Alatsinainy 1 Desambra
Hatsangana ny maty.—Lioka 20:37.
Manana hery hananganana ny maty ve i Jehovah? Mazava ho azy! Izy mantsy “ilay Mahery Indrindra.” (Apok. 1:8) Ampy tsara àry ny heriny mba handresena ny fahavalony rehetra, na dia ny fahafatesana aza. (1 Kor. 15:26) Misy antony hafa koa mahatonga antsika hino hoe mahavita manangana ny maty Andriamanitra. Tsy voafetra ny fitadidiany. Antsoiny amin’ny anarany avy, ohatra, ny kintana tsirairay. (Isaia 40:26) Tadidiny daholo koa izay olona efa maty. (Joba 14:13; Lioka 20:38) Tsy sarotra aminy ny mitadidy ny tsipiriany madinika indrindra momba an’izay hatsangany amin’ny maty, anisan’izany ny bikabikany, ny maha izy azy, ny zavatra niainany, ary ny fitadidiany. Inoantsika àry ilay fampanantenan’i Jehovah hanangana ny maty, satria fantatsika fa maniry hamelona ny maty izy sady manana hery hanaovana an’izany. Ity koa misy antony hafa mahatonga antsika hino an’io fampanantenana io: Efa nanangana ny maty i Jehovah. Nisy lehilahy manam-pinoana vitsivitsy nomeny hery hanaovana an’izany, anisan’izy ireny i Jesosy. w23.04 16:7-9
Talata 2 Desambra
Ataovy mahafinaritra sady mamy sira foana ny teny lazainareo.—Kol. 4:6.
Raha mahay mandanjalanja sy malemy fanahy isika rehefa miresaka, dia ho vonona hihaino kokoa ny olona sady mbola hazoto hiresaka. Mazava ho azy fa tsy voatery hanohy an’ilay resaka isika, raha te hiady hevitra fotsiny izy na manambanimbany an’izay inoantsika. (Ohab. 26:4) Mahalana anefa no misy hoatr’izany, fa vonona hihaino ny ankamaroany. Tena handray soa àry isika raha miezaka halemy fanahy. Mivavaha amin’i Jehovah mba halemy fanahy foana ianao, raha mampiady hevitra ny fanontaniana apetraky ny olona, na tsy rariny ny fanakianana ataony. Tadidio fa tsy hifamaly ianareo na dia tsy mitovy hevitra aza, raha manana an’io toetra io ianao. Raha malemy fanahy sy manaja foana koa ianao rehefa mamaly, dia mety hisy vokany amin’izay maheno an’ilay resaka izany. Mety hiova mantsy ny fiheverany antsika sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Aoka [àry ianao] ho vonona foana” hiaro ny finoanao, ary ‘halemy fanahy sy ho feno fanajana rehefa manao an’izany.’ (1 Pet. 3:15) Tadidio fa matanjaka ianao rehefa malemy fanahy! w23.09 39:18-19
Alarobia 3 Desambra
Mitafia ... faharetana.—Kol. 3:12.
Andao isika handinika fomba efatra ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika. Voalohany, tsy mora tezitra ny olona manam-paharetana. Miezaka ho tony foana sy tsy hamaly faty izy rehefa misy mampahatezitra azy. Tsy kizitina koa izy rehefa miady saina. (Eks. 34:6) Faharoa, tony ny olona manam-paharetana rehefa mila miandry. Ahoana raha ela kokoa noho ny nieritreretany azy ny zavatra iray? Tsy sosotra izy na hoe tsy mahatombina. (Mat. 18:26, 27) Fahatelo, tsy maimaika hanao zavatra ny olona manam-paharetana. Rehefa misy zavatra lehibe mila atao, dia tsy maika hanomboka an’ilay izy ny olona manam-paharetana na mamita an’ilay izy maimaika fotsiny. Manokana fotoana ampy tsara kosa izy mba hanomanana an’izay ataony, dia avy eo maka fotoana ampy tsara hamitana an’ilay izy. Fahefatra, miezaka mafy ny olona manam-paharetana mba hiaritra fitsapana nefa tsy mitaraina. Manao izay tsara indrindra vitany izy mba hiaretana, sady miezaka hanana toe-tsaina tsara foana. (Kol. 1:11) Mila maneho an’ireo karazana faharetana rehetra ireo isika Kristianina. w23.08 35:3-6