FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb17 p. 110
  • Baiboly Amin’ny Teny Géorgien

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Baiboly Amin’ny Teny Géorgien
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
yb17 p. 110
Pejy iray amin’ny Baiboly amin’ny teny géorgien

Filazantsara Efatry ny Tanànan’i Mokvi, sora-tanana amin’ny teny géorgien, tamin’ny taonjato faha-14

GÉORGIE | 1924-1990

Baiboly Amin’ny Teny Géorgien

ANISAN’NY teny voalohandohany nandikana ny Baiboly ny teny géorgien, ankoatra ny teny armenianina, kôpta, latinina, syriàka, ary ny maro hafa. Tamin’ny taona 450 tany ho any na talohan’izay aza no vita ny Filazantsara sy ny taratasin’i Paoly ary ny Salamo. Maro no nandika ny Baiboly tamin’ny teny géorgien sy nanao dika mitovy azy io, tatỳ aoriana, ka lasa nisy dikan-teny samihafa.a

Nisy vokany be teo amin’ny literatiora sy soatoavina géorgien ny Baiboly. Naka hevitra sy andininy tao, ohatra, ilay nanoratra ny tantaran’i Chouchanik Mpanjakavavy, taloha kelin’ny taona 500. Miresaka an-kolaka momba ny fitsipika arahin’ny Kristianina koa i Chota Roustavéli ao amin’ilay poezia lava be mitondra ny lohateny hoe Ilay Lehilahy Nitafy Hodi-biby. Vitany tamin’ny 1220 tany ho any izy io. Anisan’ny foto-kevitra hita ao ny momba ny fisakaizana, fahalalahan-tanana, ary ny fitiavana vahiny. Mbola hitan’ny olona eto Géorgie hoe ilaina ireo toetra ireo.

a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Zava-tsarobidy Tsy Hita Hatry ny Ela”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2013.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara