-
Daniela 12:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Mandritra izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela,+ ilay andriana+ lehibe, izay mitsangana+ hiaro ny zanaky ny firenenao.+ Ary hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany.+ Mandritra izany fotoana izany, dia ho afa-mandositra ny firenenao,+ dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.+
-
-
Apokalypsy 17:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ilay bibidia hitanao dia efa teo,+ fa tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka+ izy, ka ho any amin’ny fandringanana. Rehefa hitan’ny mponina amin’ny tany fa efa teo ilay bibidia, fa tsy eo izao, ary anefa mbola ho eo, dia hitolagaga izy ireo. Nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao anefa, no efa tsy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana+ ny anaran’izy ireo.+
-