FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 41:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary nitebiteby+ i Farao nony maraina, ka nampanantsoiny avokoa ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina+ sy ny olon-kendry+ tao Ejipta. Dia notantarainy tamin’ireo ny nofiny,+ nefa tsy nisy nahalaza ny heviny.

  • Isaia 19:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tena adala ny andrianan’i Zoana.+ Hadalana ny torohevitra omen’ny olon-kendry+ mpanolo-tsain’i Farao. Koa ahoana no hilazanareo amin’i Farao hoe: “Zanaky ny olon-kendry aho sady taranaky ny mpanjaka fahiny”?

  • Jeremia 27:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘“‘Aza mihaino an’ireo mpaminany+ sy mpisikidy sy mpanonofy+ sy ireo mampiasa herin’ny maizina ary ireo mpilalao ody+ eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!”+

  • Daniela 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ny mpisorona+ mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny mpilalao ody ary ny Kaldeanina, mba hilaza aminy ilay nofiny.+ Dia tonga izy ireo, ka nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.

  • 2 Timoty 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra+ an’i Mosesy no anoheran’ireny tsy misy farany ny fahamarinana.+ Olona tena maloto saina+ ireny, ary tsy ankasitrahana raha ny amin’ny finoana.+

  • Apokalypsy 21:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Fa ny kanosa sy ny tsy manam-pinoana+ sy ny olona maloto+ sady maharikoriko sy ny mpamono olona+ sy ny mpijangajanga+ sy ny mpilalao ody* sy ny mpanompo sampy+ sy ny mpandainga+ rehetra kosa, dia ao amin’ny farihy mirehitra afo+ sy solifara+ no anjarany. Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara