FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Zoma 24 Oktobra

Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.​—1 Pet. 4:8.

Midika ara-bakiteny hoe “miitatra” ilay teny nampiasain’ny apostoly Petera tamin’ilay hoe “lalina.” Miresaka ny mety ho vokatr’ilay fitiavana lalina kosa ny tapany faharoa amin’ilay andininy. Manarona ny fahotan’ireo rahalahintsika izy io. Azo oharina amin’ny lamba afaka miitatra ny fitiavantsika. Toy ny hoe raisintsika amin’ny tanana anankiroa ny fitiavantsika, dia itarintsika ary tsy ajanontsika raha tsy mahavita manarona “fahotana maro be”, fa tsy hoe fahotana iray na roa fotsiny. Fomba hafa ilazana an’ilay hoe mamela heloka ilay hoe manarona. Manarona ny toetra ratsy sy ny zavatra mandratra fo ataon’ny olona àry ny fitiavana, hoatran’ny lamba manarona tasy ihany. Tokony ho tia be an’ireo rahalahy sy anabavy isika, amin’izay mahavita mamela ny tsy mety ataony, na dia mitaky ezaka be aza izany indraindray. (Kol. 3:13) Rehefa mahavita mamela an-dry zareo anefa isika, dia ho hita hoe be fitiavana sy te hampifaly an’i Jehovah. w23.11 47:13-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 25 Oktobra

Novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ilay izy.​—2 Tan. 34:18.

Nanomboka nanavao ny tempoly i Josia Mpanjaka rehefa lehibe. Tamin’izay no hita “ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Novakina tamin’i Josia ilay izy, dia lasa te hanao zavatra nifanaraka tamin’izay voalaza tao izy. (2 Tan. 34:14, 19-21) Ianao koa ve mba te hamaky Baiboly tsy tapaka? Raha efa manao an’izany ianao, dia manao ahoana izao ilay izy? Raisinao naoty ve izay andinin-teny mety hanampy anao? Nanao fahadisoana namoizany ny ainy i Josia tamin’izy 39 taona teo ho eo. Natoky tena izy, fa tsy nangataka ny tari-dalan’i Jehovah. (2 Tan. 35:20-25) Misy lesona ho antsika eo. Na firy taona isika na firy taona, ary na efa ela na vao haingana no nianatra Baiboly, dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah foana. Mila mivavaka tsy tapaka, ohatra, isika mba hahazo ny tari-dalany, dia mianatra ny Teniny, ary manaraka ny torohevitry ny Kristianina matotra. Azo inoana hoe tsy dia hanao fahadisoana lehibe isika amin’izay, ary ho sambatra kokoa.​—Jak. 1:25. w23.09 38:15-16

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 26 Oktobra

Manohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena kosa.​—Jak. 4:6.

Miresaka vehivavy miavaka be dia be ny Baiboly. Tia an’i Jehovah ry zareo sady nanompo azy. ‘Nahay nandanjalanja tamin’izay zavatra fanaony’ ry zareo, ary ‘mendri-pitokisana tamin’ny zava-drehetra.’ (1 Tim. 3:11) Mahita vehivavy kristianina matotra azony tahafina koa ny anabavy, ao amin’ny fiangonany. Ry anabavy tanora, mahalala vehivavy kristianina matotra vitsivitsy azonareo tahafina ve ianareo? Mariho ny toetra tsarany, dia diniho hoe ahoana no azonareo anehoana an’izany. Tena ilain’ny Kristianina matotra ny manetry tena. Hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny hafa ny vehivavy manetry tena. Raha tia an’i Jehovah, ohatra, izy dia hanetry tena ka hanaiky an’ilay torolalana nomen’ny Rainy any an-danitra hoe “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Azo ampiharina tsara eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana io torolalana io. w23.12 52:3-5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara