20Ary niala teo i Abrahama ka nifindra toby+ ho any amin’ny tany Negeba. Dia nanorim-ponenana teo anelanelan’i Kadesy+ sy Sora+ izy ka nivahiny tao Gerara.+
22 Rehefa niakatra nankany Negeba+ izy ireo, dia tonga tao Hebrona.+ Nonina tao ry Ahimana sy Sesay ary Talmay,+ izay samy terak’i Anàka.+ Fito taona talohan’i Zoana+ any Ejipta no efa voaorina i Hebrona.+
7 Avy eo izy ireo dia tonga tany Tyro,+ tanàna voaro mafy, sy tany amin’ny tanàna rehetran’ny Hivita+ sy ny Kananita, ary farany dia tany Beri-sheba+ any Negeba,+ any Joda.
19 Ary halain’izy ireo ho fananany i Negeba, sy ny faritra be tendrombohitr’i Esao,+ sy Sefela ary ny tanin’ny Filistinina.+ Ho lasan’izy ireo koa ny sahan’i Efraima+ sy ny sahan’i Samaria.+ Ary ho lasan’i Benjamina kosa i Gileada.+