Zoma 21 Novambra
Izany dia mifanaraka amin’ilay fikasany hatrizay hatrizay momba an’i Kristy, dia i Jesosy Tompontsika.—Efes. 3:11.
Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ao amin’ny Baiboly ny “fikasany mandrakizay.” Na ahoana na ahoana, dia mahomby foana izy, satria ‘nataony hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra.’ (Ohab. 16:4) “Mandrakizay” àry ny fikasan’i Jehovah, satria hisy vokany maharitra mandrakizay ny zavatra ataony. Fa inona no fikasany, ary inona no novany mba hanatanterahana an’izany? Nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona voalohany hoe inona ny fikasany momba an-dry zareo. Izao no noteneniny: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary anjakao ... ny zavamananaina rehetra” eny. (Gen. 1:28) Rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia lasa mpanota ny olombelona. Tsy hoe rava hatreo anefa ny fikasan’i Jehovah. Novany fotsiny ny fomba anatanterahany an’ilay izy. Tonga izy dia nanapa-kevitra hanangana Fanjakana any an-danitra, ary izy io no hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona.—Mat. 25:34. w23.10 44:6-7
Asabotsy 22 Novambra
Raha tsy i Jehovah no mpanampy ahy, dia efa maty aho hoatr’izay.—Sal. 94:17.
Afaka manampy antsika tsy hilavo lefona i Jehovah. Mety tsy ho mora izany, indrindra raha manana fahalemena sarotra ialana isika. Indraindray aza mety ho hoatran’ny hoe lehibe kokoa noho ny an’ny apostoly Petera ny fahalementsika. Afaka manome hery antsika anefa i Jehovah mba tsy ho kivy isika. (Sal. 94:18, 19) Diniho ny ohatry ny rahalahy iray. Niaraka tamin’ny lehilahy nandritra ny taona maro izy, talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Tapa-kevitra anefa izy hoe hiala amin’izany fanao ratsy izany. Na izany aza, dia nila niady tamin’ny fanirian-dratsy ihany izy indraindray. Inona no nanampy azy tsy hilavo lefona? Izao no nohazavainy: “Manatanjaka ahy i Jehovah.” Hoy koa izy: ‘Nianarako hoe hahavita hifikitra amin’ny fahamarinana foana isika, rehefa ampian’ny fanahin’i Jehovah. Afaka nampiasa ahy i Jehovah hatramin’izao, ary mbola manatanjaka ahy foana izy na dia tsy lavorary aza aho.’ w23.09 40:12
Alahady 23 Novambra
Izay manetry tena sy matahotra an’i Jehovah dia hahazo harena sy voninahitra ary fiainana.—Ohab. 22:4.
Ry rahalahy tanora, tsy ho lasa Kristianina matotra ho azy eo ianareo. Mila mifidy modely hotahafina ianareo, dia misaina tsara, azo ianteherana, mianatra fahaizana ilaina eo amin’ny fiainana, ary miomana ho amin’izay andraikitra miandry anareo. Izany ve tsy sarotra be? Mety hahatsapa hoatr’izany ianao indraindray, rehefa mieritreritra an’izany zava-drehetra mila iezahanao izany. Afaka ny hahomby anefa ianao. Tadidio hoe tena te hanampy anao i Jehovah. (Isaia 41:10, 13) Hanampy anao koa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Hahafinaritra sy hahafa-po be ny fiainanao rehefa lasa ilay karazan’olona tian’i Jehovah ianao. Tianay ianareo, ry rahalahy tanora! Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka ataonareo izao mba ho lasa Kristianina matotra. w23.12 53:19-20