FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 55
  • Manao Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miresaka ny zavatra inoany amin’ireo olona tsy mitovy finoana aminy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Vahaolana ve ny Firaisam-pinoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ilana Fisainana ve ny Finoana?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 55
Olona avy amin’ny fivavahana samihafa, sady samy manao ny akanjo mampiavaka ny fivavahany

Manao Fotoam-pivavahana Iraisam-pinoana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tia miresaka ny zavatra inoanay amin’ny olona avy amin’ny fivavahana rehetra izahay Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana anefa izahay, izany hoe tsy miara-mivavaka amin’ny fivavahana hafa. Milaza ny Baiboly fa “tafakambana mirindra tsara” ny tena Kristianina. Tsy ho tanteraka anefa izany, raha tsy mitovy ny zavatra inoan’izy ireo. (Efesianina 4:16; 1 Korintianina 1:10; Filipianina 2:2) Tokony hanaiky ny tena Kristianina fa tena ilaina ny toetra toy ny fitiavana, mahay mangoraka, ary mahay mamela heloka. Tsy ampy anefa izany fa tokony hiorina amin’ny fahalalana marina tsara avy ao amin’ny Baiboly koa ny zavatra inoan’izy ireo, raha tsy izany ilay izy tsy hisy dikany. Miorina amin’ny fahalalana marina tsara avy ao amin’ny Baiboly àry ny zavatra inoanay.—Romanina 10:2, 3.

Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hiara-hivavaka amin’ny fivavahana tsy mitovy finoana aminy ny Kristianina. Lasa toy ny miray zioga mantsy izy ireo amin’izay, nefa tsy mifandanja mihitsy. Mety hanimba ny finoan’ny tena Kristianina izany. (2 Korintianina 6:14-17) Tsy navelan’i Jesosy nifangaroharo tamin’ny fivavahana hafa àry ny mpianany. (Matio 12:30; Jaona 14:6) Tsy nahazo niara-nivavaka tamin’ireo firenena manodidina koa ny Israelita, araka ny lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 34:11-14) Tsy nanaiky hampian’ireo olona tsy nitovy finoana taminy koa ireo Israelita tsy nivadika, tatỳ aoriana. Mety ho nahatonga azy ireo hiara-hivavaka tamin’ireo olona ireo mantsy izany.—Ezra 4:1-3.

Miresaka ny zavatra inoany amin’ireo olona tsy mitovy finoana aminy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Eny. Te hahafantatra ny hevitry ny olona sy ny zavatra inoany izahay rehefa mitory, hoatran’ny nataon’ny apostoly Paoly. (1 Korintianina 9:19-22) Milaza ny Baiboly hoe tena ilaina ny ‘manaja lalina’ an’izay olona hiresahanao. Miezaka mampihatra an’izany izahay, rehefa miresaka ny zavatra inoanay amin’ny hafa.—1 Petera 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara