FANAJARIA BOKY ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
FANAJARIA BOKY
ahi-ty Vavolombeloni-Jehovah
Vezo
  • BAIBOLY
  • BOKY
  • FIVORIA
  • rr p. 10
  • Inona no Atao hoe Mivavaka?

Tsy misy video mikasiky an'io ty atoa.

Miala tsiny, misy tsy mety amy fandefasa video io.

  • Inona no Atao hoe Mivavaka?
  • Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanampy Anao ho Falifaly ty Fivavaha Marina
    Tilikambo Fiambena Manambara ty Fanjakàni-Jehovah (Fianara)—2022
  • “Jehovah Ndranaharinao ro Tsy Maintsy Iankohofanao”
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
  • Ty Fomba Tokony Hanompoa a Ndranahary
    Ino ty Azonao Ianara amy Baiboly Ao?
  • “Ndranahary ro Ivavaho”
    Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
Hanenty Hafa
Nampolin’i Jehovah Ndraiky ty Fivavaha Malio!
rr p. 10
Fianakaviana manao fotoam-pivavahana.

EFAJORO 1A

Inona no Atao hoe Mivavaka?

Ny hoe mivavaka dia azo adika hoe “mampiseho fa manaja andriamanitra iray sy tia azy.” Ao amin’ny Baiboly, ny teny nadika hoe “mivavaka” dia mety hidika hoe manaja lalina zavaboary iray na manaiky ny fahefany. (Mat. 28:9) Mety hidika koa io teny io hoe manao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah na andriamanitra hafa. (Jaona 4:23, 24) Arakaraka ny teny manodidina no amaritana ny dikan’izy io.

I Jehovah irery ihany no mendrika hotompoina, satria izy no Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Apok. 4:10, 11) Mivavaka aminy isika rehefa mampiseho hoe manaja ny zony hitondra sy manome voninahitra ny anarany. (Sal. 86:9; Mat. 6:9, 10) Miverimberina ao amin’ny bokin’i Ezekiela ireo foto-kevitra roa ireo, izany hoe ny zon’i Jehovah hitondra sy ny anarany. Miverina ao in-213 ilay hoe “Jehovah Tompo Fara Tampony”, ary in-60 ilay hoe “ho fantatrareo fa izaho no Jehovah” na ny teny mitovitovy amin’izany.​—Ezek. 2:4; 6:7.

Tsy ampy anefa ilay hoe te hivavaka amin’Andriamanitra fotsiny. Raha tena te hanompo azy isika dia mila asehontsika amin’ny atao izany. (Jak. 2:26) Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia mivoady hoe na inona na inona ataontsika eo amin’ny fiainana dia hanaja lalina ny anarany isika ary hankatò azy satria izy no Mpanjakantsika. Tadidio fa rehefa nanohitra an’ilay fakam-panahy fahatelo i Jesosy, dia nampifandraisiny amin’ny “fanompoana masina” ilay hoe miankohoka amin’Andriamanitra na mivavaka aminy. (Mat. 4:10, f.a.p.) Tena mazoto manompo an’i Jehovah isika satria mpivavaka aminy.a (Deot. 10:12) Manao fanompoana masina isika rehefa mandray anjara amin’ny asa mifandray mivantana amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra, izay mitaky fahafoizan-tena. Inona avy izany asa izany?

Fanompoana masina. Sary 1: Anabavy manome valin-teny any am-pivoriana. Sary 2: Rahalahy sy anabavy manadio any amin’ny fivoriambe.

Misy karazany be dia be ny fanompoana masina, ary samy sarobidy amin’i Jehovah daholo izy ireny. Anisan’izany ny hoe mitory, mandray anjara amin’ny fivoriana, ary mikarakara na manorina toerana ivoriana. Anisan’izany koa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ny fanampiana mpiara-manompo tra-boina, ny asa an-tsitrapo any amin’ny fivoriambe, ary ny fanompoana ao amin’ny Betela. (Heb. 13:16; Jak. 1:27) Hanao ‘fanompoana masina andro aman’alina’ isika, raha ny fivavahana madio no zava-dehibe indrindra amintsika. Tena faly isika manao an’izany ho an’i Jehovah Andriamanitsika!​—Apok. 7:15.

Hiverina any amin’ny toko 1, fehintsoratra 9

a Midika koa hoe manompo ny iray amin’ireo teny hebreo ilazana ny hoe “mivavaka.” Tafiditra amin’ny hoe mivavaka izany ny fanompoana.

    Fanajaria Boky Vezo (2001-2025)
    Hiboaky
    Hilitsy
    • Vezo
    • Hizara
    • Hamboamboatsy
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekea
    • Fifanekea Mikasiky Sekirè
    • Hanova Fifanekea
    • JW.ORG
    • Hilitsy
    Hizara