34 Farany, dia tonga tao Mizpa,+ tany an-tranony, i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, nively ampongatapaka sady nandihy!+ Zanany vavitokana io, fa tsy nanan-janakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
6 Rehefa avy namely ny Filistinina ry Davida ka tafaverina, dia nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Israely ireo vehivavy. Sady nihira+ izy ireo no nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka+ sy mandôlinina, mba hitsena an’i Saoly mpanjaka tamim-pifaliana.+
5 Dia nanao fety teo anatrehan’i Jehovah i Davida sy ny taranak’Israely rehetra, ka nampiasa ny karazan-javamaneno rehetra vita tamin’ny hazo zenevrie, ary nampiasa harpa+ sy lokanga+ sy ampongatapaka+ sy korintsana ary kipantsona.+
4 Haoriko indray anefa ianao ka ho voaorina,+ ry Israely virjiny ô! Mbola hitondra ny ampongatapakao indray ianao, ka hivoaka handihy sahala amin’ny olona mifaly.+