FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 4:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa hoy aho aminao: Alefaso ny zanako hanompo ahy. Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, dia hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa.”’”+

  • Eksodosy 13:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mafy loha i Farao tamin’izay ka tsy nety nandefa antsika.+ Dia novonoin’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia ny lahimatoan’ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby.+ Koa izany no antony hanaovako sorona ny lahy voalohan-teraka rehetra mba ho an’i Jehovah.+ Fa izay lahimatoa amin’ny zanako kosa avotako.’+

  • Salamo 78:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Farany, dia novonoiny ho faty daholo ny lahimatoa tany Ejipta,+

      Eny, naripany tao amin’ireo tranolain’i Hama ny voalohan-terak’izy ireo.+

  • Salamo 105:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Ary naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ilay tany,+

      Dia ny voalohan-terany rehetra.+

  • Salamo 136:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Misaora an’Ilay namely an’i Ejipta ka namono ny lahimatoany:+

      Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+

  • Hebreo 11:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Finoana no nitandremany ny Paska+ sy ny nanosorany ra teo amin’ny tolàm-baravarana,+ mba tsy ho voakasiky ny mpandringana ny lahimatoa teo amin’ny Israelita.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara