FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.11 8
  • 22-28 Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 22-28 Desambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.11 8

22-28 DESAMBRA

ISAIA 11-13

Hira 14 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Mesia?

(10 min.)

Ho avy amin’ny taranak’i Davida zanak’i Jese izy (Is 11:1; ip-1 159 § 4-5)

Hanana ny fanahin’i Jehovah izy sady hatahotra azy (Is 11:2, 3a; ip-1 159 § 6; 160 § 8)

Hanao ny rariny sy hamindra fo izy rehefa mitsara (Is 11:3b-5; ip-1 161 § 9, 11)

Mpanjaka any an-danitra i Jesosy, ary manatsotra ny tanany eo ambonin’ny Paradisa eto an-tany.

SAINTSAINO IZAO: Nahoana ny fitondran’i Jesosy no tsara lavitra noho ny an’ny olombelona?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Is 11:9, 10​—Inona ilay asa fampianarana lehibe indrindra mbola tsy nisy hoatr’izany? (w22.09 40:2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 8:8-9 (th 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd 2:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Ampiasao ny jw.org mba hamaliana ny fanontaniana napetrak’ilay olona. (lmd 8:3)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) Ampio hanomana hevitra horesahina ilay mpianatra mba ho vonona hitory isan-trano miaraka aminao. (lmd 11:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 57

7. “Mitsara Ivelany” ve Ianao?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Rahalahy roa mitory amin’ny lehilahy iray feno tatoazy. Mampahatahotra ny paozin’ilay lehilahy. Alefan’ilay rahalahy tanora kokoa ilay video hoe “Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?” Misy sarina mpihira “heavy metal” eo amin’ny rindrin’ilay lehilahy.

Mitsara an’izay olona hitantsika isika isan’andro, ary tsy fanahy iniantsika ilay izy indraindray. Mora mitsara ivelany mantsy isika. Tsy hoatr’izany anefa i Jesosy, ilay modelintsika. (Is 11:3, 4) Afaka mamantatra ny ao am-po sy ny ao an-tsain’ny olona izy, sady mahay mamantatra ny fomba fisainany sy ny antony anaovany zavatra. Na dia tsy mahavita an’izany aza anefa isika, dia afaka manao izay azontsika atao mba hanahafana an’i Jesosy. Hoy mantsy izy: “Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.”​—Jn 7:24.

Tsy hazoto sy tsy hahita vokatra amin’ny fanompoana isika raha mitsaratsara ny olona araka izay hitantsika. Misalasala ve, ohatra, ianao hitory amin’ny toerana sasany? Mety hoe avy amin’ny foko na fivavahana iray ny olona ao, na hoe manankarena na mahantra. Tonga dia mieritreritra ve ianao hoe tsy handray ny olona iray rehefa jerena ny paoziny? Milaza anefa ny Baiboly hoe “sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.”​—1Ti 2:4.

Alefaso ilay VIDEO hoe Nampihariko Ilay Tilikambo Fiambenana​—Aza Mitsara Ivelany. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona avy, araka ilay video, ny antony mety hahatonga ny olona hitsaratsara ny hafa?

  • Raha mitsaratsara ny rahalahy sy anabavy isika, dia inona no mety ho vokatr’izany amin’ny fiangonana?

  • Inona no nanampy ny olona tao amin’ilay video mba tsy hitsara ivelany?

  • Inona no nianaranao tamin’iny Tilikambo Fiambenana iny?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 12:6

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 32 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara