FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb17 p. 84-88
  • Indray Mitopy Maso An’i Géorgie

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray Mitopy Maso An’i Géorgie
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
yb17 p. 84-88
Tanàna iray any Svanétie Avaratra, faritra iray any Géorgie

Svanétie Avaratra

GÉORGIE

Indray Mitopy Maso An’i Géorgie

Lehilahy milanja voaloboka iray garaba; sampahom-boaloboka

Tena mahafaly ny mioty voaloboka

Ilay tany Be tendrombohitra mijoalajoala any, ary rakotra lanezy ny tampony. Misy aza mahatratra 4500 metatra mahery. Mizara ho faritra atsinanana sy andrefana i Géorgie. Samy manana ny toetany, fombafomba, mozika, dihy, ary sakafo mampiavaka azy ny toerana maro any amin’ireo faritra roa ireo.

Mponina Misy 3,7 tapitrisa izy ireo, ary vahiny ny ampahadiminy latsaka kely.

Fivavahana Kristianina ortodoksa ny ankamaroan’ny mponina any. Silamo kosa ny 10 isan-jato eo ho eo.

Fiteny Tsy misy ifandraisany amin’ny fitenin’ireo firenena manodidina ny fiteny any Géorgie. Hafa mihitsy ny abidy fampiasa any, ary efa nisy talohan’i Kristy izy io, araka ny tantara.

Fivelomana Maro no mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Lasa nampidi-bola be koa tato ho ato ny fizahan-tany.

Toetany Antonony ny toetany any amin’ny faritra atsinanana. Mafana sy manorana kosa any andrefana, izany hoe manamorona ny Ranomasina Mainty. Be voasary maniry koa any.

Olona mioty voaloboka

Mioty voaloboka any amin’ny faritr’i Kakhétie

Sakafo Misy mofo foana isaky ny misakafo. Andrahoina amin’ny lafaoro tanimanga ny mofo fanaon’ny mponina any. Mahazatra ny olona any koa ny laoka ketsaketsa misy zava-manitra mampahatsiro sakafo. Efa ela izy ireo no nanao divay, ary aotrika ao anaty sinibe tanimanga izany matetika. Manana tanimboaloboka ny fianakaviana maro, ka izy ireo ihany no manao ny divainy. Miisa 500 eo ho eo ny karazana voaloboka zanatany, any Géorgie.

Vehivavy manamboatra mofo

Manao mofo

TANY (kilaometatra toradroa)

69 700

MPONINA

3 720 400

MPITORY TAMIN’NY 2016

18 619

MPITORY 1 ISAKY NY MPONINA

200

MPANATRIKA FAHATSIAROVANA TAMIN’NY 2016

32 216

Sarintanin’i Géorgie
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara