FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb17 p. 169-170
  • Nanaiky ny Fahamarinana ny Kurde

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanaiky ny Fahamarinana ny Kurde
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
yb17 p. 169-170
Anabavy mampianatra vehivavy iray amin’ny teny kurde

GÉORGIE

Nanaiky ny Fahamarinana ny Kurde

HOY ny Anabavy Gulizar: “Matetika aho no misaotra an’i Jehovah, satria afaka nandre ny momba azy tamin’ny fitenin-drazako.”

Efa valo taona i Gulizar no mpitory tsy vita batisa. Tsy naniry hatao batisa anefa izy, raha tsy efa nanatrika fivoriana tamin’ny teny kurde, izay fitenin-drazany. Maro ny Kurde eto Géorgie nanaiky ny fahamarinana, tato ho ato, ary anisan’izy ireny i Gulizar. Fa iza moa ny Kurde?

Misy mpikaroka milaza fa taranak’ireo Medianina tantarain’ny Baiboly izy ireo. (2 Mpanj. 18:11; Asa. 2:9) Efa taonjato maro izy ireo no mipetraka any amin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Iray tarika amin’ny teny iranianina ny teny kurde.

An-tapitrisany izao ny Kurde miparitaka any amin’ny tany samihafa, toa an’i Armenia, Irak, Iran, Syria, ary Torkia. Misy Kurde 20 000 eo ho eo eto Géorgie. Matahotra an’Andriamanitra izy ireo amin’ny ankapobeny, ary tena manaja zavatra ara-panahy.

Misy 500 izao ny mpitory miteny kurde eto Géorgie, ary telo ny fiangonana amin’io fiteny io. Faly ny rehetra tamin’ny 2014, satria sambany vao nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny teny kurde. Natao teto Tbilissi ilay izy ary nisy solontena avy any Alemaina, Armenia, Torkia, ary Ukraine.

Ankafizin’ny ankizy kurde ny videon’i Kaleba sy Sofia
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara