FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.+

      Hivembena+ izy ireo amin’ny fotoana voatondro,

      Satria akaiky ny andro hahitany loza,+

      Ary avy haingana ny zavatra voaomana hihatra aminy.’+

  • Josoa 24:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: “Tsy ho vitanareo ny hanompo an’i Jehovah, fa Andriamanitra masina izy,+ sady mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+ Koa tsy hamela heloka anareo izy raha mikomy sy manota ianareo.+

  • Romanina 2:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa noho ny kirinao+ sy ny fonao tsy mibebaka+ no anangonanao fahatezerana+ ho anao ho amin’ny andro fahatezerana+ sy fampiharihariana+ ny fitsarana marin’Andriamanitra.+

  • 2 Petera 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ireo anjely+ nanota, fa natsipiny tany amin’ny Tartara*+ kosa ireny ka natolony ho ao an-davaka maizim-be, mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana.+

  • Joda 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra,+ sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra,+ dia ireo mpanota tsy matahotra azy.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara