FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 17:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Amin’izay ny sorona ataon’izy ireo dia tsy hatolony intsony ho an’ny demonia miendrika osy,+ izay nananany fifandraisana mamoafady.+ Ho lalàna ho anareo izany mandritra ny fotoana tsy voafetra, hatramin’ny taranakareo fara mandimby.”’

  • Deoteronomia 31:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa hodimandry any amin’ny razanao ianao.+ Ary azo antoka fa hitsangana ity vahoaka ity+ ka hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamani-kafa eo anivony, any amin’ilay tany izay halehany.+ Ary hahafoy ahy tokoa izy ireo,+ ka hivadika amin’ny fifanekena nataoko taminy.+

  • Mpitsara 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Kanefa na ireo mpitsarany aza tsy nohenoiny. Nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’ny andriamani-kafa+ kosa izy ireo, ary niankohoka teo anatrehan’ireny. Efa nivily sahady niala tamin’ny lalana nalehan’ny razany izy ireo. Nankatò ny didin’i Jehovah mantsy ny razany,+ fa tsy mba toy izany kosa izy ireo.

  • Mpitsara 8:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Raha vao maty i Gideona dia nanomboka nanana fifandraisana mamoafady tamin’ireo Bala indray ny zanak’Israely,+ ka i Bala-berita no nataony andriamaniny.+

  • Jeremia 3:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nivaro-tena izy fa maivan-doha. Nandoto an’ilay tany izy,+ ary nanitsakitsa-bady satria nanompo vato aman-kazo.+

  • Ezekiela 6:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hahatsiaro ahy ireo sisa tavela ireo, any amin’ireo firenena hitondrana azy ho babo.+ Hotsaroan’izy ireo koa fa ory dia ory aho satria tia fijangajangana ny fon’izy ireo ka niala tamiko,+ ary mibanjina an’ireny sampiny maharikoriko ireny ny mason’izy ireo noho ny fikendrena hijangajanga.+ Koa ho hita eo amin’ny endrik’izy ireo fa haharikoriko azy ny zava-dratsy vitany, dia ny zava-mahatsiravina rehetra nataony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara