FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb17 p. 48-53
  • Afrika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afrika
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
  • Lohatenikely
  • Nivavaka izy mba hahita marenina
  • “Tena natao ho an’​ahy ilay lahateny!”
  • “Izaho tsy mpanompo sampy!”
  • Be dia be no tonga
  • Nanampy azy hamaha olana tao an-tokantranony ilay bokikely
  • Nadikany ilay bokikely
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
yb17 p. 48-53
Any Sierra Leone: Olona manoro an’​i Crystal hoe aiza no misy marenina

Sierra Leone: Nampian’​ny olona i Crystal

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Afrika

  • TANY 58

  • MPONINA 1 109 511 431

  • MPITORY 1 538 897

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 4 089 110

Nivavaka izy mba hahita marenina

Anabavy misionera any Sierra Leone i Crystal, ary ao amin’​ny fiangonana mampiasa tenin’​ny tanana. Nivavaka izy talohan’​ny handehanany hanompo mba hahita marenina ao amin’​ny faritany. Nanao fiverenana mitsidika izy tamin’​io maraina io, dia lalana hafa no nandehanany fa tsy ilay nahazatra azy. Nanontany olona izy raha mahafantatra marenina ry zareo, dia nisy nitondra azy tany amin’​ny ankizivavy iray sariaka be. Nandray tsara ilay ankizivavy ary nilaza fa mazoto hivory. Nanontany an’​i Crystal avy eo ny olona raha mbola mitady marenina izy. Nahita marenina hafa te hahalala ny fahamarinana àry i Crystal. Efa imbetsaka izy no nitory tao amin’​io faritany io, fa izay vao nahita an’​ireo marenina roa ireo. Mino izy hoe i Jehovah no nanampy azy.

“Tena natao ho an’​ahy ilay lahateny!”

Handeha hivory i Emmanuel any Liberia, indray mandeha. Faran’​ny herinandro tamin’​izay, ary nitondra fiara izy. Nahita ankizilahy teo amoron’​ny arabe izy. Niakanjo tsara be ilay ankizilahy, saingy hoatran’​ny kivy be. Nalahelo azy i Emmanuel, dia nijanona sao misy azony anampiana azy. Moses no anarany. Nisy nangalatra daholo, hono, ny volany ny alin’​io, dia handeha hamono tena izy. Nihaino tsara azy i Emmanuel, dia avy eo nanambitamby azy hoe: “Andao mba hiaraka amiko ho any amin’​ny Efitrano Fanjakana e!” Nanaiky i Moses. Nitomany izy rehefa avy naheno an’​ilay lahateny ho an’​ny besinimaro. Hoy izy: “Tena natao ho an’​ahy ilay lahateny! Hafa mihitsy ny Vavolombelon’​i Jehovah.” Nanaiky hianatra Baiboly izy, ary mivory foana hatramin’​izao.

“Izaho tsy mpanompo sampy!”

Mipetraka any Guinée-Bissau i Aminata ary 15 taona izy. Nasain’​ny mpampianatra nanao sarina zavatra fampiasa amin’​ny karnavaly izy sy ny iray kilasy taminy, tamin’​izy 13 taona. Sarina biby sy zavamaniry anefa no nataon’​i Aminata, dia nasiany soratra hoe “Paradisa” teo amin’​ilay izy. Nomen’​ilay mpampianatra zero i Aminata rehefa voangona ireo sary. Tsy misy ifandraisany amin’​ny karnavaly, hono, mantsy ny sary nataony. Nanontany azy àry i Aminata rehefa nirava hoe: “Iza moa no namorona ny karnavaly?”

“Ny mpanompo sampy”, hoy ilay mpampianatra.

Aminata, mpianatra 15 taona any Guinée-Bissau. Manao sarina Paradisa

Guinée-Bissau: Aminata, manao sarina “Paradisa”

Dia namaly i Aminata hoe: “Fa izaho tsy mpanompo sampy, dia izay no tsy anaovako zavatra mifandray amin’​ny karnavaly. Mino aho hoe efa hovan’​Andriamanitra ho paradisa izao ny tany, dia izay no nataoko sary.” Nilaza àry ilay mpampianatra hoe hampanaoviny fanadinana an-tsoratra i Aminata hatao solon’​ilay sary. Nahazo 18/20 izy tamin’​izay.

Be dia be no tonga

Misy mpitory fito ao amin’​ny antoko-mpitory any amin’​ny tanàna kely iray any Malawi. Trano tsotsotra vita amin’​ny hazo sy bozaka ary tsihy no ivorian’​izy ireo. Vao avy nitsidika an-dry zareo ny mpiandraikitra ny faritra, dia nafana fo be ry zareo nanasa ny olona hamonjy ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’​i Kristy. Jiro solitany maromaro nahantona no nampiasaina nandritra ny Fahatsiarovana. Feno be ilay toerana satria be dia be ny olona liana tonga tamin’​ilay izy. Faly ireo mpitory 7 fa nisy 120 ny mpanatrika!

Antoko-mpitory any Malawi manatrika Fahatsiarovana. Nisy 120 ny mpanatrika

Malawi: Nisy 120 ny mpanatrika

Nanampy azy hamaha olana tao an-tokantranony ilay bokikely

Misy vokany tsara matetika ny fitoriana eny amin’​ny toerana be olona, na dia tsy hita avy hatrany aza izany. Nanatona teo amin’​ny fampirantiana ny vehivavy iray tany Lomé, renivohitr’​i Togo, sady menamenatra ihany. Naka an’​ilay bokikely hoe Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao? izy. Niresaka momba ny Efesianina 5:⁠3 taminy avy eo ireo mpitory, dia nifanome nomeraon-telefaonina ry zareo. Niantso ilay vehivavy afaka tapa-bolana, dia hoy izy: “Tsy tia Vavolombelon’​i Jehovah mihitsy aho, fa novakiko ihany ilay bokikely. Tsara be ilay izy! Nanampy ahy hamaha olana sasany tao an-tokantranoko ilay izy, dia afaka nanampy mpivady roa hafa koa aho. Diso ny fiheverako anareo. Tongava fa vonona hianatra Baiboly aho.” Lasa nianatra Baiboly izy sy ny iray tamin’​ireo mpivady nampiany.

Nadikany ilay bokikely

Tanàna kely any Ghana i Ankasie, ary misy mpivarotra vitsivitsy eny amoron’​ny arabe. Manao fampirantiana ny mpitory any isaky ny alatsinainy. Nisy lehilahy atao hoe Enoch tonga teo, dia nitory taminy i Samuel. Nandray an’​ilay bokikely hoe Mihainoa An’​Andriamanitra i Enoch avy eo, dia nanontany raha misy boky amin’​ny teny kusaal.

Tabilao fampirantiana any Ankasie, any Ghana
Enoch, manome an’​i Samuel an’​ilay bokikely nadikany tamin’​ny teny kusaal

Ghana: Nadikany tamin’​ny teny kusaal ilay bokikely

Hoy i Samuel: “Miala tsiny fa tsy manana izahay. Amin’​ny teny frafra no anananay.” Mitovitovy amin’​ny teny kusaal ny teny frafra. Rehefa hody tany amin’​ny faritra avaratr’​i Ghana i Enoch, dia nangataka boky hozarainy amin’​ny havany.

Nitondra antontan-taratasy ho an’​i Samuel izy rehefa niverina tany Ankasie. Voadikany tamin’​ny teny kusaal ilay bokikely Mihainoa An’​Andriamanitra. Mivory foana izy ary mbola mianatra Baiboly foana koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara