FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 31
  • Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ny trosa! Fidirana sy fialana aminy
    Mifohaza!—1991
  • Mendrika ny Hatao ve ny Fidirana Amin’ny Trosa?
    Mifohaza!—1995
  • Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 31

Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?

Valiny ara-baiboly

Ireto misy torohevitra efatra avy ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao amin’izany:

  1. Eritrereto mialoha ny vola holaninao. “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Aza maimay hividy zavatra na dia hoe misy fihenam-bidy aza ilay izy. Manaova teti-bola ary araho tsara izany avy eo.

  2. Aza mitrosa tsy amin’antony. “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Raha efa ananan’olona trosa anefa ianao ka tsy voaefanao ilay izy, dia ataovy izay hifampiraharahana amin’ilay tompon-trosa mba hanovana ny fomba handoavana an’ilay izy. Na tsy manaiky aza izy amin’ny voalohany, dia aza kivy mihitsy fa mitadiava foana marimaritra iraisana. Araho ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 6:1-5 hoe: “Mandehana ka manetre tena eo anatrehany, ary iangavio fatratra izy. Aza avela hatory na ho rendremana ny masonao.”

  3. Aza tia vola loatra. “Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana, nefa tsy fantany fa hahantra izy.” (Ohabolana 28:22) Ho sahirana ara-bola ianao raha mitsiriritra sy tia harena loatra, sady tsy ho vitanao tsara ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

  4. Mahaiza mianina. “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Tsy voatery ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana ianao raha manam-bola. Tsy dia manam-bola ny sasany amin’ireo olona sambatra indrindra eto an-tany. Sambatra kosa izy ireo satria minamana tsara amin’Andriamanitra ary tia azy ireo ny fianakaviany sy ny namany.—Ohabolana 15:17; 1 Petera 5:6, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara