiazana nandritra ny taona maro, tsy nisy fampiasana ra avy tamin’ny mpanome ra. Misy an’ireny lahatsoratra ireny nakambana ho boky ankehitriny any amin’ireo tranom-boky momba ny fahasalamana lehibe indrindra maro. Fanampin’izany, dia misy lahatsoratra anaty tahirin-taratasy tazonina ao amin’ny SFH eto Brooklyn, ampiasaina rehefa mamaly ny antso vonjimaika avy any amin’ny faritra rehetra maneran-tany.
Inona no vokatr’io fandaharam-pampianarana io? Nihena isa ho tsy misy ara-bakiteny ny ezaka hanery fampidiran-dra tamin’ny olon-dehibe, tany amin’ny tany maro. Any amin’ny ankamaroan’ireo foibe fitsaboana, ankehitriny dia misy toe-tsaina feno fisakaizana sy tia miara-miasa amintsika. Hoy ny Lehiben’ny Sampan’asa Momba ny Fahasalamana iray any Silia: “Na dia marina aza fa taona vitsivitsy lasa izay dia toa hentitra be fotsiny ny toerana notananareo, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hita fa manana fanohanana ara-tsiansa ny toerana tananareo. (...) Miasa tsara lavitra noho ny anay ny fiaraha-miasanareo iraisam-pirenena.”
Dokotera sy mpandidy maherin’ny 58 900 maneran-tany ankehitriny no mitsabo amin-katsaram-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy misy fanaovana ny ra ho zava-manahirana. Hopitaly 102 maneran-tany no efa nandamina mihitsy ny hisian’ny fandaharana manokana ny amin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra, ao anatin’ny fandaharana efa eo an-toerana, mba hitsaboana Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafa koa izay tsy maniry hampidiran-dra. Ireo fizotran-javatra roa ireo dia nahatonga ny fetezan’ny asa hafa iray ataon’ireo KMH ho an’ny tontolon’ny fahasalamana: ny fakana hevitra maimaim-poana any amin’ireo manam-pahaizana sy/na hopitaly za-draharaha ireo mba hahafahana hitsabo ireo zava-manahirana antsika ara-pahasalamana.
Ny ankamaroan’ireo zava-manahirana mbola mitoetra dia ireo izay mahakasika ny ankizy, indrindra fa ireo vao teraka. Noho izany, dia nisy fitohitohizana seminera faharoa nomanina mba hampiofanana mpikambana ao amin’ireo KMH hanolotra fanazavana izay hampianatra an’ireo mpitsara ao amin’ny tribonalin’ankizy na tribonalim-pianakaviana, sy an’ireo mpiasan’ny sampan’asa ara-tsosialy, ary an’izay olon-kafa rehetra manampy eo amin’ny fanesorana ankizy amin’ny ray aman-dreniny mba hanerena fampidiran-dra aminy. Ireny olona ireny dia nila ny hampiana mba hanalavitra ilay fiheverana fa ny ra no hany fomba fitsaboana misy. Nisy seminera momba izany izao efa natao teto Etazonia sy tany Eoropa Andrefana ary tany Pasifika.
Tafiditra ao amin’ireo fanazavana atolotra an’ireo mpitsara sy ny hafa voakasik’ireo raharaha ireo ny fanomezana azy ireo iray amin’ny boky iray novolavolaina manokana, mitondra ny lohateny hoe Family Care and Medical Management for Jehovah’s Witnesses (Fikarakarana Fianakaviana sy Fitsaboana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah). Io boky misy indeksa io dia mirakitra tsipiriany momba ny fandaharana mifampidipiditra anomezantsika fanohanana ary voaforon’ireo loholon’ny kongregasiona, ireo KMH, ny Biraon’ny SFH any amin’ireo sampana ary ny SFH eto Brooklyn. Izy io koa dia misy fanazavana fohy momba ny lalàna sy ny fitsipika harahina ary koa fanazavana fohy avy amin’ny gazety ara-pahasalamana hajain’ny olona ary manazava ny zavatra efa atao mba hitsaboana aretina sy zava-manahirana ara-pahasalamana eo amin’ny ankizy, tsy misy fampiasana ra. Ireo mpitsara sy mpiasan’ny sampan’asa ara-tsosialy dia ampiana mba hahatakatra fa ny Vavolombelon’i Jehovah akory tsy olona feno firehetana ara-pivavahana izay maniry hanao ny zanany ho maritiora amin’ny fandavana ny fitsaboana rehetra. Ianaran’izy ireo fa ny tena fanontaniana dia hoe moa ve ny ray aman-dreny be fitiavana manana ny zo hanapa-kevitra hoe fitsaboana inona no hampiasaina.
Hoy ny nambaran’ny mpampianatra lalàna amerikana iray: “Ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly sy ireo mpisolovava Vavolombelon’i Jehovah dia nahavita zavatra goavana tamin’ny fanovana ny fomba fisainan’ny fitsarana sy ny tontolon’ny fahasalamana. Ny ankamaroan’ireo fanapahan-kevitra tany am-boalohany, izay tsy nanaiky ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niorina tamin’ny fitsarana an-tendrony izay nanohitra ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanohana ny tsy fetezan-ko dison’ny tontolon’ny fahasalamana eto Etazonia. Ny fironana eo amin’ny lalàna ara-pitsarana dia navadiky ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fampianarana ireo dokotera sy mpitsara momba ny maha-azo ekena ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy momba ny fampiasana tafahoatra izaitsizy ny fampidiran-dra teo amin’ny fitsaboana.”
Mazava ho azy fa tsy mpanabe eo amin’ny fanao ara-pitsaboana na ny zo araka ny lalàna, voalohany indrindra akory isika. Nefa io fandaharam-pampianarana io dia nahavita zavatra be dia be mba hanamafisana ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fahatapahan-keviny hankato ny fandraran’Andriamanitra momba ny fampiasana ny ra. — Asa. 15:28, 29.
Manome fahafaham-po amin’izay ilaina maika ireo trano vaovao
Rehefa mitombo ny hafainganam-pandehan’ny asa fampianarana Baiboly ary mihabetsaka ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, dia trano betsaka kokoa no ilaina ho an’ireo kongregasiona, fivoriambe, sekoly ary biraon’ny sampana vaovao.
Nandritra ny taom-panompoana 1995, dia Efitrano Fanjakana vaovao an-jatony maro no naorina naneran-tany, ka maro tamin’ireo no voatohana ara-bola noho ny “fanomezana ho an’ny asa maneran-tany” natao tamim-pitiavana. (2 Kor. 8:14, 15). Vitsivitsy amin’izany monja ireto manaraka ireto. Telopolo no vita tany Ukraine. Any amin’ny République Tchèque, izay tsy nisy Efitrano Fanjakana enin-taona lasa izay, dia misy 35 ankehitriny. Any Alemaina, dia Efitrano Fanjakana vaovao 58 no naorina tamin’ny taon-dasa, anisan’izany ny 15 any amin’ny tapany atsinanana amin’ilay tany. Nisy Efitrano Fanjakana iray natsangana tany Gresy tao amin’ny vohitra iray izay tsy misy mponina afa-tsy 600 monja, nefa misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa, izay misy tontalin’isan’ny mpitory 128. Tao anatin’ny fe-potoana naharitra 18 volana, dia Efitrano Fanjakana vaovao 81 no natsangana sy notokanana tany Polonina. Mbola mila hafa koa anefa. Any amin’ny faritra sasany any Polonina, dia manofa saha ireo rahalahy, mamboly zavatra, ary mivarotra ny vokatra, na mioty voaroy mba hahazoana vola, amin’izay, any aoriana, dia ho afaka hanorina Efitrano Fanjakana iray izy ireo. Efitrano 40 no naorina tao Afrika Atsimo tao anatin’ny herintaona. Any amin’ny faritra ambanivohitr’i Afrika Atsimo izay tsy dia misy vola firy, ny rahalahy sasany tao amin’ny kongregasiona dia nety ho nivarotra ny sasany tamin’ireo biby fiompiny mba hividianana simenitra, ny hafa nividy ireo biriky na ny kojakoja ho an’ny tafo, ary toy izany hatrany. Tamin’izany fomba izany sy noho ny fanampian’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, tsy ela dia niforona ny Efitrano Fanjakana iray.
Ireo mpitory 40 tany Brewerville, any Libéria, dia nila efitrano sahaza maika dia maika. Tamin’ireo fivoriany, natao tao anaty “trano bongo fanaovana kabary” tsy nisy rindrina, ny ankamaroan’ireo mpanatrika 150 dia nitsangana tany ivelany no sady tsy voaro tamin’ny toetr’andro. Noho ny fanampiana ara-bola avy tamin’ny rahalahy be fitiavana tany an-tany hafa, dia nahazo ireo fitaovana nilaina izy ireo, avy eo dia nanamboatra ny parpaings azy manokana, ary nanorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray izay fanaovana fanambarana ho an’ny rehetra ao amin’io faritra io. Tany Grande-Bretagne, ny fitambaran’Efitrano Fanjakana telo any Edgware dia novolavolaina mba ho azo sokafana ireo rindrina ka hahazoana Efitrano Fivoriambe misy fipetrahana 800, sahaza ho an’ireo fivoriamben’ny distrika amin’ny teny vahiny any.
Mbola mitombo ihany koa ny isan’ireo Efitrano Fivoriambe. Taorian’ny folo taona nanaovana fifampiraharahana sy asa, dia notokanana ny iray hafa tany Grande-Bretagne. Nisy roa hafa notokanana tany Italia ary roa hafa tany amin’ny Repoblikan’i Korea. Notokanana ny Efitrano Fivoriambe faha-5 tany Espaina; ny faha-15 tany Brezila. Nisy hafa koa naorina tany Côte d’Ivoire sy Sri Lanka. Ary maneran-tany, dia misy hafa koa eo an-dalam-panorenana.
Ho fanampin’ny fanorenana atao any amin’ny foibe maneran-tany, dia nisy asa natao koa mba hanorenana na hanitarana tranon’ny sampana tany amin’ny tany 54 nandritra ny taon-dasa. Ny sasany dia teo amin’ny ambaratonga voalohany. Ny hafa dia efa vita. Fifaliana ho an’ireo rahalahintsika tany amin’ireto tany enina manaraka ireto ny nitokanana ny tranon’ny sampany nandritra iny taom-panompoana iny:
REPOBLIKAN’I KOREA. Fito amby enimpolo kilaometatra any atsimon’i Séoul, any Kongdo, no misy ny sampan’i Korea. Hatramin’ny namindrana ny sampana tao Kongdo tamin’ny 1982, dia tena nilaina ny nanitatra ireo trano inefatra. Ny fanitarana farany dia nampitombo efa ho indroa heny ny haben’ilay sampana. Ireo trano vaovao dia notokanana tamin’ny 8 Oktobra 1994, ka i Lloyd Barry ao amin’ny Fitambara-mpitantana no nanao ilay lahateny hoe “Mifalia eo Anoloan’ilay Mpanorina Faran’izay Mahay!” Ary tena nifaly tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Korea teo anoloan’ny porofon’ny fitahian’Andriamanitra ny fanompoan’izy ireo.
Ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia tonga voalohany tany Korea talohan’ny Ady Lehibe Voalohany. Telo ambin’ny folo taona lasa izay, fony nafindra tao Kongdo ny sampana, dia 30 237 ny tampon’isan’ny mpitory. Tamin’ny Aogositra 1994, dia 77 542 ny tampon’isa, ka ny 40 isan-jaton’ireo dia tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana!
Nila ny hohalehibeazina ny tranon’ny sampana. Inona no nanampy azy io? Ilay trano iray manontolo misy ireo birao dia vaovao, ka misy toerana malalaka ho an’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, ny Biraon’ny Famaliana Taratasy, ny Biraon’ny Kaonty ary ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Ny Biraon’ny Orinasa ary koa ny sampan-draharahan’ny Elektronika, ny Ordinatera, ny MEPS ary ny Sary dia ao amin’ny faritra manodidina vaovao, ary ny toeran’ny asa hafa mifandray amin’ny fanontam-pirinty dia nohalehibeazina. Ny Trano Betela dia manana efitra 56 vaovao, lakozia vaovao, efitra fisakafoana mahafinaritra, efitra fitsaboana vaovao, efitra famakiam-boky vaovao ary toerana fanasan-damba vaovao. Misy Efitrano Fanjakana vaovao iray manintona sy mampiadana koa.
Ny andro taorian’ny fitokanana, tao amin’ny Kianja Mitafon’i Suwon, dia nisy fivoriana manokana iray natao, izay nanaovan’ny Rahalahy Barry lahateny indray. Toerana 13 fanampiny no nampifandraisina an-tariby, ka nisy tontalin’isan’ny mpanatrika 95 883! Mazava fa mbola misy olona betsaka any Korea, may ny hianatra ireo lalan’i Jehovah mba hahafahany handeha amin’ny atorony.
TAÏWAN. Ny faran’ny herinandro nanaraka, tamin’ny 15 Oktobra, dia notokanana tany Taïwan, nosy iray any amin’ny 145 kilaometatra avy eo amin’ny moron-tsirak’i Sina, ny tranon’ny sampana vaovao. Ny Rahalahy Barry koa no nitokana ireo trano ireo. Nitsidika voalohany an’i Taïwan izy, 42 taona talohan’izay, fony mbola Vavolombelon’i Jehovah azo nisaina tamin’ny rantsantanana monja — avy tamin’ny foko amis indrindra indrindra — no tao amin’ny kongregasiona.
Rahalahy avy tany ampita, ary koa Vavolombelona teo an-toerana no nanorina ilay biraon’ny sampana. Raha ny marina, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, dia 50 isan-jaton’ireo mpitory teo an-toerana no niasa teo amin’ilay tetik’asa. Ny sasany nanao dia nandroso hatramin’ny adiny sivy tamin’ny aotobisy, mba handraisana anjara tamin’ilay asa. Tamin’ny ekipana vehivavy amis valo izay nanampy hametraka baingan-tany nisy ahitra teo ivelan’ny efitra fisakafoana, ny zandriny indrindra dia 60 taona; ny zokiny indrindra, 84! Io ekipa io dia nanomboka niasa tamin’ny efatra ora sy sasany maraina. Naniry hanomboka tamin’ny efatra ora maraina io ekipa io, saingy mbola maizina loatra tany ivelany. Hita eo amin’ny asa fitoriany koa io zotom-po io.
Tamin’ilay fandaharam-pitokanana, i Cyril Charles, nahazo diplaoman’i Gileada izay monina any Hong-Kong ankehitriny, dia namisavisa ny fanompoany tany Taïwan tamin’ny 1949, fony izy 28 taona. Niara-nonina tamin’ireo Amis izy, ka tsy nanana jiro, na rano tao an-trano, na kidoro. Nampiseho fitiavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa ny vahoaka amis. Rehefa nandeha hampiofana sasantsasany teo amin’ny asa isan-trano ny Rahalahy Charles, dia naniry hiaraka taminy ny rehetra. Teny an-dalana ho any amin’ny faritany, dia 70 avy tany atsimo sy 70 hafa avy tany avaratra no nihaona tamin’ny Rahalahy Charles. Tsy ela dia nisy 100 hafa koa nanatevin-daharana azy ireo. Izy rehetra ireo dia naniry hiara-miasa taminy teo amin’ny isan-trano. Hatramin’izay, dia nomena fampiofanana be dia be ireo izay nampiseho faniriana tamim-pahatsorana hanompo an’i Jehovah.
Nisy misionera nifandimby, izay nanomboka tonga enin-taona tatỳ aoriana, nisava ny lalana teo amin’ny asa teo amin’ireo Sinoa, izay mahaforona tapany lehibe amin’ny mponina. Misionera taloha 26 no niverina tany Taïwan ho amin’ilay faran’ny herinandron’ny fitokanana. Faly toy inona moa izy ireo, tsy noho ilay tranon’ny sampana vaovao tsara tarehy ihany, fa noho ny porofo koa fa ireo izay nampianariny dia nanampy maro hafa ho tonga mpidera an’i Jehovah!
I Harvey Logan, ilay mpampifandrindra ao amin’ny Komitin’ny Sampana, sy i Kathleen, vadiny, izay samy nahazo diplaoman’i Gileada, dia nanompo teto hatramin’ny 1962. Tao anatin’ireo folo taona lasa monja, dia nahita fitomboana 150 isan-jato izy ireo.
EKOATERA. Nandritra ny volana nanaraka, ny volana Novambra, dia notokanana tany Ekoatera ny tranon’ny sampana nitarina. Any amin’ny 23 kilaometatra miala avy eo amin’ny seranan’i Guayaquil no misy azy io.
Vao fito taona talohan’izay monja, tamin’ny 1987, teo amin’io toerana io ihany, no nitokanana ny tranon’ny sampana vaovao. Kanefa, hatramin’izay, dia nitombo 130 isan-jato ny antsalan’isan’ny mpitory. Nandritra izany fe-potoana izany ihany, dia niakatra 120 isan-jato ireo fampianarana Baiboly. Tamin’ny 1987, i Daniel Sydlik dia nanao lahateny tamin’ny mpanatrika 14 322 tao amin’ny kianja fanaovam-baolina kitra iray teto. Tao amin’io kianja io ihany, tamin’ny 19 Novambra 1994, ny Rahalahy Henschel dia nanao lahateny nampientanentana iray tamin’ny olona 35 992! Mandroso ny fanompoam-pivavahana marina any Ekoatera, ary ilay biraon’ny sampana nohalehibeazina dia hanome foibe tsara dia tsara hiaingana mba hahafahana hanitatra ny fampianarana momba ny sitrapon’i Jehovah hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ilay tany.
SRI LANKA. Tamin’ny Janoary 1995, ny sampana tany Sri Lanka koa dia vonona hitokana ireo tranony vaovao roa tsara tarehy. Fiovana re izany, rehefa avy nafindrafindra efitrano tao amin’ireo trano nohofana ilay birao, hatramin’ny niforonan’ilay sampana tamin’ny 1953! Indro, rehefa ela ny ela, trano izay ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitsika, misy tany voavoatra amin’ny fomba izay manome taratry ny finoantsika ny fikasan’i Jehovah hahatonga ny tany rehetra hiova ho paradisa.
Anisan’ny olona tonga teo ho amin’ilay fandaharana i Claude Goodman, izay nanompo teto, tany amin’ny 1930-1931; i Matilda Rajapakse (teraka Chapman), izay 90 taona mahery ankehitriny ary nifanerasera tamin’ireo kongregasiona teto an-toerana nandritra ny 80 taona fara fahakeliny ary manao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra; i Douglas King, izay ny mpikarakara ny sampana (araka ny nahafantarana azy tamin’izay) faharoa; i David Mercante, mpiandraikitra ny zone avy tany amin’ny foibe maneran-tany, izay nanao ny lahateny fitokanana; ary maro hafa koa.
I Sri Lanka dia nosy midadasika iray avy eo amin’ny tendrony atsimo-atsinanan’i India, ary misy olona 18 000 000 eo ho eo. Ho an’ny maro amin’ireo, ny hoe “Ayubowan!” dia fiarahabana mahazatra; ny dikany dia hoe “Ho ela velona anie ianao!” Eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy fiarahabana ara-pomba fotsiny izy io, fa fanirian’ny fon’izy ireo. Mifanaraka amin’izany, izy ireo dia maniry hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona rehetra eto Sri Lanka, amin’ny fitenin’izy ireo. Hanampy ho amin’izany io trano vaovao io.
Ny fanorenana ilay biraon’ny sampana fotsiny dia efa nanome fampianarana — tsy teo amin’ny fomba fanorenana ihany, fa teo amin’ny lafiny ara-panahy koa. Nampifanakaiky kokoa an’ireo rahalahy ao Sri Lanka tamin’ny fianakavian’ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany ilay tetik’asa. Nanome fahaizana manokana teo amin’ny fitantanana ara-teknika ireo rahalahy tany Amerika sy Aostralia. Nisy rahalahy avy tany ampita nikely aina mba hiandraiketana ny fanorenana sy hampianarana ireo Vavolombelona teo an-toerana ny fomba fanaovana ilay asa. Avy tany amin’ny sampana hafa ireo fitaovana sy ny vola nilaina. Ireo mpiasa an-tsitrapo dia nandresy tamim-paharetana ireo fahasamihafana teo amin’ny fiteny mba hiaraha-miasa. Ny rehetra dia nampitombo ny fankasitrahany ny maha-iraisam-pirenena ny fandaminan’i Jehovah sy ny fehy ara-panahy mahatonga azy io hizotra amim-pilaminana.
SURINAME. Ny fitokanana ny biraon’ny sampana tany Suriname dia natao tamin’ny 12 Febroary 1995. Ny nahatalanjona ny fijerena azy sady nahafaly ny fandraisana anjara taminy anefa, dia ny asa nitarika ho amin’io. Nisy toerana ho an’ny tranon’ny sampana vaovao azo, 16 kilaometatra any andrefan’ny tanànan’i Paramaribo. Rahalahy avy tany amin’ny tany maro no tonga mba hanampy teo amin’ny asa fanorenana. Olona avy tamin’ny faritra rehetra manerana an’i Paramaribo no tonga nijery io porofon’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amim-pitiavana io, ary nitazana tamim-pitalanjonana izy ireo, nahita ireo anabavintsika namily bolidaozera sy fitaovana mavesatra hafa. Nisy mpampianatra nitondra ireo kilasiny mihitsy aza mba hamela azy ireo hahita izay azo atao rehefa miara-miasa amim-piraisan-tsaina ny olona. Rehefa vita ilay asa, dia nisy fandaharana momba azy io naseho tamin’ireo chaînes roa amin’ny televiziona any Suriname.
Ho an’ilay fandaharam-pitokanana, dia teo ireo rahalahintsika avy tany Holandy, Alemaina, Guyane, Guyana, Curaçao ary ny tany hafa. I Dominick Piccone, mpiandraikitra ny zone, no nanao ny lahateny fitokanana. Ny birao ao amin’io trano io dia hanampy mba hampifandrindra ny fitoriana ny vaovao tsara manerana io tany misy mponina 400 000 io manontolo.
CAMEROUN. Ireo Vavolombelona any amin’ny tany maro dia liana lalina amin’izay miseho any Cameroun. Raha ny marina, ny sasany tamin’izy ireo dia teo tamin’ny 1 Aprily 1995, avy tany Bénin, Etazonia, Frantsa, Gabon, Kanada ary Nizeria, ho amin’ny fitokanana ireo trano efatra misy rihana izay mahaforona ilay fitambaran-tranon’ny sampana vaovao ao Bonaberi, Douala. Teo amin’ireo vahiny nasaina dia nisy fito izay nanao ny fanompoan’ny misionera tao Cameroun nandritra ny faramparan’ireo taona 1950 sy ireo taona 1960. I Jean-Marie Bockaert, avy tany Frantsa, no mpandahateny tamin’ny fitokanana.
Tamin’ny 1948, dia Vavolombelona 81 monja no niasa tao Cameroun. Ankehitriny dia misy maherin’ny 24 000 ireo izay manome voninahitra an’Andriamanitra, na dia teo aza ireo fameperana mafy nozakain’ireo Vavolombelona nandritra ny 23 taona. Azo antoka fa io trano Betela vaovao io dia ho sarobidy be ho an’ireo rahalahy mba hiandraiketana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah, izay manolotra amim-pahalalahan-tanana ho an’ny rehetra ao Cameroun ilay fanasana mba hiakatra any amin’ny tranon’i Jehovah, sy hianatra ny amin’ny lalany, ary handeha amin’ny atorony, mba hanolotra fanompoana masina ho azy mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao.
Iny taona iny dia tena taona nanaovana fandaharam-pampianarana ara-baiboly goavana naneran-tany tokoa, ary hitohy hihafaingana ny fandehany, hatrany amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny mihitsy. Aorian’ny Haramagedona, dia hisy lafiny vaovao izy io, rehefa hatsangana amin’ny maty ny olona an’arivo tapitrisany maro ka hampianarina ny amin’ny lalan’i Jehovah. Amin’izay, toy ny mbola tsy nisy hatramin’izay mihitsy, dia tena hameno ny tany marina ny fahalalana an’i Jehovah.
[Sary, pejy 12]
Etsy ambony: Famoahana ny boky “Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay” any Alemaina
Eto ankavia: Fandinihana ny bokikely vaovao momba ny fampianarana any Japon
[Sary, pejy 13]
Ny fampisehoana tantara iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika dia nanasongadina ny fikarakarana ireo be taona mahatoky
Mpianatra vaovao 338 491 no natao batisa nandritra ny taona
[Sary, pejy 20, 21]
Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, any N.Y.
[Sary, pejy 28, 29]
Tranon’ny sampana notokanana tany
1. Taïwan
2. Suriname
3. Sri Lanka
4. Ekoatera
5. Korea
6. Cameroun