FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 160
  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Efa niaina tany an-danitra ve i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy?
  • Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?
    Mifohaza!—2006
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 160
Jesosy mivavaka amin’ny Rainy any an-danitra

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Matetika ny Baiboly no miantso an’i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:49) Asehon’ilay teny hoe “Zanak’Andriamanitra” fa Andriamanitra no Mpamorona ny zavamananaina rehetra, anisan’izany i Jesosy. (Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11) Tsy mampianatra ny Baiboly hoe nanambady sy niteraka hoatran’ny olombelona Andriamanitra.

Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” koa ny anjely. (Joba 1:6) Ankoatra izay, dia milaza ny Baiboly fa “zanak’Andriamanitra” i Adama, ilay lehilahy voalohany. (Lioka 3:38) I Jesosy anefa no noforonin’Andriamanitra voalohany sady noforoniny mivantana, ka izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe izy no zanaka tian’Andriamanitra indrindra.

  • Efa niaina tany an-danitra ve i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy?

  • Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

Efa niaina tany an-danitra ve i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy?

Eny. Fanahy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Izy mihitsy no nilaza hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho.’—Jaona 6:38; 8:23.

Namorona an’i Jesosy aloha Andriamanitra, izay vao namorona ny zavatra hafa rehetra. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy:

  • “Izy ... no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.”—Kolosianina 1:15.

  • Izy no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.”—Apokalypsy 3:14.

Tanteraka tamin’i Jesosy ilay faminaniana hoe “efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.”—Mika 5:2; Matio 2:4-6.

Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

Nanana toerana ambony tany an-danitra izy. Niresaka momba an’io toerana nananany io i Jesosy rehefa nivavaka hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ... aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.”—Jaona 17:5.

Nanampy ny Rainy tamin’ny famoronana izy. Niara-niasa tamin’Andriamanitra i Jesosy ary “mpiasa tena mahay” izy. (Ohabolana 8:30) Hoy ny Baiboly momba azy: “Izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Kolosianina 1:16.

I Jesosy no nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana ny zavaboary hafa rehetra, anisan’izany ny anjely sy izao rehetra izao hita maso. (Apokalypsy 5:11) Niara-niasa toy ny mpanao mari-trano sy mpanao trano izy mianaka. Ilay mpanao mari-trano no mamorona ny planina, dia ilay mpanao trano no manatanteraka azy.

Mpitondra teny izy. Antsoin’ny Baiboly hoe “ny Teny” i Jesosy tamin’izy mbola tsy tetỳ an-tany. (Jaona 1:1) Midika izany fa nampiasain’Andriamanitra izy mba hampita fanazavana sy toromarika tamin’ny anjely hafa.

Toa i Jesosy koa no nampiasain’Andriamanitra mba hampita hafatra tamin’ny olombelona tetỳ an-tany. Azo inoana hoe nampiasa an’i Jesosy izy rehefa nanome toromarika an’i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Genesisy 2:16, 17) Mety ho i Jesosy koa ilay anjely nitarika ny Israelita fahiny mba hamakivaky ny tany efitra, ary ny teniny no nasaina nankatoavin’izy ireo.—Eksodosy 23:20-23.a

a Tsy i Jesosy ihany no anjely nampiasain’Andriamanitra ho mpitondra teniny. Anjely hafa, ohatra, no nasainy nampita ny Lalàny tamin’ny Israelita fahiny fa tsy ilay zanany Lahimatoa.—Asan’ny Apostoly 7:53; Galatianina 3:19; Hebreo 2:2, 3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara