FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 32
  • Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ahoana no hanampian’Andriamanitra ny kivy?
  • Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”
    Mifohaza!—2009
  • Fampiononana ho An’ireo Ketraka
    Fampiononana ho an’ireo Ketraka
  • Nahoana Aho no Ketraka Aoka Izany?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Vonona ny hanampy anao izy ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 32

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?

Valiny ara-baiboly

Eny. Andriamanitra no tena afaka manampy ny kivy, satria milaza ny Baiboly fa Andriamanitra “mampionona” izy.—2 Korintianina 7:6.

Ahoana no hanampian’Andriamanitra ny kivy?

  • Manome hery izy. Rehefa “mampionona” anao Andriamanitra, dia tsy hoe hesoriny daholo akory ny olana rehetra mahazo anao. Mamaly ny vavaka ataonao kosa izy raha mangataka hery aminy ianao mba hiatrehanao an’ilay olana. (Filipianina 4:13) Afaka matoky ianao fa vonona hihaino anao izy. Hoy mantsy ny Salamo 34:18: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” Raha ny marina aza, dia fantany izay tena tianao hangatahina na dia tsy hainao aza ny milaza an’izay tena ao am-ponao.—Romanina 8:26, 27.

  • Ampahafantariny azy ireo ny ohatra tsara navelan’ny mpanompony fahiny. Nisy mpanoratra Baiboly nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Tao anatin’ny fahoriana lalina no niantsoako anao!” Nahavita niatrika ny hakiviany io mpanoratra Baiboly io rehefa nitadidy hoe te hamela ny fahotantsika Andriamanitra. Hoy izy momba an’Andriamanitra: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô? Fa ao aminao ny tena famelan-keloka, mba hatahorana anao.”—Salamo 130:1, 3, 4.

  • Manome fampanantenana izy. Hitantsika teo fa mampionona ny kivy Andriamanitra izao. Tsy izay ihany anefa fa mampanantena koa izy hoe hesoriny daholo izay rehetra mahatonga ny olona ho kivy. Rehefa tanteraka izany dia “tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha”, anisan’izany ny hakiviana.—Isaia 65:17.

Fanamarihana: Miaiky izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe manampy Andriamanitra. Mitsabo tena any amin’ny dokotera koa izahay rehefa marary, ohatra hoe rehefa lasa aretina mihitsy ny hakiviana. (Marka 2:17) Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana anefa izahay, fa ilay marary ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara